- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Rehefa ny mpanakanto toniziana no mihiaka hoe “Ho ela velona i Netanyahu”

Sokajy: Tonizia, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fivavahana, Mozika, Politika, Zavakanto & Kolontsaina

[1]

Iray amin'ny takelaka Facebook maro nitsangana hanameloka an'i Sherif

Niteraka hatezerana sy fahadisoam-panantenana tamin'ny Toniziana ny fivezivezen'ny lahatsary [2] iray ahitana ny mpihira Tonizian Mohsen Sherif mihiaka hoe “Ho ela velona Bibi Netanyahu!” ary manasa ny Jiosy hitsidika ny Nosy Djerba [3] hanao fivahiniana masina El Ghariba [4]. Amin'ny fiteny geek moa izany dia antsoina hoe nahatsagana buzz amin'ny Facebook ilay lahatsary [izany hoe nahasintona mpijery maro dia maro tao anatin'ny fotoana fohy] .

Azo tarafina fa nihira tany Isiraely, izay tsy manana fifandraisana diplaomatika amin'ny fireneny, niaraka tamin'ny mpihira Toniziana hafa i Sherif.

Vetivety monja dia maro ny vondrona Facebook nitsangana hanameloka izay nataon'i Sherif. Anisan'izany ity vondrona ity [5], izay niantso ny hanaisorana ny zom-pirenena maha-Toniziana ny mpihira.

Nalaky tamin'ny firesahana momba ity lahatsary ity ihany koa ny mpamaham-bolongana. Na izany aza dia nisara-kevitra izy ireo. Ny sasany tamin'ny mpamaham-bolongana toa an'i stupidity zone start [6] moa niteny fa malalaka amin'izay tiany tenenina ny mpihira. Nosoratany fa:

Ces derniers jours,une vague de haine envers deux artistes locales inonde le net Tunisien …ces deux artistes sont Mohsen Echrif et Noureddine El Kahléoui !!!

Alors le motif de cette campagne me semble absurde mais pour mes concitoyens c'est suffisant pour être traité de tous les noms …Mohsen Echrif dans un mariage organisé par des Juifs dis dans son micro je cite “Ya7ya Bibi Netanyéhou”

Henika fankahalana mpihira eto an-toerana roa ny aterineto Toniziana tao anatin'ny andro vitsivitsy izay. I Mohsen Sherif sy i Nourredine Kahlaoui ireo mpihira roa ireo!!!

Na dia hita izao aza fa toy ny fahadalana amiko ny hery mpanetsika ambadiky ny fifanentanana dia ampy ho an'ny mpiray tanindrazana amiko izany hanompana azy.

Tononiko izay nolazain'i Mohsen Sherif tamin'ny fanamafisam-peo nandritra ny mariazy Jiosy iray hoe: “Ho ela veloona Bibi Natenyahu”

Nanoratra i Zizou avy any Djerba [7]:

Pour moi, Le chanteur en question n'a fait que caresser tout le monde dans le sens du poil (son boulot en qlq sorte) puisqu'on peut voir clairement dans la vidéo qu'il faisait un peu de politique dans le but de raffermir les liens des tunes avec la Tunisie et de les convaincre de venir plus nombreux en Tunisie (leurs pays) pour le pèlerinage de la Ghriba.

Ho ahy aloha dia nandambolambo ny rehetra fotsiny ilay mpihira (ary toy ny asany aloha izany e!). Hita mazava ao amin'ny lahatsary manko fa niditra politika kely izy mba hanatsara ny fifandraisana amin'i Tonizia sy handresy lahatra azy ireo ho tonga maro amin'ny fivahiniana masin'ny Ghariba.

Etsy ankilany kosa ny mpamaham-bolongana sasany dia mihevitra fa toy ny famitra-pihavanana amin'i Isiraely izay nitranga ka miantso ny fitondrana izy ireo hilaza ny heviny. Misy ao amin'ny lahatsoratr'i Bassam Bounenni [8] manao hoe :

C'est dans cette ambiance que survient la diffusion sur la toile d'une vidéo du chanteur, Mohsen Cherif, scandant le slogan “Vive Ben Ali … Vive Netenyahu”. Les réactions officielles se font toujours attendre, en dépit d'une grande colère populaire qui s'est étendue au niveau des syndicats. Paradoxalement, les partis d'obédience nationaliste optent, là aussi, pour le mutisme. Laissant la grogne aux masses … virtuelles. Les mêmes masses qui se sont toujours tues quand la normalisation allaient de pair avec un choix gouvernemental ou est l'oeuvre, tout simplement, d'un membre du gouvernement.

Ao anatin'izao toe-draharaha izao no nivoaka tamin'ny aterineto ny lahatsary ahitana ny mpihira Mohsen Cherif mihiaka hoe “Ho ela velona i Ben Ali … ho ela velona i Netenyahu. Tsy mbola nandrenesam-peo ny fitondrana na dia tezitra aoka izany aza ny vahoaka ary efa mipaka any amin'ny sendikà izany. Mahavariana fa nangina ihany koa ny antoko manana fironana nasionalista. Avelany ho tezitra irery ny vahoaka … an-tserasera. Dia ilay vahoaka izay mangina hatrany rehefa mety amin'ny fitondrana amin'io fotoana io, na amin'ny mpikambana iray ao amin'ny governemanta tsotra izao, ny famitra-pihavanana.

Mety hoe niainga tamin'ny aterineto ny tantara saingy efa mahavaka ny olona amin'ny ankapobeny ny raharaha. Efa nanoratra momba azy ity ny gazety toniziana ary dia miady hevitra ny olona raha vao misy ny fotoana ahafahana manao izany araka izay nosoratan'i Zizou avy any Djerba hao amin'ny bolongany [9]:

L'affaire est celle qui occupe l'opinion publique tunisienne en ce moment. Les discussions au boulot, a la plage et ailleurs tournent autour de cette bande de chanteurs tunisiens partis en Israel pour animer une soiree tunisienne. Meme si cette initiative peut surprendre, ce qui a choque une majorite de tunisien est le fait qu'un chanteur ( Mohsen Cherif) a prononce des viva pour le premier ministre israelien.

Mahasarika ny mpanara-baovao toniziana ity raharaha ity amin'izao fotoana izao. Ny adihevitra mandeha na any ampiasana, na eny amin'ny tora-pasika na toeran-kafa dia momba ity tarika mpihira toniziana nandeha tany Isiraely hanafana lanonan-takariva toniziana tany. Na dia mety hanaitra aza io fandehanana tany io, ny nanafintohina ny ankamaroan'ny Toniziana dia ny firariantsoa ho ana praiminisitra isiraeliana nataona mpihira (Mohsen Cherif) iray.

Mbola mahavaka ny Toniziana hatramin'izao ity raharaha ity izay mifanontany hoe tamin'ny fomba ahoana no nahafahana mpihira mandeha any Isiraely ary manafana lanonana any.