Tsy nahita ny ekipa nasionalin'ny baolina kitrany nandray anjara tamin'ny fiadiana ny amboara eran-tany FIFA nandritra ireo 28 taona lasa ireo Peroviana. Lasa ekipa gisitra tamin'ireo ekipan'i Amerika Atsimo ity ekipa ity nandritra ny fifantenana tamin'ity fiadiana ny Amboara eran-tany 2010 ity tany Afrika Atsimo. Tany amin'ny voalohandohan'ny volana Jolay tany, nanambara ny Federasion'ny baolina kitra Peroviana fa voafidy ho mpampiofana vaovao ilay Orogoayana” Sergio Markarián. Miresaka mikasika ireo vaovao mikasika ity lehilahy voafidy hanova ny vintan’ ny ekipa izay niatrika fifaninanana maro vao haingana teo.
Ny mpitoraka blaogy Luis Vigil Dávila, avy ao amin'ny blagy Mejor Hablar de Ciertas Cosas [es] [Tsara ny miresaka mikasika ireo zavatra sasany], hanoratra mikasika ny fahaizan'ity mpampiofana ity:
Como se recuerda, el popular ‘Mago’, que ya dirigió a Universitario y a Sporting Cristal, club que sacó subcampeonato de la Copa Libertadores en 1997, siempre estuvo en la mira de la FPF para reemplazar en el cargo de seleccionador a José del Solar.
Araka ny efa fantatrao, ity ‘Mago’ malaza ity [Ilay mpanao majika], izay amin'izao dia manazatra ny ekipan'ny Anjerimanontolo sy ny Sporting Criytal, niaraka tamin'ity farany izay resy tamin'ny famaranana ny Fiadiana ny Amboaran'ny Libertators tamin'ny taona 1997, dia nokendren'ny Federasiona ho mpisolo ny mpampiofana José del Solar.
Ny Fútbol peruano – Fulbito y Fulvaso, izay ny mpanoratra ao amin'izany dia milaza ny tenany ho “mpankafy baolina kitra izay tsy mila ho lasa manam-pahaizana”, naneho [es] ny fanantenana fara-tampon'ireo mpankafy baolina kitra Peroviana tamin'ny fanendrena an'i Markarián:
El flamante entrenador de la selección peruana de fútbol, Sergio Markarián, expresó que hará todos los esfuerzos por clasificar a Perú al Mundial Brasil 2014 y añadió que su deseo es que ese logro se convierta en el mejor trabajo de toda su carrera deportiva.
Na dia izany aza, tsy afaka manatanteraka ity tanjona ity irery i Markarian, ary tokony hahatoky ny fandraisan'ireo mpilalao Peroviana izy. Hahazo ny anjarany voalohany izy amin'ny 4 Setambra rehefa hifanandrina amin'ny Kanada ity ekipa ity amin'ny lalao firahalahiana. Ny blaogy Otras Tardes [es] dia namoaka ny anaran'ireo mpilalao izay nofidian'i Markarian amin'ity lalao ity. Avy amin'ilay blaogin'ny vondrona Alianza Lima Corazón [es], mifototra amin'ny mpilalao “vahiny” , dia ireo Peroviana milalao any ivelany amin'ny ekipa malaza any ivelany:
El “Mago” expresó su entusiasmo por empezar a entrenar con la selección. “No quiero esperar más, quiero empezar con los jugadores que más o menos he visto y el tiempo lo dirá”. Markarián señaló que no se puede contar con los extranjeros en los entrenamientos. “En la tercera convocatoria recién vamos a contar con los extranjeros”, añadió.
Isaky ny misy mpampiofana karamaina hitarika ekipa nasionaly, tsy azo lavina ny fanontaniana mikasika ny fiakaran'ny karamany. Martín Beas Nuñez ao amin'ny blaogy Pregunta [es] nanontany “fa ahoana i Sergio Markarián no hahazo vola mitentina US$760,00 mandritra ny taona iray?,” ary namaly ireo mpamaky:
Entiendo que el futbol sea un ambiente, donde las cifras de dinero son extraorbitantes, pero llendo (sic) más alla de eso, si la FPF le paga el sueldo a Sergio Markarian, quién aprueba este salario TAN SALIDO de nuestra REALIDAD ? (Si los impuestos de los peruanos no le pagan el sueldo, aún asi no estamos exagerando un poco ? )
Amin'ny hatevim-bola lany amin'i Markarián, maro ireo mino fa hiakatra kokoa ny fanantenana. Javier Paredes (@javierparedes) “no iray amin'izany“:
Mucha adulacion a Markarian, no quiero ni imaginarme q dira la prensa cuando Peru pierda 3 partidos seguidos
Raha atotaly, manantena an'i Sergio Markarian ny maro amin'ny mpankafy baolina kitra Peroviana noho ny maha mpampiofana nasionaly azy . Ny fotoana irery ihany no afaka miteny raha tena afaka manao majika marina araka ny anaram-bosotra nomena azy ity Orogoayana ity.