Shina: Niakatra ny harin-karena, ary ny fandaniambola?

Nivoaka ankehitriny ny filazana fa ny toe-karen'i Sina dia efa manakaiky ny laharana faharoa maneran-tany, niaraka tamin'izany ny  fampiharihariana ny fiakaran'ny tarehimariky ny firenena Japoney tao anatin'ny telovolana faharoa tamin'ny taona 2010.

Mankaiza daholo ary ny vola rehetra? Hoy i BRY, mpikambana iray ao amin'ny vohikala fifaneraserana ara-toe-karena, tao amin'ny lahatsoratra iray nivoaka tamin'ny herinandro lasa teo nitondra ny lohateny hoe: “Maninona ary no manao tahiry betsaka toy izao foana ny Sinoa?”, ka ny nanombohany azy dia ny fanoharana ny rafitra eo amin'ny fitandrovana ny fahasalaman’ i Australia, Suède ary Thailand amin'ny an'i Sina:

在我国,虽然正在的推进全民医保制度有助于缓解“看病贵”的问题,但保障之外的余额仍足以让一个家庭变得一无所有甚至负债累累,除非你能保证一辈子不得大病。

Tany Sina, nanamaivana ny olana teo amin'ny saram-pizaham-pahasalamana ny fametrahana ny rafi-piahiana ara-pahasalamana, raha tsy hoe miady amin'ny aretina lehibe mandritry ny andro iainanao ianao ka miaina ao anatin'ny fahasahiranana ny fianakavianao na koa  dibo-trosa, indrindra moa raha tsy manana mpiahy ianao.

Nampitaha  ny saram-pianarana eny amin'ny ambaratonga faharoa any amin'ny firenena toy ny UK, Frantsa ary Inde:

而在我国,大学学费近20年的时间里上涨了约25倍,而同期城镇居民人均年收入只增长了4倍,大学学费的涨幅几乎10倍于居民收入的增长。一个人本科4年最少花费2.8万元,相当于贫困县一个农民20多年的纯收入,这还没有考虑吃饭、穿衣、医疗等费用。

Any Sina, nitombo avo 25 heny amin'ny sarany tamin'ny taona lasa ny saram-pisoratana anarana hidirana eny amin'ny anjerimanontolo, nefa tamin'io fotoana io ihany, nitombo avo efatra heny fotsiny ny salanisan'ny fidiram-bolan'ny mponina any an-drenivohitra sy any ambanivohitra, midika izany fa niakatra haingana dia haingana avo 10 heny ny saram-pianarana eny amin'ny anjerimanontolo raha oharina amin'ny fidiram-bolan'ny mponina. Mba ahazoana ny diplaoma mifanaraka amin'ny fianarana mandritry ny efa-taona izany, dia tsy maintsy mandany  28,000 RMB farahakeliny ny mpianatra iray, izay mitovy amin'ny fidiram-bolan'ny mpamboly sy mpiompy iray efa nanalàna ny pitsopitsony rehetra mandritry ny roapolo taona any amin'ny faritra faran'izay mahantra. Mbola tsy tafiditra ao anatin'izany ny vidin-tsakafo sy  ny akanjo fitafy na koa ny saram-pitandrovana ny fahasalamana.

Notohizany tamin'ny firesahana ny fiainan'ireo be antitra mpisotro ronono any Sina sy any amin'ny toeran-kafa izany:

蒙古、朝鲜、古巴等实行计划经济的社会主义国家采取的是国家保险型的养老保险制度,国家宪法把以养老为主要内容的社会保障制度确定为国家制度,退休金支出全部由国家和企业承担,个人不交纳养老保险费。我国现阶段,国家机关事业单位实行的是国家保险型的养老保险制度,企业单位实行的是自保公助型的养老保险制度,而占全国人口多数的农民和城镇无业居民(或称灵活就业人员)要么游离于社会养老保险制度之外,要么个人必须承担全部20%的缴费。

如果上述三座大山仍不足以说明中国人爱储蓄的理由,那就加上住房。现在的房价之高足以让一个中等收入的家�%

中国人爱储蓄是为了明天在使劲榨取今天。不是中国人守财,而是自己给自己在做保险,是想给        子孙传下更多的财产。在社会保障体系还不够完善的今天,中国人只有以更忘我的奋斗,来换取一家人和下一代人富足安定。

Ny firenena sosialista izay manana toe-karena tsara tantana tahaka an'i Mongolie, Korea avaratra ary Kioba dia nametraka rafitra mikasika ny fisotroan-dronono izay mifototra amin'ny fiahiana nasionaly, niainga tamin'ny rafi-piahiana ara-tsosialy ka natao ho rafi-piahiana nasionaly tamin'ny alalan'ny lalàm-panorenan'ny firenena tsirairay avy; iantohan'ny fanjakàna avokoa ny saran'ny fisotroan-dronono rehetra, ka tsy mandoa na inona na inona ny tsirairay. Amin'izao fotoana izao, any Sina, manaraka modely eo amin'ny rafi-piahiana nasionaly mikasika ireo be antitra mpisotro ronono ireo mpampiasa amin'ny fanjakana, ary manaraka modely eo amin'ny rafi-piahiana ireo be antitra mpisotro ronono  ny orinasa tsy miankina amin'ny fanjakana ka amin'ny alalan'ny fanomezana fanampiana azy ireo no anaovany izany. Ny mpamboly sy mpiompy ary ireo olona tsy an'asa monina an-drenivohitra sy any ambanivohitra (tafiditra ao anatin'izany koa ireo tsy manana asa raikitra), izay mameno ny ankamaroan'ny mponina ao amin'ny firenena, dia tsy manana mpiahy ka tsy maintsy mamoaka 20% amin'ny fidiram-bolany manokana andoavany ny latsakemboka.

Raha mbola tsy ampy entina hanazavana ny antony itiavan'i Sinoa manao tahiry betsaka ireo zavatra voalaza miisa telo ireo, dia ampidiro ao koa ny trano fonenana. Lafo dia lafo ny vidiny ankehitriny hany ka tsy maintsy manao safidy ny fianakaviana iray manana fidiram-bola amin'ny antonony ny amin'ny hoe: handany mihoatra ny antsasaky ny tahiriny ve izy ireo sa hanefa ny hofany mandritra ny androm-piainany rehetra?

Ny antony hanaovan'ny Sinoa tahiry betsaka dia satria ny vola tehiriziny androany dia laniny amin'ny fandaniana rehetra ny ampitso. Raha mitahiry vola ny Sinoa dia satria mianto-tena izy ireo ary indrindra koa miezaka izy ireo mba hamela tahiry kely ho an'ireo zanany. Koa satria moa tsy ampy ny rafi-piahiana misy ankehitriny, ny hany vahaolana hitan'ny Sinoa dia ny miady irery mba ahafahany mampiadana ny fianakaviany sy ny taranany aoriana ary koa mba hiainan'izy ireo ao anatin'ny fahampiana hatrany.

Lahatsoratra tsara ho vakiana: miandry fivoarana ny banky.

(Ny sary hita ato amin'nity lahatsoratra ity dia nindramina tao amin'ny ity ny sarin'ny vola 100 RMB nalaina tao amin'ny Flickr, anaran'ny mpampiasa azy Comer Zhao)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.