Tantara tamin'ny 06 Septambra 2010
Egipta: “Te-hanam-bady aho”; hatrany amin'ny blaogy ka hatrany amin'ny fahitalavitra
Maherin'ny roa taona lasa izay dia nivoaka ho boky ny blaogy egiptiana iray milaza tantara fohy mahatsikaky momba ny fisasaran'ny tovovavy iray mitady vady mendrika. Tamin'ity taona ity izy navadika ho tantara mitohy amin'ny fahitalavitra, izay aseho manerana ny tontolo Arabo amin'ity Ramadana ity.
Mozambika: Herisetra, hatezerana any Maputo
Raha tonga ny alina amin'ny andro faharoan'ny korontana feno herisetra, mbola mitoetra ny fisalasalàna any Maputo. Mbola miketrika mafy mandevina sy mandalina ireo fototr'ireo korontana ireo mpitoraka blaogy, izay natosiky ny fiakaran'ny vidim-piainana. Zavatra iray no azo antoka: niteraka fanontaniana lalina momba ny toerana misy ny firenena ara-politika, sosialy ary toe-karena izany.
Arabia Saodita: Antso ho an'i Obama hamoahana an'i Humeidan Al-Turki
Namoaka fanentanana hatolotra ny Filohan'Etazonia Barack Obama ny firenena Saodia, nangataka azy mba hamoaka ny gadra Saodiana Humeidan Al-Turki. Al Turki. Lasa "viral" ilay horonantsary ary manatena ireo mpanohana fa hahatratra ny tanjony izany.
Azia Atsimo-Atsinanana: Durian, ny “mpanjakan'ny voankazo”
Ny durian no "mpanjakan'ny voakazo" any Azia Atsimo-atsinanana. Fantatra amin'ny fofony sy ny tsirony mahery izy, izay itiavana sady ankahalàn'ny olona maro azy. Ato amin'ity lahatsoratra ity, mizara ireo 'tantaran'ny durian' ireo mpitoraka blaogy.
Korea Atsimo: Tatitra toetr'andro mivantana amin'ny alalan'ny Twitter mandritra ny rivo-doza Typhoon
Ny tanàn-dehiben'i Seoul dia nandalo ny iray amin'ireo lozam-pifamoivoizana ratsy indrindra tao anatin'ny folo taona noho ny fandalovan'ny rivo-doza tao amin'ny firenena. Na izany aza ireo mpi-tweet (mpandefa bitsika) dia nanampy tamin'ny fandaminana izany tamin'ny fandefasana ny toetoetry ny làlana, ny fampakarana mivantana ny sarin'ireo manodidina ary ny fizaràna torohevitra ho fisorohana.