Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

01 Septambra 2010

Tantara tamin'ny 01 Septambra 2010

Karaiba: Fanarahana an'i “Earl”

Tonga indray ilay fotoana: vanim-potoanan'ny tafio-drivotra. Ka ireo mpitoraka blaogy any amin'ny faritra, voadona tamin'ireo tafio-drivotra mahery be taloha, dia manara-maso akaiky ny tafio-drivotra Earl, izay nosokajiana ho tafio-drivotra sokajy faha-3. Mandritra ireo 36 hatramin'ny 48 ora ho avy dia eritreretina handalo anyamin'ireo nosy Virjinia Amerikana sy Porto Rico izy,...

Shina: Niakatra ny harin-karena, ary ny fandaniambola?

Tsy mitsahatra ny maheno isika hoe mitombo hatrany ny toe-karen'ny Sina; nitombo tsikelikely ve ny fandanian'ny vahoaka? Mijanona any amin'ny banky ny tahirin'ny tsirairay avy, hoy ny mpitoraka blaogy iray: manomboka any amin'ny toeram-pitsaboana ka hatrany an-tsekoly sy any amin'ny toerana natokana ho an'ireo be antitra dia tsy afaka mifaninana...

Japana: Ireo ainga vaon'ny Tranonkala tao amin'ny WISH 2010

Natao tamin'ny faha 28 Aogositra teo ny andiany faharoa amin'ny WISH, hetsiky ny indostrian'ny Tranonkala [ja], ka anjatony ireonifamotoana hihaino ny valan-dresaka nataon'ireo mpitantana indostria ary 14 ny fampahafantarana avy amin'ireo tolotr'asa vao misonga.