Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

02 Septambra 2010

Tantara tamin'ny 02 Septambra 2010

Rosia: Ny zava-niainan'ny mpitoraka bilaogy Isiraeliana tany amin'ny Hopitaly Rosiana

Akon'ny RuNet

Betsaka ireo olona miaina ny fiainany ka tsy manam-potoana akory ny hijery ireo zavatra fahita amin'ny andavanandro amin'ny fomba fijery vahiny. Indraindray mila mankany ivelany ianao vao mahalala kokoa ny zavatra nataonao na tsia tany an-tranonao. Fa indraindray kosa, vahiny mitoraka bilaogy mikasika ireo zavatra niainany tany amin'ny hopitaly no...

Japana: Mampiketrona ny fiakaran'i Sina ho laharana faharoa

Nanaiky ny Governemanta Japoney tamin'ity volana ity fa nalain'i Sina ny fandreseny. Kanefa tsy dia nahataitra loatra ny ankamaroan'ireo mponina Japoney ity fanambarana ity izay nanampo ny hitrangan'izany na ho ela na ho haingana ary nahatonga ireo mpitoraka blaogy maro hampikentrona ny volo-mason'izy ireo sy hiteny hoe: dia maninona?

Mozambika: Fanairana fa misy rotaka ao Maputo

Niely ny resaka an-toho-tsofina, SMS eny fa amin'ny alalan'ny Twitter aza omaly fa hisy ny fitokonana faobe. Ny antony: Ny vidim-piainana “tsy ara-drariny”  – miakatra ny vidin'ny mofo, ny rano ary ny jiro. Mety hahatsiaro ny mpamaky fa niteraka rotaka sy fanoherana, tamin'ny volana Febroary 2008 ny nampakarana ny saran-dalan'ny minibus...

Ghana: Italiana ve i Mario Balotelli sa Ghaneana ?

Italiana ve i Mario Balotelli sa Ganeana? Izany no fanontaniana mipetraka nahatonga adihevitra mafana amin'ny aterineto . Mpilalao baolina kitra mpamono baolina milalao ho an'ny tanànan'i Manchester i Mario Barwuah Balotelli ary ao amin'ny ekipam-pirenena Italiana. Nateraky ny mpifindra monina Ganeana tany Italie izy