Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

20 Septambra 2010

Tantara tamin'ny 20 Septambra 2010

Iran: Hossein Derakhshan (”Hoder”), mpitoraka bilaogy voafonja mety hiatrika fanamelohana ho faty

Loharano iray azo antoka no nilaza tamin'ny Global Voices fa ny mpampanoa lalàna ao Teheran dia mikasa ny hampihatra ny fanamelohana ho faty amin'ilay Iraniana mpitoraka bilaogy Hossein Derakhshan (fantatra koa amin'ny hoe “Hoder”)

Venezoela: Governemanta vs. Tambajotra Sosialy, mitohy ny ady.

Tamin'ny herinandro lasa, ny Filohan'ny kaomisiona Media ao amin'ny Antenimieram-pirenena, Manuel Villalba, dia nanambara fa rahampitso 21 Septambra, dia hametraka fitoriana tranonkala maromaro eo anoloan'ny mpampanoa lalàna. Mety ho tsaroanao angamba, tsy vao voalohany izao no nisy solontenan'ny governemanta Venezoeliana milaza imasom-bahoaka ny ady ataony amin'ny tambajotra sosialy.

Madagasikara : notazonin'ny mpitandro filaminana ny mpanadihady iray mikasika ny fanondranana an-tsokosoko ireo Andramena [hazo “bois de rose”]

Philippines: Namaly taratasy nalefa tamin'ny alalan'ny facebook ny Filoha

Mpikirakira iray avy ao amin'ny Facebook no nandefa taratasy misokatra ho an'ny Filohann'i Filipina nilazàny ny tsy fankasitrahany ny roa volana niasàn'ny governemanta. Lasa nalaza be teo anivon'ny tranonkala ilay taratasy; ary na ny filoha aza dia namaly tamin'ny alalan'ny kaonty facebook-ny.