- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Departemantam-piarovana ho fanaraha-maso ny Facebook sy Fanohanana ny Governemanta

Sokajy: Ejipta, Fahalalahàna miteny, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

facebok_egyptTamin'ny 1 Jolay 2010, ny Ministera Ejiptiana misahana ny Atitany (Ministry Of interior – MOI) [1] dia voalaza ho nametraka departemanta iray manokana hanara-maso ny hetsika sy ny votoaty  Facebook rehetra ao Ejipta mifanaraka amin'ny fanapahan-kevi-panjakana  faha 765.

Araka ny voalaza tao amin'ny gazety an-tsoratra Kaoetiana Aljarida [2], ity departemanta vaovao ao amin'ny MOI ity dia manana fomba fiasa intelo mifandimby/8 ora tsirairay avy. Ny fihodinana iray dia ahitàna olona 15: polisy manampahefana 2 , mpitantsoratry ny polisy 10 ary injeniera 3. Ny tena anton'asan'ity tarika ity dia ny manara-maso ny votoatin'ny Facebook toy ireo vondrom-piarahamonina, pejy sy resaka mivantana ary manao tatitra mitanisa ireo tsikera atao anaty aterineto mahakasika ny filoha Ejiptiana ankehitriny Hosni Mubarak [3] na ny zanany lahy  Gamal [4].

Loharanom-baovao momba ny resa-piarovana, tsy mitonona anarana, no niteny avy amin'ny Aljarida fa ny manampahefana Ejiptiana misahana ny filaminana dia zatra manivana ny Facebook toy ireo tranonkala maro hafa ihany koa saingy ny  MOI dia nifantoka bebe kokoa tamin'ny Facebook tamin'ny 2008, taorian'ny antso voalohany ho amin'ny  fitokonamben'ny  6 Aprily [5] izay nomanina tao amin'ny  Facebook.

Ilay loharanom-baovao tsy mitonona anarana dia niteny tao amin'ilay gazety an-tsoratra fa misy vondrona tanora Ejiptiana voakarama avy amin'ny tanoran'ny National Democratic Party (NDP) [6], mba hiaro ny  NDP sy ny governemanta. Araka io loharano io ihany dia efa nahatsangana vondrona Facebook miisa  166 ry zareo ho fanohanana ny zanakalahin'ny filoha,  Gamal Mubarak, ary vondrona hafa miisa 38 hanohanana an-drainy, Hosni Mubarak.

Tamin'ny Febroary 2010, ilay orinasa Ejiptiana mpanao dokambarotra  amin'ny alalan'ny niomerika, Connect Ads, [7] dia nilaza ho ny masoivoho ofisialin'ny Facebook any amin'ny faritra Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra ary mampanontany tena ahy hoe inona no fifandraisana misy ankehitriny eo amin'ny departemantan'ny  MOI (Ministeran'ny atitany) sy ny Connect Ads, satria amin'ny lafiny maro dia mila manangom-baovao maro momba ny tsirairay mpampiasa Facebook ao Ejipta ny MOI.

Tsy dia hatao mahagaga loatra raha toa ny mpampiasa Facebook (na lahy na vavy) ka miatrika fitsarana na voasambotra noho ny zavatra ataony eo anivon'ny aterineto any Ejipta, toy ny fitsarana nahazo ireo mafana fo Ejiptiana miatrika fiampangana maro, noho ny hoe fampiasàna ny tranonkala amin'ny fomba tsy mendrika [8].

Tafakatra hatramin'ny 3.8 tapitrisa ny mpampiasa Facebook any Ejipta, raha araka ny tatitra [9] vao haingana nataon'ny E-Marketing. Vokatr'izany, misy tarika ahitàna mpikambana 45 ao Ejipta izay manara-maso ny hetsik'ireo  3.8 tapitsira ireo ka isan'izany ny fitsikilovana ny hafatra mailaka (e-mail) [10].