Mozambika: Fanairana fa misy rotaka ao Maputo

Niely ny resaka an-toho-tsofina, SMS eny fa amin'ny alalan'ny Twitter aza omaly fa hisy ny fitokonana faobe. Ny antony: Ny vidim-piainana “tsy ara-drariny”  – miakatra ny vidin'ny mofo, ny rano ary ny jiro. Mety hahatsiaro ny mpamaky fa niteraka rotaka sy fanoherana, tamin'ny volana Febroary 2008 ny nampakarana ny saran-dalan'ny minibus . Noho izany handry tsirangaranga ny tanàna.

Raha vao miandoha amin'ny fitaterana ity vaovao ity ny haino amanjery be mpanaraka, efa lasa nialoha tamin'ny maraina kosa ny nitateran'ny mpamaham-bolongana sy ny mpi-twit azy. Nanoratra i [pt] Eduardo Castro avy ao amin'ny Elefante News

Ouvi na Antena Nacional e li nO País (primeiro pública, segundo privado) que a polícia não “recebeu nenhum pedido de manifestação popular” para hoje aqui em Maputo.

Mas a cidade está visivelmente mais policiada. E já teve bloqueio em Benfica, Xiquelene e Chopal.

Tem pouco chapa (vans) circulando por Mahotas. Já recebi telefonema de gente que voltou pra casa depois de esperar por transporte desde cedo, sem sucesso.

A preocupação é que se reedite 2008: os chapas fizeram uma manifestação que convulsionou a cidade.

Na manchete dO País, o motivo da agitação: Água e luz com novos preços a partir de hoje em todo país”.

Henoko tamin'ny radiom-pirenena sy novakiako tamin'ny O País (miankina amin'ny fanjakana ilay voalohany ary tsy miankina kosa ny faharoa) fa “tsy naharay fangatahana hanaovana fihetsiketseham-bahoaka ” anio izany ny polisy eto Maputo.

Saingy hita ho heniky ny polisy mihitsy ny tanàna. Misy barazy avokoa na eo Benfica na eo Xiquelene ary eo Chopal.

Vitsy ny chapas [minibus] mivezivezy ao Mahotas. Naharay antso avy amin'olona nody aho rehefa tsy nisy ny fiara fitaterana hitatitra tamin'ny maraina.

Ny mampanahy dia hiverina indray ny tamin'ny 2008: Nitokona ny chapas ka nampitsikasina tanteraka ny tanàna.

Hita ho lohateny lehibe eo amin'ny gazety O País ny anton'ity fahatezerana ity: Ampiharina manomboka anio manerana ny firenena ny sara vaovaon'ny jiro sy ny rano”.

Manoratra ny [pt] Sosiology Carlos Serra izay loharanom-baovao lehibe tamin'ny 2008

Com voz calma, um representante do Governo esforçou-se no programa “Café da manhã” da Rádio Moçambique (7:30/8:00) por mostrar que o governo tudo tem feito para evitar que o preço do pão (mais caro a partir do dia 6, estável desde 2008) fique mais oneroso… Ouvintes do programa enviaram mensagens queixando-se da carestia de vida e lamentando a subida do preço do pão, “alimento do pobre”, escreveu um deles. O representante apelou aos ouvintes para procurarem substituir o pão por outros produtos, por exemplo pela batata doce.

pelos relatos que me vão chegando de vários pontos da cidade (Avenida de Moçambique, por exemplo), penso que esta é uma situação que vai exigir muito bom senso e grande prudência na gestão.

Tamin'ny alalan'ny feo tony no niezahan'ny mpitondra tenin'ny Governemanta nandresena lahatra nandritra ny fandaharana “Sosoa Maraina” tao amin'ny Radio Mozambique (7:30/8:00) fa efa nanao ny fomba rehetra hisorohana ny vidin'ny mofo (niakatra ampahaenina ny vidiny, tsy niova hatramin'ny 2008) ho lasa enta-mavesatra kokoa… Nandefa hafa-pitarainana amin'ity fahalafosan'ny vidim-piainana ity ny mpihaino ny fandaharana sady nimenomenona tamin'ny vidin'ny mofo “sakafom-bahoaka mahantra”, hoy ny iray amin'izy ireo. Niantso ny olona hanolo ny mofo amin'ny vokatra hafa, toy ny vomanga mamy ohatra, ny mpitondra tenin'ny governemanta.

Rehefa nandanjalanja ny tati-baovao rehetra azoko avy amin'ny faritra maro manerana ny tanàna aho (Lalambe Mozambique ohatra), dia mieritreritra Ifa mila fahamalinana tokoa izao toe-java-misy izao.

Nitatitra ny mpampiasa Twitter BarataJorge

Linhas de telefonia móvel congestionadas, na cidade de Maputo.

Nitohana tanteraka ny fifandraisana amin'ny finday ato an-tanànan'i Maputo.

Niteny koa ny iray hafa antsoina hoe TeknikNineMilli

#Greve em maputo. É o q dá abusar das pessoas. A parte má, é q há gente a pilhar, vandalizar e etc.

#Fitokonana eto maputo. Izany no mitranga rehefa tsy miraharaha vahoaka ianao. Ny manahirana, hisy indray ny hanararaotra handroba, sns.

Nanmpita ny fisian'ny fipoaham-basy sy ny tora-bato ary ny fanapotehana fananana misy any amin'ny faritra mahantra manodidina ny tanàna ilay mazoto dia mazoto ao amin'ny twitter Katembe, tahaka ity iray ity

Na EN4, carros e autocarros a ser atacados com pedras” / “isto está mal, nem dá pra pôr um pé fora de casa (Chamanculo)”

“Any amin'ny EN4, misy mitora-bato ny fiara mandalo” / “ratsy koa ity, misy ny tsy afaka mivoaka ny tranony akory (Chamanculo)”

Mi-tweet ilay mpanao gazety tsy miankina Nastasya Tay

Rotaka any amin'ny faritra manodidina. Nipoaka ny basy, bala fingotra. Fandoroana kodiarana manerana ny lalana ary manenika sy manempotra ny tanànan'i Maputo ny setroka avy amin'ny afo.

Vaovao farany – 12:15 pm ora Maputo:

Misy ny sehatra tambajotram-pampahalalàna Ushahidi natsangan'ny Jornal A Verdade (@verdademz). Ary amin'izao fotoana izao, efa mihoatra ny 50 ny tranga voatatitra ao ary misy ny filazana fa nisy ny maty ka anisan'izany ny zaza roa voatifitra tany amin'ny lalamben'i Acordos de Lusaka.

Vaovao farany navoakan'i Paula Góes

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.