Shina: ny dingan'ny fanjonoana Gmail ataon'ny ISP (FAI)

Tanatin'ny andro vitsy izao,  maro ny tatitra avy amin'ireo Sinoa mpampiasa aterineto milasa fa rehefa manandrana miditra amin'ny kaonty Gmail ry zareo dia avily mankany amin'ny rohyl: http://124.117.227.201/web/gmail/

ary dia asaina mamerina mampiditra ny tenimiafin-dry zareo.

Androany ny NTDTV.com dia namboraka fa pejy fanjonoana ilay rohy mba hahazoana mangalatra ny tenimiafin'ireo mpampiasa. Azo inoana fa miray petsapetsa ao anatin'ity asa fanjonoana ity ny FAI (mpanome tolotra aterineto) ao an-toerana.

Ilay tranonkala fanjonoana dia mitovy tsy misy valaka amin'ny Gmail saingy ny atidohamilina dia avy amin'ny Urumqi.

phishing one

Ankoatra izany, ny sasantsasany amin'ny mpampiasa nyChina Unicom dia nilaza fa na dia efa tafiditra tao amin'n y kaonty Gmail-ndry zareo aza izy ireo, dia mety mbola hangatahan'ny FAI ihany ny “hampidiran-dry zareo indray” ny tenimiafiny. Ny rindran-damina fototra (codes source) dia maneho fa dia mbola asa fanjonoana indray io:

phishing two

Ny fanadihadian'ny  NTDTV.com dia nanoro hevitra ireo mpampiasa mba hitety ny tahirin'ny fidirana nataon'izy ireo tamin'ny kaonty Gmail ka hanova ny tenimiafiny. Ho fanampiny, tokony hiverina hijery ny fandrindràna ny sivana nataony ry zareo ka hijery raha toa ka misy amin'ny sasantsasany amin'ireo mailaky ry zareo no navily handeha ho any amina kaonty mailaka hafa.

Ilay tatitra koa dia nilaza fa dingan'ny asa fanjonoana ataon'ny FAI dia miteraka tsy filaminan-tsaina eny anivon'ireo mpampiasa gmail ka manery azy ireny hampitsahatra ny fampiasana ny tolotra Google.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.