18 Aogositra 2010

Tantara tamin'ny 18 Aogositra 2010

Jordania: Mibanjina anao i Big Brother!

Nifoha tampoka ny vondron'olona Jordaniana mpampiasa aterineto rehefa nipotra ireo vaovao mikasika ny fanasaziana an'Imad Al-Ash an-tranomaizina mandritra ny roa taona - noho ny faniratsirany ny mpanjaka Jordaniana tao anatina hafatra enoho eo (IM) nalefany tamin'ny namany iray. Manana ny ambarany ireo mpitoraka blaogy eto.

18 Aogositra 2010

Andron'ny fahaleovantena nilamindamina ny an'i Pakistana

Raha mahita ny fijaliana rehetra sy ny haizina mandrakotra ny fiainan'ny Pakistane tsotra amin'izao fotoana izao, tsy mahagaga mihitsy raha mangingina ny andron'ny fahaleovantena tamin'ity taona ity. Milaza ireo mpitoraka bilaogy fa mbola matanjaka tsara ny firenena hahafahany miarina indray.

18 Aogositra 2010

Roanda: Miresaka momba ny fifidianana filoham-pirenena 2010 ireo mpitoraka blaogy

Naneho ny fandresen'i Paul kagame mibaribary ny santatry ny valim-pifidianana navoakan'ny Komity Nasionaly misahana ny fifidianana. Midika inona ho an'i Roanda ny fandresen'i Kagame? Tamin'ny fomba nalalaka sy nadio ve ny fifidianana? Inona ireo zava-dehibe tsy maintsy atrehan'i Roanda amin'izao fotoana izao raha vita iny ny fifidianana? Ireo no lohahevitra sasany izay resahan'ny mpitoraka blaogy taorian'ny famoahana ny santatry ny valim-pifidianana .

18 Aogositra 2010

Sina: izaho no i Liu Xianbin

42 taona i Liu Xianbin ary nandany ny iray ampahatelon'ny androm-piainany tany am-ponja. Nogadraina indray izy nanomboka ny volana Jona ary manao fampielezan-kevitra amin'ny hiaka hoe "izaho no Liu Xianbin " ireo mahery fo .

18 Aogositra 2010