- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita: Antso ho an'i Obama hamoahana an'i Humeidan Al-Turki

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Mediam-bahoaka, Vonjy Voina, Zon'olombelona

Namoaka fanentanana hatolotra ny Filohan'i Etazonia Atoa Barack Obama ny firenena Saodita, nangataka azy mba hamoaka ny gadra Saodiana Humeidan Al-Turki [1]. Al Turki, mpianatra PhD any Kolorado, dia voasazy 28 taona an-tranomaizina noho ny fanolanany ny mpiasany.

Ity fanentanana fiantsoana ny famoahana azy ity dia nanomboka raha nanoratra izany tao anatina lahatsoratra herintaona lasa izay ilay mpisolo-vava tanora malaza Najeeb Alzamil [2]: “Ireo mpampiasa Facebook.. Hafatra ho an'i Obama: Havoahy Humaidan.” (Ar) [3] nanintona mpankafy mihoatra ny 18.000 ity fanentanana ao amin'ny Facebook ity. Horonantsary fohy, Mampisongadina an'ireo olo-malaza Saodiana, na ara-pinoana na ara-piaina, voasoratra sy narindran'i Almuhannad Alkadam [4] dia hitan'olona mihoatra ny 200.000 tao anatin'ny roa andro fotsiny. Mampisongadina ny zanakavavin'i Alturki, Ruba, ihany koa izany izay miresaka mikasika ny fitomboana tsy eo anilan-dray. Lasa dokambarotra an-tserasera teo amin'ny fiaraha-monina izany horonantsary izany ary navoakan'ireo Saodiana tamin'ny karazana valan-tserasera manerana ny aterineto: Facebook, Twitter ary Tumblr. Ao amin'ny rindrin'ilay fanentanana ao amin'ny Facebook [5] dia manoratra i Noonh Mohmmed:

ولله ان تدمع عيني كل ماشفت عياله .. الله يفك اسرك
Isaky ny mahita ireo zanany aho dia milatsaka ny ranomasoko. Manantena aho fa hivoaka atsy ho atsy izy.

Midera ity fanentanana ity i Aseer Almahba ary manantena fa ho tonga any amin'ny filoha Amerikana izany:

الله يفوق كل من قام بهذه الحمله

وان شاء الله الحمله تحقق المرغوب به
Hamaly soa ireo nikarakara ity fanentanana ity anie Allah, ary manantena izahay fa hahatratra ny tanjony izy io.

Ary tratran”ity horonantsary ity sy ireo vaovao mikasika ilay fanentanana koa ireo gazety tao an-toerana, tahaka ireo iraisampirenena, araka ny tatitry ny CNN [6].

Ao amin'ny Facebook, miezaka ny hahatratra Amerikana maro ireo mpankafy amin'ny firesahana ao amin'ireo pejy Amerikana isan-karazany ary mampirisika azy ireo hanaparitaka izany filazana izany.

Araka ny voalazan'i Swaier Nwaier, nandefa rohy ho an'ny mpankafy azy mankany amin'ilay horonantsary i Okhlahoma:

ولاية أوكلاهوما” ارسلوا للمعجبين بالرسائل لهم الله يوفقكم عن الحملة
Ny fanjakan'i Okhlahoma dia efa nandefa azy ho an'ny mpankafy.

Na dia izany aza, tsy ireo Saodiana rehetra no faly amin'ity horonantsary sy ireo voasongadina ao amin'izany. Ao amin'ny takelaka fanentanany ao amin'ny Facebook i Abdularahna Aljaser no mizara ny heviny tamin'ny fahitany ny endrika Shiita, Alsaffar:

للأسـف أصبح / الصفّار ممن يثق بـه !!
Indrisy, efa voasokajy ho isan'ireny tokony hitokisana ireny i Alsaffar amin'izao fotoana!!

Ary ao amin'ny Twitter, nanana ho tenenina mikasika ilay horonantsary fohy ny mpahay lalàna Saodiana [7]:

لدي العديد والعديد من الملاحظات على فلم “أوباما أطلق حميدان” لكن الفلم أطلق وانتهى الموضوع ولا نملك سوى التعاطف مع حميدان وأسرته الآن
Manana tsikera maro dia maro mikasika ilay horonantsary aho. Nefa efa nivoaka ilay horonantsary amin'izao fotoana ary ny zavatra sisa azontsika atao dia ny mifanaraka amin'ny fianakavian'i Humeidan sy ny tenany.