Estamos bien en el refugio los 33
Ireo no teny nanamafy fa mbola velona ireo mpitrandraka 33 voahidy nandritra ny 17 andro tao anaty fitrandrahana volamena sy varahina mena tany akaikin'ny tanànan'i Copiapó. Nosoratana tamin'ny ranomainty mena tamina taratasy kely tao anatina harona plastika ilay hafatra [es]. Ilay harona dia nifatotra teo amin'ny faran'ny fitaovana vy fampiasa handehanana any amin'ny fialofana any am-paran'ny fitrandrahana, izay eritreretin'ireo injeniera fa mety hisy ireo mpitrandraka tsy tafavoaka.
Na dia tamin'ny vao mangirandratsy aza no nampandrenesan'ireo mpamonjy voina ireo fianakavian'ireo mpitrandraka momba ilay hafatra[es], tamin'ny 4ora hariva tany an-toerana kosa ny governemanta vao nanamafy ny vaovao. Teo ivelan'ny fitrandrahana no namoahan'ny Filoha Sebastian Piñera ny vaovao, araka ny hita ato amin'ity horonantsary manaraka ity, izay niteraka fanehoan-kafaliana avy hatrany teny an'araben'ireo tanàna maro, ary nitondra fanamaivanana be ho an'ireo fianakaviana sy ireo Siliana manerana ny firenena.
Horonantsary avy amin'ny mpampiasa YouTube dvary13, nalaina avy teo ivelan'ny fitrandrahana San Jose tamin'ny 22 Aogositra 2010.
Jinny, mpanoratra ilay blaogy The Jinny Show [es], dia naneho hafaliana tamin'ny vaovao tsara:
17 dias! Porfin tenemos noticias de los mineros!! porfin!!! TODOS VIVOS! los 33!, que buenooo =) increible! vi en las noticias en la mañana que el refugio en el que se encuentran contiene alimentacion solo para 48 hrs!!! y para una cantidad limitada de mineros! hay que destacar la fuerza y la capacidad de organizacion que tienen para poder sobrevivir asi =) ahora a esperar como 4 meces dicen :S para poder recien sacarlos.
Enina andro talohan'io, noterena ireo mpamonjy voina hampiato ireo asa tao anatin'ny fitrandrahana sy tao anatin'ny lava-drivotra [es] satria nolazaina fa tsy mafy orina mihitsy ireo. Noraisina izany fanapahan-kevitra izany mba hanohizana ny fikarohana amin'ny alalan'ireo fandavahana ihany, mba handavahana lavaka tery handefasana vatsy ilain'ireo mpitrandraka.
Nahavery fanantenana ireo Siliana maro ny nanafoanana ny fanavotana maika. Ny blaogy Orgullo Eterno [es] dia naneho hevitra momba ireo fanantenana izay efa maty teo aloha:
Habían pasado 17 días desde que se supo que estos mineros se encontraban atrapados en lo subterráneo del norte de Chile…Nunca se perdió la fe, yo personalmente nunca dije “están muertos”, “No, ya no hay nada más que hacer”. ¡Son mineros!, llevan en sus manos esfuerzo, paciencia y mucha sabiduría cuando se trata de su trabajo y de propia tierra.

Fianakavian'ireo mpitrandraka teo amin'ny havoana akaikin'ny fidirana ao amin'ny fitrandrahana San José. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr AlexCamPro, ampiasaina eo ambany fiarovan'ny Creative Commons Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0.
Nisy tao amin'ny Twitter ihany koa ireo adihevitra momba ny trangan'iny andro iny miaraka amin'ny tenifototra #mineros, nahatonga izany ho resaka malaza maneran-tany. Naneho tsotra izao ny hafaliany ho an'ireo mpitrandraka [es] i Daniela Ramirez (@DanielaRamirezA), tahaka an'i Juan Pablo Soto [es] (@jpsoto):
Estoy feliz, aunque no menosprecio la pega que queda ahora. Lo que más me impactó fue la lucidez y eficacia del mensaje. ¡Vamos #Mineros!
Ankoatra ny hafaliana dia maro koa ireo naneho ny fahasosorany noho ny governemantan'i Sebastian Piñera tsy nampandre mialoha ireo fianakavian'ireo mpitrandraka momba ilay hafatra nifatotra tamin'ilay fandavahana. Siliana tahaka izany Ign. Rodríguez (@micronauta) [es]:
… creo q perfil d chileno q hace squatting d nombres y uso comercial d accidente a #mineros es mismo q retrasa la noticia para darla él.
Eo anoloan'izany indray, i Eduardo Zuniga (@eduardoz) dia mitsipaka izany fomba fijery izany ary maneho ny fanohanany [es] ny fomba fanaon'ny governemanta tamin'ny fikarohana sy ireo ezaka fanavotana:
Sobra la gente que no reconozca la eficiente y comprometida labor del #gobierno con los #mineros, basta de ciegos, fue un excelente trabajo
Ireo hafa indray maminavina izay ho tohiny raha vao afaka ny loza. Niteny [es] i Juan Pablo Ayala (@jampaloide) :
Ojalá que con la buena noticia de los #mineros venga el periodo de reflexión, no puede ser que las empresas lucren de esa manera!
Roberto Arancibia, mpanoratra ny El Mundo Sigue Ahí (The World is Still There) [es], dia nanoratra:
Un país entero se asombra por la fortaleza de estos 33 mineros atrapados. Si esto va a ayudar a la seguridad de otros mineros, bienvenidas las nuevas medidas, y el reforzamiento de inspecciones para hacerlas cumplir […] Todos estos días he pensado en esas 33 familias, parejas, novias, hijas, madres. No es justo, de verdad que no es justo todo lo que han pasado.
Nitosatosaka tamin'ny aterineto ny fanehoana fanohanana ireo mpitrandraka, ny fianakaviany, ary ireo mpamonjy voina. Nanaparitaka ity sary ity manerana izao tontolo izao ireo mpampiasa Twitter mba hanehoan-dry zareo ny fanohanany:

"Indro misy fanomezana avy amin'ireo (Siliana) 16 tapitrisa. Mba hiharetanareo mandra-pahatonganay." Asan'i Alberto Montt, voaaro ambany Creative Commons Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0.