- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Honduras: Herisetra hafa indray nataon'ny polisy

Sokajy: Amerika Latina, Honduras, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika

Juan Carlos Rivera [es] [1]sy i Hibueras [es] [2] no mitatitra trangam-pamoretana hafa nataon'ny polisy nandritra ny fihetsiketsehana nataon'ny Mandam-panoherana [3] tao an-tanànan'i San Pedro Sula [4]. Nolazain'i Juan Carlos Rivera moa fa nahatrata roa alina ny isan'ny nandray anjara tamin'ny filaharambe notontosaina tamin'ny 15 Septambra. Namoaka ny sarin'ny fihetsiketsehana sy ny nataon'ny polisy tamin'izany moa ny lehilahy.