Afghanistan : saripikan'ny mpamaham-bolongana ivelan'ny ady sy ny Wikileaks

Amin'ny alalan'ny fanehoana an-tsary ny endrika isan-karazan'ny fireneny no amoahan'ny mpamaham-bolongatsary Afghan izany Afghanistan ankoatra ny ady sy ny Wikileaks.

Nasim Fekrat, ilay mpamaham-bolongana Afghan efa nahazo loka no manolotra antsika ny endrika kanton'i Afghanistan – firenena meva tontolo voahary – sy ny endrika “mikentrona” ao aminy, ny fahantrana.

Afghanistan Meva

Band-e Amir Lake, photo is copyright Nasim Fekrat (use only with permission)

Farihy Band-e Amir , sary copyright Nasim Fekrat (nahazoana alalana)

Manoratra i Nasim :

Teo an-dalana ny hanaovana an'i Band-e Amir ho valan-javaboarim-pirenena voalohany an'i Afghanistan tany ho any amin'ny taona 1960 tany, saingy noho ny governemanta tsy nitombina loatra tamin'izany fotoana izany dia tsy tontosa io. Tamin'ny taona 2004 indray dia narotsaka mba ekena ho toerana Lovan'izao tontolo izao i Band-e Amir. Tamin'ny  2008 dia nekena ho valan-javaboarim-pirenena voalohany ao Afghanistan ihany i Band-e Amir.

Nasehony ihany koa ny fiavotan-tena ataon'ny mahantra:

Grim picture of life, near the giant Buddhas of Bamiyan, a rare archaeological site. Photo copyright Nasim Fekrat (used with permission)

Endri-piainana matroka, akaiky ny Bouddha-n'i Bamiyan goavambe, toerana arkeolojika vitsy mpanana. Sary copyright an'i Nasim Fekrat (nahazoana alalana)

Nivolaña ny mpamaham-bolongana :

Maro amin'ireo fianakaviana mahantra monina an-johy ireo no niteny fa mahantra loatra izy ireo hiainana an-toeran-kafa eny fa na dia nanitrikitrika aza ny fitondrana fa manimba ny toerana, anilan'ny Bouddha-n'i Bamiyan goavambe, toerana arkeolojika vitsy mpanana, ry zareo. Mpifindra monina nandositra ny ady nandritra ny fitondran'ny Taliban izy rehetra ireo, ary niverina avy any amin'ny faritra hafa ao Afghanistan ihany. Hazara avokoa ireo mponin'ny zohy rehetra ireo, izay foko miavaka eo amin'ny fombam-pivavahany sady akanga sisa nanamborana tamin'ny fanenjehana nataon'ny Taliban.

Asadollah Habibzadeh, mpamaham-bolongatsary sady mpanao gazety, monina any Herat any Afghanistan no mizara sary maro dia maro avy any Herat.

Ranti-tantara an-tsary ao amin'ny tranombokin'ny tanànan'i Herat:

Ireto sary ireto indray mandray antsika hitsangtsagana ao Afghanistan miainga avy ao amin'ny fandraharahana renitantely any Herat manakny amin'ny valan-dresaky ny vehivavy ao an-tanàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.