- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Telefónica ao Espana sy ny tsy fiandaniana eo amin'ny aterineto

Sokajy: Espaina, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna, GV Mpisolovava

Mbola miresaka tsy fiandaniana eo amin'ny aterineto [1] indray ireo mpitoraka blaogy Espaniola, fa amin'ity indray mitoraka ity dia tsy ny Fankatoavana ny Google-Verizon [2] sy ny politika arosony ao Etazonia no ifantohana, fa zavatra somary akaiky kokoa sy manana fiatraikany haingana amin'izy ireo: Telefónica [3] (ny mpamatsy faran'izay goavana amin'ny resaka fifandraisan-davitra ao amin'ny firenena) sy ny fanehoan-keviny hanafoana ny sarany raikitra ary hanangana kazana tolotra telo rakofan'ny kalitao sy ny fampiasana ireo antontan-kevitra momba ireo  mpampiasa izany.

Juan Varela, ao amin'ny blaoginy Periodistas21 dia manazava [4] [sp] ny votoatin'ity tolo-kevitra ity fa ny Telefonica dia noforonina ho an'ny Komitin'ny  Tsenan'ny Fifandraisan-davitra Espaniola ho an'ireo tolotra vaovao afaka hanolo ireo efa misy ary mikatsaka ny:

Raha ny tena fiafarany, dia ny hanoloana ny aterineto misokatra misy amin'izao fotoana ho tambajotra azon'ny besinimaro idirana malalaka sy ireo tambajotra hafa andoavam-bola: fidirana amin'ny sehatra niomerika sy votoatin-kevitra andoavam-bola. Aterineto mitsipotipotika sy lafo kokoa. Izany ny tanjon'ireo mpandraharaha ny fifandraisan-davitra mba hampidiram-bola bebe kokoa avy any amin'ireo mpanjifa sy mba hahazoana ny anjarany amin'ny fidiram-bola amin'ny votoaty amin'ny aterineto sy ireo tolotra ara-aterineto, indrindra fa ny fahitalavitra sy ny fisintonana horonantsary (P2P na mivantana) sy ny antso mivantana amin'ny aterineto (VoIP), fa misy ihany koa ireo tolotra vaovao amin'ny fitoerana ara-jeografia, ny fampitomboana ny zava-misy, fitsaboana amin'ny alalan'ny fifandraisan-davitra, sy ny sisa.

Manambara ihany koa izy fa “tsinjaraina amin'ny kalitaon'ny fidirana nanaovana fifanarahana sy ny fanjifàna atao ny vidiny sy ny fifanekena, raha hatramin'izao dia ny fidirana amin'ny raitra sy ny haingam-pandeha ihany no fidian'ny olona.” Tokony ho tahaka ity ny fanasokajiana vaovao ireo tolotra:

Nanaparitaka izany koa ny haino aman-jery, nampahafantatra izany tamin'ny fomba toa maneho fa tsy miombon-kevitra amin'izany ry zareo. Publico.es ohatra dia niteny: Dingana voalohany ity mankany amin'ny faran'ny aterineto misy sarany raikitra [5] [sp], ary ny Información.es dia nanome lohateny ny lahatsorany manao hoe: Tsy te-hivarotra ADSL misy sarany raikitra amin'ireo mpandraharaha hafa intsony ny Telefonica [6] [sp]. Raha ny El Pais indray, gazety mpivoaka isan'andro, dia milaza fa [7] [sp] “ny orinasa Britanika eo ambanin'ny Telefonica, dia nanapa-kevitra ny hametra ireo tetikasa aterneto haingam-pandeha misy sarany raikitra rehetra ho an'ireo tokantrano” any UK.

Fa any amin'ireo blaogy sy ireo vohikalan'olon-tsotra mpanao gazety no matetika resahana izany. Ohatra, Pau Llop ao amin'ny  Bottup.com dia namoaka lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Tsy fiandaniana ao amin'ny Aterineto: Hamela azy ireo hanala izany ve isika? [8] [sp] izay nilazany fa:

Ny adihevitra, nofohazin'ny Telefónica indray, dia mifantoka amin'ny: “izay mandany betsaka dia mandoa betsaka.” Manolotra hevitra izy ireo ny hanafoanana ny sarany raikitra miaraka amina fialan-tsiny vendrana hoe misy ireo olona no “mampiasa bebe kokoa ny aterineto” ary ny sasany “izay mijery mailaka fotsiny.” Ity no dingana voalohany. Raha manaiky ny hevitra hoe “iza no miraharaha? Izaho tsy misintona sarimihetsika” isika, dia tsy hijanona ela ho tsy mpiandany amin'ny ambaratonga voalohany intsony ny aterineto ary atsy ho atsy dia ho avy ny fanaraha-maso ny aterineto ho tombontsoan'ireo mpandraharaha ara-barotra sy ireo mpampiasa vola aminy.

Avy eo izy dia nanome sosokevitra mikasika ireo hetsika azontsika atao mba hampitomboana ny fahatsiarovan-tena mikasika ity resaka ity:

Mbola mihantona ny valinteny ofisialin'ny mpandraharaha tamin'ny fanehoan-kevitra nataon'ny Telefonica, fa ny ankabeazan'ireo mpitoraka blaogy dia mieritreritra fa raha tsy misy fahatsiarovan-tena amin'ny sehatra rehetra  mikasika ny tena dikan'ny tsy fiadaniana ao amin'ny aterineto dia ho ekena mora foana ity soso-kevitra ity.

Ireo lahatsoratra hafa momba ity foto-kevitra ity (amin'ny teny Espaniola):

De todo un poco: Idea contra la ruptura de la neutralidad de la red: nacionalización de la red de cobre [9]
Error500: ¿Quién controlará el marketplace de los servicios premium en internet? [10]
Nación Red: El debate sobre el final de la tarifa plana inflama la red y llega a los editoriales de la prensa más tradicional [11]
Planeta Media: El Futuro de los Servicios Premium [12]
Consultoría Artesana en Red: Internet, más que nunca antes, un derecho [13]
Enrique Dans: Telecomunicaciones y futuro [14]
Libertad Digital: Los límites a la tarifa plana [15]
BandaAncha.eu [16]

Ny sary nampiasaina ho sary famantarana dia nalaina tao amin'ny Bottup [17].
Misaotra an'i Silvia Viñas [18] sy Leila Nachawati [19] tamin'ny fanampian'izy ireo namerina namaky ny dikantenin'ity lahatsoratra ity hifanaraka amin'ny lahatsoratra fototra niaingana [20].