Tal al-Molouhi, Siriana iray mpitoraka blaogy, dia nosamborin'ny olon'ny Sampan-draharaham-panjakana Siriana miandraikitra ny fandriampahalemana noho izy namoaka tononkalo momba an'i Palestina tao amin'ny blaoginy.
Tal, mpianatra amin'ny ambaratonga ambony, 19 taona, dia nosamborin'ny olon'ny Sampan-draharaham-panjakana Siriana miandraikitra ny fandriampahalemana tamin'ny 27 Desambra 2009, nogiazan-dry zareo ny solosainy. Hatramin'izao izy dia mbola voatàna tsy misy fitsarana sy tsy misy vesatra iampangana, tsy fantatra koa izay momba azy, ka mahatonga an-dreniny nanao antso ho an'ny filoha Siriana mba hamotsorana azy.
Nisy video iray nataona mafana fo Siriana mangataka ny fanafahana azy:
Vide iray hafa koa ao amin'ny Youtube mirary Eid Sambatra ho azy na aiza no misy azy na aiza.
Maro ny Ejiptiana mafana fo sady ùmpitoraka blaogy no miombom-peo hikarakara hetsi-panoherana manoloana ny masoivoho Siriana ao Ejipta.
Ireo mafana fo manerana ny tontolon'ny fitorahana blaogy amin'ny teny Arabo dia samy miantso fanohanana ho azy amin'ny alalan'ny fanaovana sonia ity fanangonan-tsonia ity, sy fandefasana mailaka ho an'ny Masoivoho Siriana any Washington, Imad Moustapha, ary efa amperin'asa ihany koa izao ilay blaogim-panentanana iray mitondra ny anarana hoe Free Tal ao amin'ny Facebook group mba ho fanafahana azy.