- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sina: Nivoaka ny fonja i Fan Yanqiong, “Fujian” ao amin'ny aterineto

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Vaovao Mafana, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Fan Yanqiong [1], ny farany tamin'ireo “Fujian” 3 ao amin'ny aterineto mbola voatana tany antrano maizina, dia nivoaka tamin'ny marainan'ny Alarobia ary navela hamonjy ny fianakaviany [2].

Izany no tontosa ny ampitson'ny namoahan'ilay mpanatontosa sarimihetsika fanadihadiana He Yang [3] naharitra adiny iray, Herzog Days [4] [4], izay miresaka momba ny “Fujian”ao amin'ny aterineto You Jingyou [5]; manaraka ireo zava-nisy nandritra ireo fanandramana [6] sy taorian'ny namoahana ny You sy ny namana ao amin'ny aterineto Wu Huaying vao haingana tamin'ity fahavaratra ity.

Efa misy ireo dika-teny Anglisy amin'izao, ka afaka jerena eto ambany eto ny Herzog Days.