Mi-Tweet mikasika ny fitsapan-kevi-bahoaka any Kenya 2010

Nanao fitsapan-kevi-bahoaka mikasika ny fanaganana lalàm-panorenana vaovao ireo Kenyana androany. Vao haingana androany dia nomena ny rohin'ireo vohikala miaraka amina fanavaozana mikasika ity hetsika ity. Ireo Kenyana mpampiasa twitter be atao amin'ny fandefasana ireo tweets mikasika ity fitsapan-kevi-bahoaka ity amin'ny fampiasana ireo tenifototra: #uchaguzi, #kenyadecides, #referendum ary #kuweniserious (“mba matotra” amin'ny teny Swahili).

Sationan'ireo tweets ao amin'ny #uchaguzi:

Tegan Bukowski dia nitatitra:

Tatitra avy amina Simaison'ny #Uchaguzi: “Miasa any antsaha ny vehivavy any amin'ny fandatsaham-baton'i Kabete. Antsoin'ireo mpifidy hoe ‘Red Wafula Green” ilay zaza #kenyadecides

Manana fangatahana i djxpect:

“RT” ity azafady. Mila artista hanao sary an-dokambarotra ny Lalàm-panorenana misy an'ilay zaza Red Wafula Green manao marika fandriampahalemana

Locococomoco mi-tweet:

Mbola mifidy ihany ireo Kenyana any Donholm na dia efa tokony ho vita aza ny latsa-bato amin'izao fotoana izao (Vokatry ny fikorontanana nisy vao haingana izany)

Mampahafantatra ny fikatonan'ireo toerana fifidianana i RogerO_202:

Mikatona amin'izay izao ireo toerana fandatsaham-bato, manomboka ny fanisana

Ireo Tweet ao amin'ny #kenyadecides:

wendohw:

Ny vehivavy any Naroka miteny fa nifidy izy satria niteny izany ny governemanta, ary tsy ilainy ny mamaky izay votoatiny!

Semhar:

RT @wsjafrica: Sary maro mikasika ny fifidianana tany Kenya: http://bit.ly/dnCeHr

Locococomoco:

Manomboka ny fanisana manerana ny nosy, tsy ampy atsasakadiny akory dia nanomboka nivoaka ireo valin'ny fanisana.

warothe:

Nifarana tamin'ny 5 ora hariva ny fifidianana tany @nymmoh. Nizotra ampilaminana izany. Tsy nahenoana  korontana. Haingana izany! Niditra tao aho ary nivoaka afaka 5min!

Rombokins:

Ny fonjan'ny kitui tany amin'ny foibe any kitui no voalohany nanisa ireo vato. ENY: 21; TSIA: 7 amin'ireo mpifidy 38. (avy amin'ny nationmobile)

Ireo Kenyana mpampiasa twitter ihany koa dia afaka nandefa ireo tatitra ao amin'ny vohikalan'ny Uchaguzi avy amin'ireo tenifototra: #uchaguzi na koa #kenyadecides. Uchaguzi dia vohikala manara-maso ireo loza mety mifandray amin'ny fitsapan-kevi-bahoaka.

Afaka mijery ny “live streaming” ao amin'ny iHub mikasika ny fitsapan-kevi-bahoaka any Kenya.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.