- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Arahaba tratry ny tsingerintaona ry @KremlinRussia! ;)

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Politika, Teknolojia, Akon'ny RuNet
[1]

Dmitry Medvedev, sary avy amin'i Juerg Vollmer

Tamin'ny 14 Septambra 2010, nankalaza ny faha 45 taonan'ny vaninandro nahaterahany [2] ny filoham-pirenena rosiana. Ity no tsingerintaonany fahatelo nankalazaina nandritra ny naha-filoham-pirenena azy, ary azo antoka noho izany fa naharay antso an-tariby maro izy avy amin'ireo mpiasam-panjakana mitana toerana ambony sy avy amin'ireo filoham-pirenena vahiny namany nandritra ny taona maro lasa. Tamin'ny taona 2010, nitobaka ny firariantsoa sy ny fiarahabana avy amin'izao tontolo izao, ary ny anjatony tamin'izany dia avy tamin'ny … Twitter [3]!

Nanomboka tamin'ny volana Jona lasa teo i Medvedev no nampiasa ny kaonty Twitter-ny , raha izy nitsidika ny lemak'i Silicon [4] iny. Manana kaonty manokana roa voamarina amin'ny fomba ofisialy izy : @KremlinRussia [5] (bitsika amin'ny teny Rosiana ) sy ny @KremlinRussia_E [6] (Bitsika amin'ny teny Anglisy ). Misy ihany koa ny kaonty @blog_medvedev [7], izay mandefa fotsiny ireo lahatsoratra bilaogin'ny Filoha tonga isan'andro. Raha niha-nanatomotra ny andron'ny 14 Septambra, nanjary lasa aretina ny “teny” hoe fitsingerenan'ny andro nahaterahan'i Medvedev, ka nanosika ny maro hilaza ny firariantsoany sy ny toroheviny.

Ireto misy teny misongadina vitsivitsy manazava mikasika ny kaonty Rosiana (ary ohatra fotsiny ihany ireto ):

@tpoligaeva [8][RUS]:

Misaotra an'i Twitter, fantatro fa fitsingerenan'ny andro nahaterahan'ny filohantsika @KremlinRussia androany ! Ary iza no milaza fa tranonkala tsy misy ilàna azy ity?

@_kiradee [9] [RUS]:

Mbola ao anatin'ny fotoanany tsara izao hiarahabako anao amin'ny fitsingerenan'ny faha 45 taonanao, Dmitry Anatolievich @KremlinRussia! Mirary anao hahavita ny fihodinana faharoa amin'ny maha-filoha anao aho. Mahavità soa!

Maro ihany koa ireo mpiasam-panjakana mitana toerana ambony no niarahaba tamin'ny alalan'ny Twitter :

Vladimir @Zhirinovskiy [10][RUS]:

Arahabaina ianao, Dmitry Anatolievich tratry ny fitsingerenan'ny andro nahaterahanao. Tena zava-dehibe ho an'i Rosia ireo fomba fiasa vaovao, izay mbola vitanao tsara ny nametraka azy hatreto!

Dmitry @Rogozin [11] [RUS]:

Miarahaba ny filoha D.A Medvedev ireo Rosiana Brussels noho izao nahatratrarany ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany izao! Miandry ny fitsidihanao izahay!

Ary indrindra fa  i Nikita Belykh (@NikitaBelyh [12][RUS]), Governoran'ny faritr'i Kirov izay nilaza ny vaovao roa herinandro lasa izay [13] niaraka tamin'ny Tweet-o-enthusiasm:

@KremlinRussia tamin'izaho vao 25 taona, nihevitra aho fa 35 taona no faran'ny fiainana. Ankehitriny, 35 taona aho, ary hitako fa ny faha45 taona no fotoana lehibe famitana zavatra 😉 Arahabaina tratry ny fitsingerenan'ny andro nahaterahanao! Amin'ny fo tokoa!

Tsara fandray [14]i @KremlinRussia ary nisaotra ireo mpanaraka azy noho ireo firariantsoa ireo [RUS]:

“Спасибо всем, кто поздравил с днем рождения. Это очень приятно. Чесссное слово!”

Misaotra ny rehetra amin'ny firariantsoa. Mahafinaritra. Tena marina !

Ilay tapany farany, angamba, natao fanahy iniana diso tsipelina, ka nahasarika manokana ny sain'ny  Tweeters:

@Act1on [15][RUS]:

soratana miaraka amin'ny ‘t’ ny ‘Honestly’ RT @KremlinRussia “Thank you all for the congratulations. It's very nice. Honesssly!”

@Artem-Radkevich [16] [RUS]:

Biraon'ny seraseram-baovaon'ny Filoha : Manakaiky kokoa ny vahooooaka (peoppple )RT @KremlinRussia “Thank you all for the congratulations. It's very nice. Honesssly!”

@Voffka74 [17] [RUS]:

@KremlinRussia, tsy vitanao ve ny tsy nandiso izany ? Raha tsy hoe angaha heverina ho mahafinaritra ?

Somary nandalina kokoa mikasika ny taorian'ny lanonana ny @Dunya89 [18] [RUS] :

Tsy maintsy nanontaniana mikasika ireo fomba fikarakarana sakafo ialàna tsy ho makafoka ihany koa ny @KremlinRussia ny maraina taorian'ny fankalazana !

Nahazo fanamarihana ihany koa ny kaonty amin'ny teny Anglisy :

@octokiss [19]:

Fitsingerenan'ny andro nahaterahan'i Medvedev ihany koa androany ! ndeha hirary soa ho azy nahatratra ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany ao amin'ny @kremlinrussia_E, mahafinaritra izy, mety izany.

Nandefa karatra Tweet manokana avy any UK i @flowersandfun [20] :

Arahabaina tratry ny fitsingerenan'ny andro nahaterahanao, @KremlinRussia_E. Ity misy karatra fifariantsoa amin'ny fitsingerenan'ny andro nahaterahana izay namboarinay manokana ho anao ! http://is.gd/faBq2 [21]

Dmitri Medvedev's Birthday Card [21]

karatra firariantsoa amin'ny fitsingerenan'ny andro nahaterahan'i Dmitry Medvedev, avy amin'ny Arena Flowers and Fun

Ary Tweet tsara fitahiry avy any amin'ny mpankafy manokana :

@hobophobicx [22]:

@kremlinRussia_E: с днем рождения! ARAHABAINA IANAO MEDVEDEV TRATRY NY FITSINGERENAN'NY ANDRO NAHATERAHANAO! TOHIZO NY MAHA GQMF HBIC AN'I ROSIA . TIAKO IANAO !!! MISIDISIDINA ENY FOANA ~

[Ho an'ireo izay tsy dia mbola zatra amin'ireo fomba fitenin'ny aterineto, toroako hevitra ianao jereo eto [23].]

Tena marina, fa sary lehibe maneho ny fisondrotana avon'ny  fikorinan'ny fifandraisana marindrano , na any Rosia na eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Manjary lasa fenitra tsikelikely ny fifaneraserana mivantana amin'ny olona anarivony maro ary, araka ny naseho, toa miasa tsara ihany ilay izy. Tena nahaliana manokana ny nandinika ireo singa ara-diplomatikan'ny fanjakana tamin'izany, hatramin'ny nipariahan'ny vaovao tamin'ny Tweet-o-sphere ka nahadona olona maro maneran-tany .

Na izany na tsy izany, ny tetikadim-pifaneraserana teny mahomby izay mampiasa ny haino aman-jery ara-tsosialy dia miezaka hanatratra io tanjona io.