Tantara tamin'ny 08 Septambra 2010
Meksika: Niteraka tondra-drano ny firotsahan'ny orana be loatra tany Veracruz sy Tabasco
Niresaka mikasika ny tondran-drano mahery tany amin'ny firenen'ny Mexican Twitter users are reacting to heavy flooding in the states of Veracruz sy Tabasco ireo mpampiasa Twitter Meksikana. Nitsikera ny fitsidihan'ny Filoha Felipe Calderón tany amin'ireo faritra tondraka tany Veracruz ihany koa izy ireo.
Venezoela: Nodimandry i Franklin Brito taorian'ny fitokonana tsy hihinan-kanina maromaro nataony
Maty noho ny tsy fahafahany miaina intsony tany amin'ny hopitaly miaramila ny alin'ny Alatsinainy i Franklin Brito Tantsaha Venezoeliana raha nanomboka nitokona tsy nihinan-kanina izy tamin'ny Jolay 2009 . Niaina tanaty fitokonana tsy mihinan-kanina maro i Brito nanohitra ny fakan'ny fanjakana ny taniny. Manao hetsika noho ity filazana mikasika ny nahafatesany ity ireo Venezoeliana amin'ny alalan'ny Twitter sy ireo bilaogy .
Rosia: Ny fitantaran'ny olona iray avotra tamin'ilay fahirano tany amin'ny Sekoly tany Beslan

Zazavavy 13 taona hanomboka hiditra kilasy fahasivy indrindra i Agunda Vataeva (LJ user agunya) ny 1 septambra 2004 andro izay nanaovana azy ny reniny ary olona maherin'ny 1,100 hafa ho...
Oman: fandraràna ny VPN tsy ho ela

Tamin'ny trangana sivana aterineto farany tany Oman, ny Fahefàna Mpanara-maso ny Fifandraisan-davitra any Oman dia nanambara ireo tetik'asany handràra tanteraka ny fampiasàna ireo Tambazotra Virtoaly Mitokana (VPN) ary hitaky ireo...