- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mexico: Oliravin'ny Tontolo 2010 nisarika ny sain'ny rehetra tao amin'ny Twitter

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Teknolojia, Vaovao Mafana, Zavakanto & Kolontsaina

Tanatina tsiky maharendrika, satroboninahitra mamiratra sy mpanotrona marobe mihorakoraka sy feno fankasitrahana, tamin'ny Alatsinainy alina teo no nibata ny fandresena ny Oliravina Mexico 2010 i  Jimena Navarrete [1] tamin'ny Fifaninanana Oliravin'ny Tontolo [Miss Universe contest [2]] tamin'ity taona ity izay natao tao amin'ny Mandalay Bay Resort sy ny  Casino tao Las Vegas, Etazonia. Tamin'ny naha-vahiny nasaina azy ireo dia i  Natalie Morales sy Bret Michaels no nanolotra ireo sokajy samihafa nisy ireo mpifaninana nahavalalanina, Nifampizara fanamarihana tamin'ny alalàn'ny tenifototra (#missuniverse [3] sy ny dikany amin'ny teny Espaniola, #missuniverso [4]) mifandraika amin'ilay lohahevitra ireo mpampiasa  Twitter manerantany, nanehoan-dry zareo ny tombony ho azy ireo sy ny fanohanany. Ireo  Meksikana mpampiasa Twitter, indrindra indrindra, dia namoaka fanamarihana maromaro mahatsikaiky ary taorian'ilay fifaninanana.

[5]

Jimena Navarrete, Oliravin'ny Tontolo taona 2010. Sary an'i Guillermo Flores, mpampiasa flickr memoflores, nampiasàna ny Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic Creative Commons license

Jorge Miranda (@Georgepogoda) [6]dia nanome soso-kevitra [es] [7] an-dry zareo Meksikana mba hankalaza izany eo amin'ny tsangambaton'ny sarin'anjelin'ny fahaleovantena [8], iray amin'ireo tena endrika maneho ny renivohitra, ny tanànan'i Mexico:

Si gana la de México nos vamos al angel? #missuniverso

Raha iray amin'ny Meksikana no mandresy, tsy tokony ho eo amin'ny sarin'anjely ve isika no hifamory? #missuniverso

Nony nambara fa ny mpifaninana Meksikana no mpandresy, nanomboka nitosaka isan-tsegondra ireo bitsibitsika (tweets). Ity fanamarihana ity [es] [9] dia nalefan'i  Alex Torres (@psicoloco), sady nanamarika roa tamin'ireo vaovao lehibe teo amin'ny firenena koa izy: ny fankalazàna tsy ho ela ny  “Bicentenario”, na ny ‘faha-roanjato taona’ ( hankalazàna ny faha 200 taonan'ny fahaleovantena Meksikana) sy ny lalàna vaovao mamela ireo mitovy nefa mifanambady mba ho afaka manangan-jaza:

“Bien! Tenemos #MissUniverso por 2da vez! Esto es para celebrar el #Bicentenario y las #BodasGay!”

“Milay be! Antsika fanindroany indray ny #MissUniverso! Izany dia ho fankalazàna ny #Bicentenario [#faharoanjatio taona] sy ny #GayWeddings [#FifanambadianNyMitovy]

Mpampiasa iray hafa, Gilberto Ruiz (@gilber7), no naneho hevitra somary nanafintohina [es] [10],

TENDREMOS NARCO! TENDREMOS VIOLENCIA!! NUESTRO GOBIERNO VALE MADREEEE!! PERO DE QUE SOMOS BONITOOOOOOS!!! LO SOMOS!!! #MissUniverso

METY HO MANANA NARCO ISIKA [mpanapariaka zava-mahadomelina]!  METY HANANANTSIKA NY HERISETRA!! TSY IZAY LAFATRA AKORY NY GOVERNEMANTANTSIKA!! NEFA RAHA HANONTANY ANTSIKA RY ZAREO HOE MANJA VE ISIKA!!! IZANY ISIKA!!! #MissUniverso

Raha teo ampandraisana satroboninahitra i Navarrete, nisy hetsika hafa nanan-danja nitranga ihany koa tao amin'ny firenena. Sahala amin'izay itateran'i [es] [11] Hugo Camacho (@hugocamacho) hoe:

Mientras la MEXICANA estaba siendo coronada como la #MissUniverso un terremoto de magnitud 6,4 sacudió la costa oeste de México.

Raha mbola teo ampandraisana ny satroboninahitra ho ny #MissUniverse ilay MEKSIKANA  dia nisy horohorontany iray nanana hery hatramin'ny  6.4, nanontsonkontsona ny tendrony andrefan'i Mexico

Ny National Seismological Service [12](SSN) – Sampan-draharaha  Mpanara-maso ny Fihetsehan'ny tany ao Mexico dia nanamafy io vaovao io.

Antuan Diaz (@antuan_diaz) kosa nilaza [es] [13] momba ny ekipam-pirenena  mpilalao baolina kitra ao Mexico ao anatin'ity bitsika ity:

11 hombres mexicanos de la selección no pudieron con la #WORLDCUP .. pero 1 sola mujer pudo con #MISSUNIVERSO Felicidades C:

Mety tsy ho afaka ny hahazo ny #WORLDCUP [amboara erantany amin'ny baolina kitra] ireo Meksikana 11 lahy ao anatin'ny ekipa [baolina kitra] … saingy kosa vehivavy 1 monja dia afaka mahazo ny #MISSUNIVERSO. Arahaba manokana C:

Faviola Martinez (@favyprincess), toy ireo maro hafa, dia naneho ny [es] [14]fientanentanany:

VAMOS por el MARIACHI y unos TEQUILAS para celebrar #MissUniverso

Raiketo ny  MARIACHI sy ny  TEQUILAS ho enti-mankalàza #MissUniverso

Ankilan'izay, Zayra Alvarez (@zay_alvarez) nitondra fanamarihana [es] [15] amin'ireo fanehoan-kevitra mikasika  tranga hafa izay ahafantarana manokana manerantany an-dry zareo Meksikana:

Cuando estudiantes del IPN o la UNAM ganan concursos mundiales de ciencia a todos les vale madres, pero no fuera #missuniverso porque ahí sí

Rehefa ny mpianatry ny IPN na  UNAM (Anjerimanontolom-pirenena) no mahazo ny fifaninana momba ny siansa dia tsy misy miraharaha, saingy raha mba toa ny  #missuniverso ry zalahy ireny…

Farany, ny Oliravin'ny Tontolo taona 2010 dia naneho ny [es] [16] hafaliany sy fankasitrahany  tao amin'ny kaontiny manokana ao amin'ny Twitter (@ximenaNR):

Gracias a todos …los amo!!!!! Los veo al rato!

Misaotra ny tsirairay… Tiako daholo ianareo!!! Hihaona tsy ho ela isika!