Alzeria: Melohin'ny mpiserasera ny fanakanana ny boky ejipsiana tsy haseho ao amin'ny fampirantiana boky

Sarim-pamantarana ny Salon International du Livre d’Alger (SILA): http://www.sila.dz/

Tsy nahafaly ny Alzeriana ny fanapahan-kevitra tsy hampiditra ny boky ejipsiana ho ao anatin'ny haranty mandritra ny Fampirantiam-boky Iraisam-pirenena eto Alger [Salon international du livre d’Alger (SILA)]. Nisy manko ny antsoavo nataon'olo-tsotra avy amin'ny sarangam-piaraha-monina rehetra nanameloka ny fanapahan-kevitry ny tompon'andraikitry ny SILA, nivoaka tamin'ny herinandro,  handrara ny fampirantiana boky ejipsiana amin'ny fandaharam-potoana manaraka:

Le commissaire a invoqué, en guise de justification, la campagne haineuse menée contre l’Algérie par certains médias égyptiens ainsi que le mauvais traitement subi par des citoyens algériens lors de la rencontre, au Caire, entre l’Équipe nationale de football et son homologue égyptienne, ont souligné les signataires.

À notre avis, il s’agit bien d’un chauvinisme délirant qui révèle, en fait, le peu d’égard que le livre en particulier et la culture en général ont toujours eu dans notre pays et une propension de certains de nos responsables à dénoncer au lieu d’éduquer », ont encore dénoncé les signataires.

Natamberin'ny tompon'andraikitra, hanamarinany ny fanapahan-keviny, ny fanentanam-pankahalana nataon'ny haino aman-jery ejipsiana an'i Alzeria sy ny fanimbazimbana ny mpijery Alzeriana nandritra ny lalao nifanandrinan'ny ekipam-pirenena roa tonta.
Araka ny hevitray dia fitiavan-tanindrazana diso toerana mampiseho ny tsy firaharahiana loatra ny boky manokana sy ny kolontsaina amin'ny ankapobeny izao toe-javatra izao ary ahitana ny fironan'ny sasany amin'ny tompon'andraikitra  hanafay kokoa fa tsy hanabe, hoy ny fanambaran'ireo nanao sonia.

Nanamafy ihany koa ny mpamaham-bolongana R.Z fa :

Ceux qui ont décidé ce blocus sur le livre égyptien, ne peuvent être que victimes d'une overdose d'excès de zèle et d'un nationalisme à un sou et qui pue l'allégeance…. » Et d’ajouter : «Pour l'instant, et sans diminuer de la valeur de nos illustres écrivains (Kateb Yacine et Assia Djebar), le seul homme de lettres arabe à avoir inscrit son pays au Nobel de littérature, c'est Najib Mahfoud. Bon, il se trouve que c'est un égyptien, ce n'est pas de sa faute. On ne choisit pas sa nationalité. Il le méritait. Pas pour sa nationalité mais juste pour son talent».

Tsy maintsy hoe mamon'ny fahazotoana tafahoatra sy fitiavan-tanindrazana ariary be maimbo fisolelahana izay nanapa-kevitra hanakana ny boky ejipsiana…. » Ary nampiany hoe : «Amin'izao fotoana izao aloha, tsy misy manambany ny mpanoratra malaza aty amintsika (Kateb Yacine et Assia Djebar), fa ny mpanoratra arabo tokana nahasoratra ny anaran'ny fireneny amin'ny Loka Nobel ny haisoratra dia i Najib Mahfoud. Eny, hita moa fa Ejipsiana izy ary tsy fahadisoany izany. Tsy nofidiany ny fizakana ny zom-pireneny. Mendrika izy. Tsy amin'ny zom-pireneny fa noho ny talentany irery ihany»

Nalahelo ny mpiserasera alzeriana iray, Adel, tamin'ity fanapahan-kevitra alzeriana ity ka :

à chaque fois qu’il y a un problème dans nos pays arriérés, il faut que le pouvoir s’immisce. Si Bouteflika avait laissé les instances du football algérien régler le problème après le caillassage du bus et pas dit oui à la poursuite du match, le problème aurait été résolu aux niveaux des fédérations. Fierté algérienne mal placée jusqu’où tu nous mèneras ?

Isaky ny manana olana ny firenentsika tratra aoriana dia tsy maintsy mitsofoka hatrany ny fitondrana. Raha namela ny tompon'andraikitry ny baolina fandaka alzeriana hamaha ny olany taorian'ny fitoraham-bato ny fiara fitaterana sy tsy niteny amin'ny hanohizana ny lalao i Bouteflika, dia mba nety ho voavaha teny anivon'ny federasiona ihany ny olana. Ry hambom-po alzeriana diso toerana ô, entinao hatraiza moa izahay?

Eo am-piandrasana izay holazain'ny fitondrana alzeriana moa dia namoaka ny lisitry ny Alzeriana ampolony nandray anjara tamin'ny pfanangonan-tsonia manameloka ny “sazy” atao amin'ny famoaham-boky ejipsiana ny bolongan'i Ahmed Bensaada.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.