Filipina: niafara tamin-kerisetra ny fakana takalon'aina

Olona folo no maty tamin'ny fakana takalon'aina tany Manila, Filipina raha nanodina fiara fitateram-bahoaka nitondra mpizaha tany ny lehilahy efa polisy taloha, tamin'ny Alatsinainy maraina. Ireo mpizaha tany avy any Hong Kong no tra-doza.

Nesorina tamin'ny andraikitra nomena azy ny Kapt. Rolando Mendoza, polisy manamboninahitra, tamin'ny taona 2008 taorian'ny nahavoarohirohy azy tamin'ny fanodinkodinam-bola sy ireo tranga misy ifandraisany amin'ny rongony. Mihevitra i Mendoza fa tsy rariny ny natao azy ary nangataka izy ny hijerena indray ny mikasika azy. Maty novonoin'ireo hery SWAT i Mendoza izay namarana ny krizin’ ny fakana takalon'aina nandritra ny adin'ny 11.

Ity ny zava-niseho tamin'io fotoan-dehibe io izay nahazendana ny tany Filipina, Hong Kong ary izao tontolo izao. Araka ny efa nandrasana, nanjary lohahevitra vaovao eo amin'ny twitter izany omaly niaraka tamin'ireo Filipiana mandalina sy manao hetsika mikasika ity loza ity.

ny fampisehoana ny sarintany amin'ny fahitalavitra

Ireto misy ny fihetseham-pon'ireo twitter sasany :

ang_mungo: Tsy misy azoko omena tsiny — na ny Filoham-pirenena, na ny haino aman-jery, na ny polisy, na ireo natao takalon'aina. Mahatsiaro fotsiny aho hoe diso koa aho nijery ny zava-niseho .
Iambazooka: @darylmakesmyday: Marina ny anao . Iray amin'ireo maraina nampalahelo indrindra teo amin'ny firenena iny. Natahotra be ireo takalon'aina, nidiran-doza ary nalahelo .:(
roberthernjr: Fitiavana fa tsy fankahalana sy hatezerana, vavaka fa tsy sazy na fitsarana, izany no tena ilaintsika kokoa noho ny zavatra rehetra tao amin'ity tantara ratsy fakana takalon'aina ity .

Olona betsaka no diso fanantenana tamin'ny fomba nitantanan'ny polisy ny zava-nitranga

jacongking: Tokony azo nakana lesona tsara ho antsika izay tena TSY MAINTSY ianarana iny krizy fakana takalon'aina nanakorontana iny. Mila fanazarana amin'ny toe-draharaha mafana toy ireny ireo polisintsika
mErv_aka_sHia: haiz…mbola mandeha eny rehetra eny ny vaovao mikasika ny zava-nitranga omaly.. tena mandiso fanantenana mihitsy ny fomba nitantanan'ny pnp (Polisy Nasionaly Filipina) ny krizin'ny fakana takalon'aina ..tsk tsk!!mampalahelo
chOkOLeit2010: Voalohany Fahafaham-baraka tamin'ny fampijaliana, avy eo ny Fakana takalon'aina . Polisy Polisy, inona koa no mbola ao anatin'ny lisitry ny adalan'ny polisy ?☹
bnievera:Andao hanaovana fitsapana ara-psykolojia ny herin'ny polisy iray manontolo/PNP. Amin'ny maha mpaka takalon'aina na lazaina fa mpamonjy olona azy ireo, misy zavatra tsy mety eo amin'izy ireo .

Ary nampangaina ho nanakorontana ireo tetik'ady/ ireo fomba fiadin'ny polisy ny haino aman-jery, indrindra ny fahitalavitra sy ny tambajotram-pampielezam-peo

