Ampahany amin'ny fankalazana ny faha roanjato taonan'ny repoblika, ny famoahan'ny fiangonana katôlika Siliana tolo-dalàna [es] mikasika ny tokony hamelana ny helok'ireo olona sasany izay voaheloka nohon'ny fanitsakitsahana ny maha-olombelona . Hoy ny nambaran'i Eveka Goic momba izany,
Nuestra petición no anula ni contradice el imperio de la Ley y la Justicia, sino que lo supone y lo exige. Es decir, velando por el imperio de la justicia -nada más injusto que la impunidad- y salvaguardando el pleno imperio de los derechos humanos en materia de crímenes de lesa humanidad, creemos que se pueden dar pasos de clemencia, actuando en el marco del estado de Derecho, del ordenamiento constitucional y de los tratados internacionales vigentes
Ny tolo-dàlana – nambara narahana adihevitra momba ny fanendrikendrehana an'i pretra Karadima ho nanao fanararaotana ara-nofo tao Santiago– dia nalefa tany amin'i Filoham-pirenena Piñera mba ho hadihadiany sy hakana ny fankatoavany, ary niteraka adihevitra lehibe teo amin'ny sehatra politika izany. Indrindra indrindra moa eo amin'ny mety hisian'io famotsoran-keloka io ho an'ireo olona voaheloka tsy isalasalàna noho ny fanamavoana ny zon’ olombelona nandritry ny fotoana nisian'ny didy jadona nataon'i Augusto Pinochet.
Io famotsoran-keloka io dia efa fitaovana raikitra nampiasain'ny fitsarana tao Chili hatry ny ela. Hoy ny praofesora Marcelo Brunet [es]:
(…) el indulto presidencial es un resabio absolutista propia de las monarquías soberanas, una institución propensa a la arbitrariedad y los abusos de poder, que no se justifica en el siglo XXI.
Amin'ny ankapobeny, io soso-kevitra io dia neken'ny antoko politika sasany fotsiny ao amin'ny governemanta fampiraisam-pirenena [es].
Nanohitra tanteraka an'io tolo-dalàna io ny fikambanan'ny fianakavian'ireo gadra tsy hita. Hoy ny nambaran'i [es] Mireya García, filoha mpanampy ao amin'io fikambanana io:
La propuesta de la Iglesia no descarta sino que incluye, a pesar de que está señalado en forma bastante diplomática, pero cuando se habla de que hay que tener clemencia en crímenes en contra de la humanidad lo que se está diciendo es que los violadores de Derechos Humanos también son susceptibles de ser beneficiados con un indulto. Es una propuesta que claramente a nosotros nos provoca gran desazón.
Tamin'ity herinandro ity, ny tontolon'ny blaogy Siliana dia namoaka lahatsoratra maromaro izay nahaliana tokoa mikasika indrindra io resaka io. Manohitra io tolo-dalàna io i Rodrigo Mora ao amin'ny Blog de la República [es] , hoy izy manazava izany,
Sería inconveniente que Piñera sucumbiera a tamaño error de prudencia. El opinante y llanero solitario de los derechos humanos en la derecha podría cometer el peor de todos los errores: la vuelta de los fantasmas y la exhumación de varios cadáveres que ya parecían enterrados y que no estaban ni siquiera desaparecidos.
Nanoratra ho an'i El Quinto Pode [es] momba ny tsy fisian'ny fifandraisana eo amin'ny fankalazana ny faharoanjato taonan'ny firenena sy ny famindram-po ho an'ireo izay nahavita heloka bevava, i Héctor Salazar, mpahay lalàna momba ny zon'olombelona:
Es indudable que un indulto general, decretado por ley, importa un sacrificio importante de justicia, y ello, dentro de un cuadro de impunidad creciente, mas que pacificar, crispa la convivencia social, obteniéndose así lo contrario de lo que sea dice desear: paz y tranquilidad.
Manohitra io tolo-dalàna avy amin'ny fiangonana io ihany koa ny mpitoraka blaogy Julio Suárez [es], hoy izy manao hoe,
En Chile, los autores de delitos de lesa humanidad no han sido todos detenidos y procesados y encarcelados. Y muchos que sí lo han sido, recibieron penas leves. ¿Y ahora, indultarlos? El argumento es que son viejos. Sí, son asesinos que se pusieron viejos, no son “viejitos buenos”. ¿Se imaginan, con este argumento del “viejito enfermo”, estar hoy soltando a Paul Shäefer, por indulto?
Ireo mpanohana an'io tolo-dalàna io dia ireo fikambanan'ny miaramila efa misotro ronono [es], izay niray feo tao anatin'ny fanambarana nataony fa,
Expresamos asimismo, nuestra esperanza en que el actual Presidente de Chile, ajeno a indebidas como ofensivas presiones de quienes, interesadamente, insisten en perpetuar la odiosidad y división entre los chilenos, adopte la más sabia y justa resolución en esta trascendente materia que afecta el alma nacional, primando en él su condición del estadista que nuestro país requiere para enfrentar unitariamente su tercera centuria
Tamin'ny Alahady, nilaza ny fanapahan-keviny farany momba io tolo-dalàna io, ny Filoha Sebastián Piñera, hoy izy [es],
no es conveniente ni prudente, en los actuales tiempos y circunstancias, promover una nueva ley de indulto general.
Na izany aza, nanambara izy fa mety hampiasa ny fahafahany amin'ny mahafiloha azy izy eo amin'ny famelan-keloka fa izany kosa dia ataony “am-pitandremana sy amin'ny fametrahana fetrany” noho ny antony mahaolombelona, miaraka amin'ny fanavahana ireo olona voaheloka nohon’ ny heloka bevava vitany, tafiditra anatin'izany ny zon’ olombelona, ny asa fampihorohoroana, ny fanapariahana zava-mahadomelina, ny fanerena olona an-keriny eo amin'ny ara-nofo, famonoan'olona sy fanararaotana zazakely. Notohanan'ny [es] antoko politika siliana maro samihafa io fanambaran'ny filoham-pirenena io. Nandalina momba izany i Carlos Moffat, tao amin'ny Blog de la República [es]:
Para una coalición que lleva muchos años haciendo de la seguridad ciudadana y de la puerta giratoria un tema de campaña política, un indulto general parecería una contradicción fundamental. Y para esa misma coalición, que debe – a pesar de mucho de sus miembros – demostrarle al país un compromiso más que retórico con la inviolabilidad de los derechos humanos, un indulto a los militares hubiera tenido un costo político significativo, sin ventajas aparentes.
Raha te haneho hatrany fiaraha-misalahy eo amin'ny fikasana ny fandriampahaleman'ny mponina sy ny fitadiavana varavarana fivoahana efa taona maro tamin'ny fotoanan'ny fampielezan-kevitra teo amin'ny sehatra politika isika dia toa hita fa mifanohitra amin'ny foto-kevi-dehibe ny ‘famelan-keloka faobe’ . Ary mikasika io fiaraha-misalahy io ihany, na dia maro aza ireo mpikambana ao dia tokony hisy fifanarahana mazava tsara anjakan'ny marimaritra iraisana eo amin'ny firenena momba ny fanajàna ny zon’ olombelona, ny famotsoran-keloka ho an'ireo [izay ao anatin'ny] tafika [ voarohirohy ho nanitsakitsaka ny zon’ olombelona] dia mety nisy fiantraikany lehibe teo amin'ny sehatra ara-politika, izay tsy nahitana tombontsoa [mihitsy].