- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mi-Tweet mikasika ny fitsapan-kevi-bahoaka any Kenya 2010

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Teknolojia

Nanao fitsapan-kevi-bahoaka mikasika ny fanaganana lalàm-panorenana vaovao ireo Kenyana androany. Vao haingana androany dia nomena ny rohin'ireo vohikala [1] miaraka amina fanavaozana mikasika ity hetsika ity. Ireo Kenyana mpampiasa twitter be atao amin'ny fandefasana ireo tweets mikasika ity fitsapan-kevi-bahoaka ity amin'ny fampiasana ireo tenifototra: #uchaguzi [2], #kenyadecides [3], #referendum [4] ary #kuweniserious [5](“mba matotra” amin'ny teny Swahili).

Sationan'ireo tweets ao amin'ny #uchaguzi [2]:

Tegan Bukowski dia nitatitra [6]:

Tatitra avy amina Simaison'ny #Uchaguzi: “Miasa any antsaha ny vehivavy any amin'ny fandatsaham-baton'i Kabete. Antsoin'ireo mpifidy hoe ‘Red Wafula Green” ilay zaza #kenyadecides

Manana fangatahana [7] i djxpect:

“RT” ity azafady. Mila artista hanao sary an-dokambarotra ny Lalàm-panorenana misy an'ilay zaza Red Wafula Green manao marika fandriampahalemana

Locococomoco mi-tweet [8]:

Mbola mifidy ihany ireo Kenyana any Donholm na dia efa tokony ho vita aza ny latsa-bato amin'izao fotoana izao (Vokatry ny fikorontanana nisy vao haingana izany)

Mampahafantatra ny fikatonan'ireo toerana fifidianana [9] i RogerO_202:

Mikatona amin'izay izao ireo toerana fandatsaham-bato, manomboka ny fanisana

Ireo Tweet ao amin'ny #kenyadecides [3]:

wendohw [10]:

Ny vehivavy any Naroka miteny fa nifidy izy satria niteny izany ny governemanta, ary tsy ilainy ny mamaky izay votoatiny!

Semhar [11]:

RT @wsjafrica: Sary maro mikasika ny fifidianana tany Kenya: http://bit.ly/dnCeHr

Locococomoco [12]:

Manomboka ny fanisana manerana ny nosy, tsy ampy atsasakadiny akory dia nanomboka nivoaka ireo valin'ny fanisana.

warothe [13]:

Nifarana tamin'ny 5 ora hariva ny fifidianana tany @nymmoh. Nizotra ampilaminana izany. Tsy nahenoana  korontana. Haingana izany! Niditra tao aho ary nivoaka afaka 5min!

Rombokins [14]:

Ny fonjan'ny kitui tany amin'ny foibe any kitui no voalohany nanisa ireo vato. ENY: 21; TSIA: 7 amin'ireo mpifidy 38. (avy amin'ny nationmobile)

Ireo Kenyana mpampiasa twitter ihany koa dia afaka nandefa ireo tatitra ao amin'ny vohikalan'ny Uchaguzi [15] avy amin'ireo tenifototra: #uchaguzi na koa #kenyadecides. Uchaguzi dia vohikala manara-maso ireo loza mety mifandray amin'ny fitsapan-kevi-bahoaka.

Afaka mijery ny “live streaming” [16] ao amin'ny iHub mikasika ny fitsapan-kevi-bahoaka any Kenya.