carlosconde: taitra tamin'ny feon'ny rain'ny takalon'aina iray izay nitomany teo amin'ny fahitalavitra aho raha nanontanian'ny mpanao gazety izy mikasika ny fihetseham-pony . Izany matetika no mahatonga ny olona hankahala ny fahitalavitra.
bytesizedpieces: Ny fanafenana ny loharanom-baovao ihany ve no azo ekena raha toa ka tafiditra ao anatin'izany koa ny fiainan'ny mpanao gazety? Omaly, fitantarana mivantana amin'ny fahitalavitra no nanjary nivadika ho ratsy .
tonyocruz: Mila mijery tsara ny fomba fandrindrany ny asany ireo mitazona toerana ambony indrindra ao amin'ny haino aman-jery, ireo talen'ny fanoratana sy ireo mpanao gazety raha tsy izany dia ho tototry ny asa izy ireo na tsy ho ampy izany. Ananantsika trosa izy ireo amin'izany .
obakesan: Nimenomenona indray ny haino aman-jery tamin'ny maraina namaly mikasika ny fakana takalon'aina. Sahala amin'ny hoe hanampy ny olona ny asa tsaran'izy ireo sy ny fanadihadian'izy ireo manakoako mikasika ireo zavatra rehetra

Efa namoaka hevitra sahady ny Filoha Noynoy Aquino milaza ny alahelony mikasika ny zavatra niseho omaly. Fa mbola misy ireo mpampiasa Twitter izay tsy afa-po amin'ny fihetseham-pony

aresgutierrez:Tsy afa-po amin'ny w/PAGASA (biraon'ny toetr'andro ) ny filoha Noy & noroahiny ny filohany ; ankehitriny izy tsy afa-po amin'ny MPD (Distrikan'ny Polisy Manila ), dia ho voaraoka koa ve ny Jeneraly Magtibay ?
Karen_DaviLa: Diso fanantenana tamin'ny fomba nitantanana ny fakana takalon'aina ny Lehiben'ny Fanapahana any Hong Kong Donald Tsang. Nilaza izy fa niezaka niantso an-tariby an'i PNoy ( Filohan'i Filipina), fa tsy nahazo azy

Betsaka no taitra fa vetivety dia nivoatra ny kilalao indray mielatra naorina tamin'ity zava-niseho mikasika ny fakana takalon'aina ity .

Namoaka ity taratasy misokatra ity i Reigno Jose Dilao, mpitoraka bilaogy tanora

Mangataka amin'ny fomba feno fanajana ny sain'izao tontolo izao aho. Aza tsaraina na haratsiana re izahay amin'ny zavatra nitranga halina. Nanao fikarohana tao amin'ny Aterineto aho ary nahita zavatra maro nahatsiravina .

Tsy afaka ny hanome tsiny anao aho ny amin'ny fanapahan-kevitrao fa manantena kosa aho fa mahazo izany tsara izany. Milomano anaty ranomasin'ny olana ny firenenay amin'izao fotoana izao. Ary fantatro tsara mihitsy fa manampy anao izahay na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana. Avelao ny fiadanana sy ny fahalalana hanjaka amin'ity indray mitoraka ity .

Mangata-pamelana i Reyjr in amin'ny anaran'ireo Filipiana hafa

Miala tsiny aho raha nahita ny fifampiraharahana tsy nampoizina mikasika iny takalon'aina nanjary naloton'ny tsy fahaiza-mitantana nataon'ny olona tompon'andraikitra tamin'iny zava-niseho iny ianao .

Miala tsiny aho raha nahita iny fampisehoana ny tsy fahaizana mahatsiravina iny ianao – sy ireo fanandramana miverimberina tsy mahomby amin'ny fikasana hanokatra ny varavaran’ ilay fiara fitateram-bahoaka, ary isao, impiry ilay polisy no nandatsaka ny famakiny raha izy niezaka ny hamaky ny fitaratry ny fiara eo aloha iny.

Tsy manana teny hafa aho, ary tsy misy teny hankaherezako ireo very olon-tiana tamin'iny. Tonga taty amin'ny fireneko izy ireo amin'ny maha-mpizaha tany azy hiala sasatra – nefa nody any aminy tanaty vatam-paty izy ireo .

Duìbùqǐ. Miala tsiny aho .

2 hevitra

  • I wish to convey my respect for your kind-heartedness giving support to all those that actually need help on that area of interest. Your very own commitment to passing the solution all over turned out to be definitely insightful and has in most cases enabled associates much like me to reach their aims. Your own interesting tutorial indicates so much a person like me and even more to my office workers. Thanks a lot; from all of us.

  • I’m not sure exactly why but this web site is loading extremely slow for me. Is anyone else having this problem or is it a problem on my finish? I’ll check back later and see if the problem nonetheless exists.

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.