- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sina: Mendrika ny hahita masoandro mihiratra i Tian Xi

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fahasalamàna, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Zon'olombelona

Tamin'ny 4 Septambra aho nahazo ity sary ity tamin'ny fitoraham-blaogy kiritika sina [1].

[2]

Ilay zazavavy dia mitàna baoritra ahitàna ny soratra hoe: Vonjeo dadatoa Tian Xi! Dadatoa Tian Xi tsy maintsy faly ianao! Ny “Xi” dia midika “hafaliana” amin'ny teny sinoa. Izany no fanantenan'ireo ray aman-drenin'i Tian mba hananany fiainan-tsambatra nefa nitondra azy tany amin'ny làlana mifanohitra amin'izany ny zava-misy.

I Tian Xi, 23 taona dia mararin'ny SIDA izay tratran'ny VIH tamin'ny taona 1996 rehefa namindrana rà tany amin'ny tobim-pitsaboana iray any amin'ny faritr'i Xincai, faritanin'i Henan. Nosamborin'ny manampahefana izy tamin'ny 17 Aogositra noho ny fanimbàna fanànan'olona ka nafindra tany amin'ny Tobim-pitazonana ireo voampanga tamin'ny 25 Aogositra.

Mba hamonjena an'i Tian Xi, ny rainy dia nihaona tamin'i Wang Keqin, mpanao gazety malaza sady mpitoraka blaogy izay nanampy ny rain'i Tian hanazava ny toerana nisy azy tamin'ilay tantara [3] tao amin'ny blaoginy:

7月23日,在北京的田喜接到新蔡县县委书记贾国印的短信,大意如下:你是大学生,你应该知道怎么办,你回来我们会解决你的问题,星期一你到我办公室找我。
“县委书记亲自发短信给田喜,这是我们上访维权6年来的头一回啊。我们觉得政府是真的要解决问题了,田喜立马就从北京赶回了老家。”田父说。
7月26日,星期一,田喜如约赶到县委书记办公室,但是并没有见到书记。县委其他同志说贾书记开会去了。
于是田喜给贾国印发短信询问。贾书记回复要田喜再等一周,下个星期一再去办公室找他。
8月2日,第二个星期一,上午8时30分田喜赶到县委书记办公室。但让他失望的是,贾书记又没出现,其他工作人员说贾书记又开会去了。

Tamin'ny 23 Jolay, Tian Xi izay nianatra tany Beijing, dia nahazo simaiso avy amin'ny Jia Guoyin, sekreteran'ny Antoko any amin'ny faritr'i Xincai, manao hoe: Amin'ny maha-mpianatry ny anjerimanontolo anao, fantatrao izay tokony atao hamahana ny olanao. Tongava any amin'ny biraoko amin'ny Alatsinainy.
Nilaza ny rain'i Tian: “Hatramin'izay enin-taona nanaovana fangatahana izay, fotoana voalohany izao nandefasan'ny sekreteran'ny antoko any amin'ny faritra simaiso ho an'i Tian. Nino izahay fa ho voavaha tanteraka ny olana. Nody avy hatrany i Tian taorian'ny nahazoany ilay simaiso”.
Ny Alatsinainy 26 Jolay, nankany amin'ny biraon'ny sekreteran'ny antoko i Tian nefa nilaza ireo tompon'andraikitra fa lasa nivory ny sekretera Jia. Nandefa simaiso tany amin'i Jia i Tian, izay nilaza taminy ny mba handalovany any amin'ny birao indray ny alatsinainy taorian'io.
Ny alatsinainy manaraka, 2 Aogositra, tonga tany amin'ny biraon'ny sekretera i Tian tamin'ny 8ora sy sasany maraina.  Tsy nipoitra mihitsy anefa i Jia. Nanazava indray ireo tompon'andraikitra fa sahirana amin'ny fivoriana izy.

Noho ireo fanafody fanefitry ny SIDA azon'i Tian avy any Beijing efa ho lany, nanapa-kevitra ny haka fanafody any amin'ny tobim-pitsaboana any an-toerana izy, izay tompon'andraikitry ny fikarakaràna azy amin'ny aretiny.

8月2日当天从县委大楼出来后,田喜去了新蔡县第一人民医院,田喜就是在这家医院输血感染HIV病毒的。
田喜来到李俊州院长办公室,希望借点药,并要求医院给予赔偿。李院长告诉田喜有事找县领导,医院不管,起身离开了办公室。
“田喜很生气,把院长办公桌上的东西推到地下,有电脑、传真机、电话等。”“后来估价3000多元。”田父一字一句地向冯军说。
8月5日和6日,田喜又两次来到李院长办公室。李院长还是避而不见,锁上办公室的门,不让田喜进去。
“一怒之下,田喜用东西把院长办公室门上的锁眼堵了。”

