- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Indonezia: “misy olana ve ry Ing. Filoham-pirenena ?”

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Politika
[1]

Ny Filoha Susilo Bambang Yudhoyono

Nandiso fanantenana olona maro, anisan'izany ireo mponina amin'ny aterineto, ny lahatenin'ny Filoham-pirenena Indoneziana Susilo Bambang Yudhoyono ny alin'ny fankalazana ny Andron'ny Fahaleovantena. Marika ve izany fa mihavery tsikelikely ny fanohanan'ny vahoaka ny Filoham-pireneny izay nahazo fe-potoana goavana tamin'ny fifidianana ?

Milaza [2][id] ireo mpanao lalàna fa tsy nahitana soritra ny olana amin'izao vanim-potoana izao toy ny fiandrianam-pirenena sy ny fiarovana ny mpanjifa ity lahatenin'ny filoham-pirenena ity .

Ohatra, tamin'ny faran'ny herinandro lasa dia nisy gidragidra teo amin'i Indonezia sy i Malezia raha mpanjono Maleziana maro no nosamborin'ireo Indoneziana mpanara-maso ny ranomasina noho ny fanjonoana tamin'ny fari-drano Indoneziana . Ren”ny Polis Diraja Malaysia (Polisin'ny mpanjaka Maleziana ) ny fisamborana ireo mpanjono ireo ka ho setriny dia nisambotra manamboninahitra Indoneziana telo ry zareo. Efa eo ambany fanadihadiana ity zava-nitranga ity amin'izao fotoana izao ary efa an-dàlana ny fifampiraharahana mikasika ny fanafahana ireo manamboninahitra telo .

Mitohy mandrehitra ny fihetseham-po mankahala ny governemanta eo amin'ny firenena ireo fipoahana [3] mahafaty nateraky ny fitaovam-pitehirizana efa simba avy amin'ny entona navadika ho ranony (LPG) novatsiana vola. Mitombo hatrany ny isan'ireo niharam-boina na dia eo aza ny fanamafisana ireo ezaka  hampihenana ny loza mitranga .

Milaza [4] i Puan Maharani, zafikely vavin'i Sukarno, Filoham-pirenena voalohan'ny Indoneziana, ary mpandova ny foko matanjaka  ara-politika fa tsy miraharaha ny fanampiana ny vahoaka amin'ny ankapobeny ny lahatenin'ny Filoha SBY .

Milaza ireo tsikera fa ny antso ataon'ny Filoha amin'ireo Indoneziana rehetra mikasika ny filàna ny ” fiaraha-miana am-pilaminana ao anaty farahamonina ahitàna fahasamihafàna maro” dia mifanohitra noho ny fahanginany manoloana ireo fanafihana vao haingana natao tamin’ ireo kongregasiona Kristiana any ivelan'i Jakarta, renivohi-pirenena. Tsy aharenensam-peo ihany koa izy momba ny fanafihana tany amin'ny vondrom-piarahamonina Ahmadiyyah any Java andrefana nataon'ireo Mandantehezam-piarovana Islamika, vondrona mahery fihetsika izay miaro ireo lalàna miorina amin'ny Sharia any amin'ny firenena laïka .

Milaza i Relly Jehato [5], izay mitoraka blaogy ao amin'ny tambajotra-na blaogy Kompasiana fa diso manara-penitra ilay lahateny ary tsy misy drafitra ho vahaolana matotra mihitsy .

Sulit memang untuk menemukan perubahan yang benar-benar masif pada pemerintahan SBY. Mengapa? Keberhasilan seorang SBY sangat ditentukan oleh kualitas reformasi pada berbagai institusi dan kepentingan politik lain yang menyertai dan menopangnya. Mulai dari jajaran birokrasi, aparat penegak hukum, parleman, partai politik, dan masyarakat sipil.

Sarotra ny manoritra ireo fiovana mafonja izay nampanantenain'ny governemantan'i SBY. Inona no antony ? Satria tokony hijoro amin'ny hatsaràn'ireo fanovana ny rafi-pitantanana sy ireo hafa mpandray anjara amin'ny fanohanana — ireo mpiasa birao, ireo mpampihatra ny lalàna , ny parlemanta, ireo antoko politika ary ny vahoaka, ny fahombiazany .

Hoy izy namarana :

Persoalannya, sejujmlah institusi tersebut masih berada dalam kondisi sekarat alias sarat masalah. Ini diperumit oleh sikap SBY yang kerap bimbang, ambigu, tidak tegas, lamban, dan cenderung kompromisti. Kita pun lantas bertanya: apakah pidato SBY kali ini masih omong doang, sama seperti penilaian banyak kalangan?…Kita tunggu dan lihat saja…

Ny olana dia sahirana ny ankamaroan'ireo rafi-pitantanana voalaza etsy ambony ireo noho ireo olana sy ny tsy fahatapahan-kevitry ny Filoha  ary ny toetra manakorontana zavatra efa manahirana (ho isan'ny drafitra hizorana amin'ny fanovana). Maro ireo manontany tena : resa-poana iny lahateny iny ? (Raha ny hevitro) Tokony hiandry isika ka hahita ny tohiny ..

Ireto misy ireo tsikera vitsivitsy avy amin'ny tontolon'ny Twitter Indoneziana :

@ekyamiruddin [6]: SBY banyak dikritik orang. Dan tdk keliatan demokrat mendukungnya. Hmmm, misy olana ve ry ing. Filoha ?

Nokianin'ny maro sy ny Demokrat (tenin'ny mpanoratra : ny antoko politikany) i SBY izay toa tsy miaro mpitarika azy ireo akory. Misy olàna ve ry ing. Filoha ?

@SayRizal [7]: Presiden SBY Pidato, Banyak pejabat yg tidur, BBan, Catur, dll, Contoh seorang pemimpin yang sudah tidak punya lagi wibawa #indonesia65

Nandritra ny lahateniny, maro ireo manam-boninahitra no natory, na nampanaraka ny Blackberry-n'izy ireo amin'ny zava-misy, sns. Ohatra iray amina mpitarika nilaozan'ny fahaizany mitarika olona izany.

@bhe_es [8]: @fadjroel :sedih rasanya mendengar pidato kenegaraan presiden SBY,hanya berisi pandangan dan tujuan semu yang menjadi khayalan …

Mampalahelo ny mandre fa fijery, tanjona sy nofinofy  malalaka loatra no nameno ny lahatenin'i SBY.