Tantara tamin'ny 30 Aogositra 2010
Ghana: Mifanerasera amin'ny vahoaka ao amin'ny Facebook ny Filoha teo aloha
Efa ho herintaona sy tapany izay no namindran'i John Kufuor ny fahefana ho an'i Filoha Atta Mills. Na dia nandao ny birao aza izy, Kufuor dia mbola mahita ny filàna miserasera amin'ny vahoaka. Noho tambajotra ara-tsosialy ao amin'ny aterineto, miresaka amin'ny vahoaka amin'ny alalan'ny kaonty Facebook-ny i Kufuor, izay manana mpanaraka 15.066 (amin'izao fotoana anoratako ity lahatsoratra ity izao).
Rosia: Ireo tra-boina noho ny doro ala malahelo niady ho an'ny tranony
Ao anatin'ny fandaharam-potoan'ny fantson'ireo haino aman-jery matanjaka ny tohin'ny afobe vao haingana teo tany Rosia. Tatitra mikasika sy resadresaka mivantana miaraka amin'ireo tra-boina, mpilatsaka an-tsitrapo, mpiasa ho amin'ny fanampiana amin'ny...
Ejipta: Departemantam-piarovana ho fanaraha-maso ny Facebook sy Fanohanana ny Governemanta
Tamin'ny 1 Jolay 2010, ny Ministera Ejiptiana misahana ny Atitany (Ministry Of interior - MOI) dia voalaza ho nametraka departemanta iray manokana hanara-maso ny hetsika sy ny votoaty Facebook rehetra ao Ejipta mifanaraka amin'ny fanapahan-kevi-panjakana faha 765.