Rehefa nandao ny tranobem-panjakàna tamin'ny 2 Aogositra i Tian Xi dia nankany amin'ny Tobim-pitsaboam-bahoaka voalohany any an-tanànan'i Xincai. Tao amin'io tobim-pitsaboana io no nahazoan'i Tian Xi ny VIH.
Nankany amin'ny biraon'ny lehibe, Li Junzhou, i Tian Xi nangataka fanafody sy famatsiam-bola. Nasain'i Li niresaka amin'ny mpitarika ny governemantan'ny faritra izy ary nandao ny birao.
Nilaza ny rain'i Tian: tezitra mafy i Tian Xi ary nanositosika ireo zavatra rehetra teo ambony latabatry ny lehiben'ny hopitaly hilatsaka amin'ny tany, anisan'izany ny solosaina, masinina fandefasana fax ary telefaonina. Taorian'izay dia voatombana ho 3000 RMB teo ho eo ny vidin'ireo zavatra simba.
Tamin'ny 5 sy 6 Aogositra, nankany amin'ny biraon'i Li indray i Tian Xi. Nandà ny hihaona aminy ankefa i Li ary nanidy tena tao amin'ny birao. “Noho ny hatezerany, nopotehan'i Tian Xi ny hidim-baravaran'ny lehiben'ny hopitaly”.

Ny 6 Aogositra tamin'ny 4ora tolak'andro, nosamborin'ny manam-pahefana any an-toerana tsy misy fanazavàna i Tian. Ny ampitson'io, nandefasana antontan-taratasy roa ny renin'i Tian manambara fa voatana mandritra ny 15 andro i Tian noho ny zavatra nataony tamin'ny lehiben'ny hopitaly. Ny andro manaraka io, naaton'ny manam-pahefana ny fitànana ary nalefa nody i Tian. Nefa eo ambany fanaraha-mason'ny manam-pahefàna kosa ny fianakaviany. Ny 17 Aogositra, nosamborin'ny manam-pahefàna indray i Tian, noho ny fanimbàna fanànan'olona kosa tamin'ity indray mitoraka ity. Nivoaka tamin'ny 22 Aogositra ny taratasy fisamborana azy.

Maro ireo mino fa firaisana tsikombakomba amelezana an'i Tian Xi izao fisamborana izao noho izy lasibatra voalohany amin'ny “fanaraha-maso ny filaminana”. Araka ny tatitry ny governemanta [4] any an-toerana ho an'ny governemantan'ny faritra natao tamin'ny 9 Jolay, Tian Xi

“近期连续两次在京非访(即非法上访),给当地政府对他的监管带来很大的不便。建议:公安机关介入,完善材料,予以打击。”

dia tafiditra tao amina raharaha tsy ara-dalàna vao sy ela ary nanome fahasahiranana maro ho an'ny governemanta amin'ny fanaraha-maso ny filaminana. Torohevitra: Ilaina ny fandraisan'anjaran'ireo manam-pahefàna. Antontan-taratasy feno ilaina hahatratrarana azy.

Ireo Fikambanana tsy miankina sy ireo tambazotra, toy ny Love Knowledge Action [5] sy ny China AIDS Group, dia nanao fanambaràna mitaky ny famotsorana an'i Tian Xi noho ny antony ara-mahaolombelona. Ireo mpahay lalàna momba ny zon'olombelona koa dia nanamarika fa ny fitànana dia rehefa misy fanimbàna fananan'olona mitentina maherin'ny 5000RMB ihany vao mihatra.

Teraka tamin'ny 3 Janoary 1987 i Tian Xi. Tamin'ny Martsa 1996 tamin'izy 9 taona, niharan'ny loza izy ary nanambara ny mpitsabo avy ao amin'ny Tobim-pitsaboam-bahoaka voalohany any amin'ny faritr'i Xincai fa misy fahasimbàna kely ny sain'i Tian ary nanolo-kevitra ny hamindrana rà izy hitsaboana izany. Nanomboka tamin'izay, niha-nalemy ny vatan'i Tian Xi. Ny 12 Jolay 2004, fantatr'i Tian Xi fa mitondra ny tsimok'aretina VIH izy tamin'ny alalan'ny fizahàn-drà ary nahazo fitsaboana maimaimpoana avy amin'ny tobim-pitsaboana any an-toerana.

Ny volana Septambra 2004, ny fianakavian'i Tian dia nanao fangatahana famatsiam-bola 1 tapitrisa FMB tamin'ny fitsaràna tany amin'ny faritra nefa notsipahana tsy misy fanazavàna izany. Nanomboka tamin'izay no nanombohan'izy ireo nametraka fangatahana tany Beijing. Tamin'ny 2005, tafiditra tany amin'ny anjerimanontolo tany Beijing i Tian ary lasa mafana fo amin'ny ady amin'ny SIDA. Nibilaogy momba ny fitakiana ny marina izy ao amin'ny TianXi sy ny HIV [6].