Hongria: Tafatafa miteraka adihevitra niarahana tamin'ny Mpitarika Kaominista teo aloha

Efa nanoratra momba ilay sarimihetsika mampiady hevitra izahay,mitondra ny lohateny hoe Guilt and Impunity, novokarina mpanao gazety Hongroà roa, izay nitafatafa tamin'ny Minisitry ny Atitany teo aloha, Béla Biszku. Nanomboka tamin'ny tetezamitan'ny 1989, tsy niresaka tamin'ireo mpanao gazety mihitsy izy ankoatra an'i Fruzsina Skrabski sy i Tamás Novák, mpitoraka blaogy sady mpanao gazety ao amin'ny Mandiner (HUN) izay niezaka ny nifandray taminy hitafatafa aminy ka nilazany fa avy amin'ny tanàna nahaterahany, Márokpapi, koa ry zareo ary manomana alimanaka ho an'ireo olo-malaza teraka tany.

Ilay sarimihetsika, izay nofaritan'i Skrabski sy i Novák ho horonantsary fanadihadiana, dia niteraka fanontaniana maro momba ny andraikitr'ireo mpiasam-panjakàna kaominista noho ireo fihetsik'izy ireo ary ny fomba handinihana ny tantaran'ny Hongria talohan'ny 1989. Ny fomba fanao nampiasain'i Skrabski sy Novák namokarana ny sarimihetsika dia niteraka fanontaniana maro momba ireo fitsipika fanaovana gazety.

Satria mitohy ny adihevitry ny olona momba ny Guilt and Impunity, hita fa liana sy te-hahafantatra momba ny andraikitr'i Biszku ary miantso azy hanazava ny anjara asany fizarana vola tamin'ireo nanohitraizay nandray anjara tamin'ny revolisiona 1956.

Tamin'ny Alatsinainy, ny Duna TV, fahitalavi-panjakana no nandefa ny tafatafa niarahana tamin'ny Béla Biszku (HUN). Talohan'ny resaka tamin'ilay Minisitra teo aloha, i Kata Apáti-Tóth, mpanao gazetin'ny Duna TV dia nanoritra tsara fa “ilay tafatafa dia efa nisy fifanekena mialoha voafaritra tsara.”

Béla Biszku dia namerina ireo fanambaràna nataony tao amin'ny Guilt and Impunity: tsy manenina tamin'ny fihetsiny sy tamin'ny fanapaha-kevitra noraisiny tamin'izy tompon-andraikitra izy. Mbola raisiny ho fanoherana-ny-revolisiona foana ny revolisiona tamin'ny 1956, ary araka ny nolazainy, ireo herisetra rehetra nataon'ny governemanta tamin'izany fotoana izany dia voamarina satria niaro ny rafitra politika izy ireo. Niteny tamin'ilay mpanao gazety izy fa vonon-kanampy ny ekipana mpahay tantara raha nanao fanadihadiana momba ny fiomanana nataon'ny Antokon'ny Mpiasa Sosialista Hongroà talohan'ny tetezamita izy ireo.

Taorian'ny famoahana ny Guilt and Impunity, nanontany (HUN) ilay antoko farany havanana “Jobbik”  raha mbola nahazo vola fisotroan-dronono matetivetina avy amin'ny fanjakàna i Béla Biszku—izay monina any amina fokotany manan-karena any Budapest (Rózsadomb)—noho ny naha-mpanao politika goavana azy fotsiny. Nolaviny ny filazàna azy ho nahazo fisotroan-dronono matevina .

Kettős Mérce dia naneho hevitra momba ilay horonantsary momba an'Atoa Biszku, ary nanoratra lahatsoratra momba ny tafatafa tamin'ny Duna TV koa. Ilay lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Namana Biszku sy ny fotoana be mpijery” (HUN), dia mitsikera mafy ny fisian'olona izay mivandravandra ny  heloka vitany nefa afa-manazava izany amina fandaharana fahitalavim-panjakana:

[…] Soa ihany fa hafa i Hongria, aty afaka manao izay tiany atao ny tsirairay. Eto i Béla Biszku, izay Minisitry ny Atitany tamin'ny Repoblikam-bahoakan'i Hongria taloha, ilay “totohondrin'ny antoko,” ilay “bandy hentitra” any amin'ny Filan-kevi-mpitantanana Foibe an'ny Antokon'ny Mpiasa Sosialista Hongriana, ity mpigafy 88 taona izay mipoitra ao amin'ny Duna TV mba hanazava ny dikan'ny jadona sosialista—izay nampiany tamin'ny fanatanterahana ireo asa koa—aminy[…]. […]

Aty amin'ny firenentsika afaka manao ny zava-drehetra ny olona iray. Aty ny olona toa azy dia afaka manolo-kevitra ny hamorona ekipana mpahay tantara mba hanadihady izay tena nitranga marina, tahaka ny hoe tsy nanao izany ireo mpahay tantara Hongriana nandritra ireo 20 taona farany teo. Araka ny nolazaiko, aty amin'ny firenentsika azo ataon'i namana Biszku ny haneho ny heviny ary hiaiky miaraka amin'ny endrika maloka fa 240 000 Forints fotsiny ny fisotroan-dronony [eo amin'ny 1 134 Dolara eo ho eo]. […]

Ny tanjon'izao rehetra izao dia ny tsy hanaovana ny toa izany intsony. Nalefa ilay horonantsary fanadihadiana, nandeha tany amin'ny “studio”-n'ny fahitalavitra i Biszku ary tsy nahatsapa mihitsy fa diso izy na dia ministra iray monja aza. Azo antoka fa niantsoana fiarakaretsaka izy, izay nitondra azy niverina tany Rózsadomb. […]

Tsy fantatro izay tanjon'ny Duna TV tao ambadik'ity famokarana ity, fa zavatra iray no azo antoka: tsy afaka antsointsika hoe adihevitra ampahibemaso ny famoahana ilay horonantsarin'ny dinidinika teo amin'ny maha-“antsasak'adiny fankahalàna” azy, ary avy eo, voasaraka tanteraka tamin'ny olona nohadihadiana teo, maneho ny rikorikontsika amim-pahaizana mandritra ny fefan-kadiny isika. Raha raisina ireo fifandanjana sy ny tena ambadika, tsy marina velively izany fomba fanao izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.