Tantara tamin'ny 10 Septambra 2010
Maraoka: Mpitoraka bilaogy maharay fandrahonana ho faty

Lahatsoratr'i Hisham nivoaka tao amin'ny Advocacy ny 10 Sep 2010 Kacem dia Maraokana iray mpitoraka bilaogy sady mafana fo, nahitàna fampahafantarana toy izao tamin'ny tranonkalany, Bahmout, mivaky hoe: “tsy manaiky...
Afrika: Mizara ireo fahatsiarovan-dry zareo ny fahazazany amin'ny aterineto ireo Afrikana
Bilaogy iray ahitana andian-dahatsoratra nosoratan'ireo Afrikana manerana an'izao tontolo izao mikasika ny fahazazany ny That African Girl . Bilaogy iray mikasika ny fitomboana tao anatina fianakaviana Afrikana sy ny fianarana miaina ao anatina tontolo roa izy io . Efa nipetraka tany Afrika sy tany Andrefana ireo mpitoraka bilaogy izay mizara ireo fahatsiarovany ao .
Ejipta: horohoro vaovao indray ho an'ny fahalalahan'ny aterineto

Ao anatin’ny andrana vaovao hametraka sakantsakana amin’ny aterineto ao Ejipta lazaina fa hoe hanaovana izay hiarovana araka ny lalàna ny fizaka-manana ara-tsaina dia namoaka fanapahan-kevi-panjakana ny Ministeran’ny kolontsaina Ejiptiana tamin’ny 31 Aogositra 2010 mba hamafàna ireo tranonkala rehetra mamoaka sary sy feo tsy mifanaraka amin’ny lalàna (lah:28) mifehy ny fizaka-manana ara-tsaina navoaka tamin’ny 2002 tao Ejipta