- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malezia: Aiza ny Fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety amin'izao fotoana izao?

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Fahalalahàna miteny, Politika

Iza no firenena sisa tsy ao anatin'izany ? Tanzania, Oganda, Zambia sy Malezia. Eny ary, andao atao hoe mpanoratra ratsy toetra aho ka te hanaratsy ny fahalalana ankapoben'ny firenanao fotsiny ary miezaka ny mandresy lahatra ahy ianao amin'izay zavatra fantatrao. Ka hoe miroborobo ara-toekarena kokoa any amin'ny faritr'i Azia Atsimo Atsinana i Malezia, manana foto-drafitr'asa mandroso izy, miaraka amin'ny tahan'ny fahantrana ambany tena ambany , hmm… mety hiteny koa aza ianao hoe demokratika kokoa izy. Nefa ny hafa indrindra amin'izany, mbola eo amin'ny toerana ambany kokoa noho i Tanzania, Oganda sy Zambia i Malezia raha eo amin'ny laharan'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety [1].

Araka ny azavain'ny famelabelarana mikasika ny fahalalahana eo amin'ny asa fanaovan-gazety any Malezia vao haingana, misy telo ireo vahaolana azo dinihina :

1) Hanohy hiady ny sarotra indrindra amin'ny alalan'ny haino aman-jery amin'ny aterineto ireo antoko mpanohitra, taorian'ny nahazoan'izy ireo ny fahafahana voafetra hanao vaovao vita pirinty sy an-tserasera

2) Na dia teo aza ireo fangatahana na ireo zava-misy mikasika ny fanohanana ny fahafahan'ny haino aman-jery, manohy mitazona ny teny farany ihany ny governemanta mikasika ny fanaraha-maso ny haino aman-jery, momba ireo vaovao sy ireo famoahana an-gazety .

3) Tsy ho tanteraka mihitsy ny fanivanam-baovao raha mbola tsy voasakana ny Aterineto. Handranitra ireo hevitry ny maro ireo mpampiasa Aterineto izay mitombo isa sy ireo mahaleo tena amin'ny aterineto ary hanindry ny governemanta .

Raha navoaka aloha tamin'ity taona ity ny famantarana farany ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, mailaka ery ireo mpanao politika mpanohitra [2] nanao hetsika tamin'ny alalan'ireo vavahadin-tseraseran'ireo antoko amin'ny aterineto sy ireo bilaoginy manokana. Nihamafy ny kian'izy ireo tamin'ny aterineto raha vao taraiky ny governemanta amin'ny fanapahan-keviny mikasika ny hanavaozana indray ny lisitry ny mpanohitra [3], ary niteraka fotoana feno hatezerana sy fanaratsiana tamin'ny alalan'ny haino aman-jery amin'ny aterineto ny fanafoanana ireo sary miaina fandranitana ara-politika. Mamaly [4] toy izao i Lai, mponina :

‘Afaka mandresy lahatra ny vahoaka hanohitra ireo mpitondra sy ireo politikan'ny governemanta’ no antony nolazain’ ny governemanta, na hino ianao na tsy hino… Mety hahatonga ny vahoaka hanohitra ve ireo sary miaina? Hay! fitaovam-piadiana vaovao vao hita e ?

Ny mahaliana, ankoatra ny tetik'ady ara-tserasera hanakianana ny sivana, dia nandray fanapahan-kevitra mbola tsy nisy nanao hametraka ny Fahalalahana hahazo sy hampiely vaovao [5] ny mpitarika ny mpanohitra iray, volavolan-dalàna hanokafana ny vaovao natokana ho an'ny seha-pitantanana ho hitan'ny rehetra. Hoy [6] i Anil raha tsy faly amin'ny solontenan'ny governemanta nandà ny volavolan-dalàna izy :

Andro manan-tantara ho an'ny firenena ny andro androany mikasika ny fikarohantsika ny fiaraha-monina tompon’ andraikitra kokoa …

Koa satria moa miparitaka izaitsizy ny vavahadin-tserasera mahaleo tena sy ny fampitan'olo-tsotra vaovao, mamisavisa [7] toy izao i Gopal Krishnan :

Na dia eo aza ny herivaikan'ny feo mampifandanja lentam-pahefana, azo antoka fa tian'ny governemanta kokoa ny miezaka manakely hatrany ny toerana omena ny fanaovan-gazety mahaleo tena sy ny hevitra miposaka. Toy ny tamin'ny taona 2009, heverina ho 65 isan-jato mahery amin'ny tokantrano Maleziana no manana aterineto. Mihoatra izay, tsy hoe nahita maso ny firoborobon'ny famoaham-baovao samihafa amin'ny aterineto fotsiny sy ireo loharanom-baovao mifaninana amin'ny fotoana fampitana amin'ny fahitalavitra ataonay izahay, fa nahita firoboroboan'ny fampitam-baovaon'olo-tsotra ihany koa, izay – ankoatra ny zavatra hafa – dia tena niteraka tontolo politika velona teto amin'ny firenena.

Farany , tsy zavatra izay tapahan'ny governemanta na ireo antoko mpanohitra amin'ny tsy misy antony akory ny fahalalahana amin'ny asa fanaovan-gazety, fa mikasika ny mponina izay mangataka ny marina sy ny mpanao gazety izay te hitatitra ny marina ihany koa . Araka ny nolazain’ [8] i Athan:

Araka ny nolazaiko, tsy mampaninona, tsy nahomby isika mpanao gazety – nahanton'ny governemanta Najib ny gazety , noraràn'i Guan Eng (DAP antoko mpitondra ) izy ireo , ary enjehin'i Anwar isika .