Miaina iray amin'ireo loza voajanahary goavana indrindra nikapoka ny firenena i Meksika amin'izao fotoana izao. Ny gazety Meksikana Milenio [es] [1] nanamarina fa tamin'ireo firenena roa niharan'ny tondra-drano, Veracruz [2] sy Tabasco [3], mihoatra ny 25000 ireo olona tsy maintsy nandao ny fonenany, satria efa hirodana tsy ho ela ny fefilohan'i “Temazcal” sy “Cerro de Oro” noho ny hamafin'ny herin'ny rotsak'orana.
Nitsikera ny loza miatra amin'ireo fonenany ireo mpampiasa Twitter, tahaka an'i Marisol Montúfar (@hereismarisol), izay nanoratra [es] [4]:
Viviendo sentimentos encontrados, amo la lluvia pero es una verdadera pena lo que esta pasando en #Tlacotalpan [5]
Mampitaha [es] [6] iny zava-nitranga iny tamin'ilay horohoron-tany tany Haiti i NicteTapiaKim (@NicteTapiaKim):
Cuando lo de Haiti, camiones y camiones llenos de ayuda, y ahora que nosotros la necesitamos no hay!!! #veracruz [7] #lluvias [8] #inundacion [9]
Araka ny Agence Fanaovan-gazetyPrensa Latina [es] [10], mbola ratsy noho izay noeritreritina ny fatiantoka ara-ekonomika: “Ny manam-pahefana Meksikana dia nitatitra ny fahaverezana vola mitentina aman-tapitrisa noho ireo rotsak'orana mahery, ireo fokonolona 25 ao amin'ny firenen'i Veracruz dia mila 131 tapitrisa dollars fara-faha keliny hanamboarana ny fahasimban'ny fitaovana.”
Tamin'ny herinandro lasa teo, mba hampiseho ny firaisankinany noho ny faneren'ny olona be fangatahana, nandeha tany Tlacotalpan, Veracruz [11] ny Filoha Felipe Calderón izay nahatratra iray kilometatra manodidina ny rano sy ireo arabe tondraka. Araka ny voalazan'ny El Universal [es] [12], nahatratra teo amin'ny 1 ka hatramin'ny 1.5 metatra teo ny ahavon'ny rano.
Ao amin'ny Twitter, nahatonga ady hevitra ny fitsidihan'i Caderon. Mampahafantatra [es] [14] i Manuel (@mdgo80):
Dicen que el agua en #Veracruz [15] no supera los 30 cms, lo midieron con las rodillas de #Calderón [16]
Misalasala ny sasany amin'ireo mpampiasa, satria mino izy ireo fa raha niseho i Calderón dia ho an'ny gazety fa tsy hampiseho ny firaisan-kinany amin'ny fandehanana tany amin'ireo arabe tondraka. Nanoratra [es] [17] i Mario Vázquez (@MMarioVazquez):
¿A que fué Felipe Calderon a Veracruz? R= a tomarse la foto
Nefa i Pachicle (@Pachicle) kosa dia manana fibanjinana hafa [es] [18]:
Esta Enderezando el Rumbo Calderon, Agarra a la Barbie y se Mete al Agua en Veracruz a las Calles Inundadas, No Kiere Perder la Presidencia