- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila: Lalàna vaovao mametra ny doka ara-tsakafo nampikorontana ny orinasa lehibe

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Fahasalamàna, Fanoherana, Sakafo
[1]

"Manisy fangaron-zavatra amin'ny tenako aho". Sarin'i Steve Snodgrass

Vao haingana kely izay, nametraka fitsipika [2] [pt] mikasika ny ho fiovana hitranga eo amin'ny dokambarotra momba ny zava-pisotro malefaka sy ny sakafo diso be menaka na trans, sy ny sakafo be siramamy ary koa diso be sodium loatra ny masoivoho federalin'ny firenena Breziliana izay manara-maso ny lafiny ara-pahasalamana, [3]na Anvisa [4]. Tsy maintsy hanaraka izany fitsipika izany ny orinasa manao ny resaka fambolena sy ny ara-tsakafo amin'ny faran'ny taona 2010.

Niteraka adihevitra teo amin'ny haino aman-jery ny foto-kevitra iray manokana:

-  Tokony ahitana fampitandremana [5] [pt] ny dokambarotra momba ny sakafo na ny hita eny amin'ny fahitalavitra izany na eny amin'ny vata fandraisam-peo na koa any amin'ny gazety , toy ny amin’ ireny fanentanana momba ny tsy fifohana sigara ireny [6]. Ny sakafo diso mamy loatra dia tokony ahitana soratra eny amin'ny fonony milaza fampitandremana toy ny hoe ity sakafo ity dia misy siramamy be loatra  ka mety hampatavy ary mety ahazoana aretim-po sy fahatapahana  lalan-drà raha toa ka hohanina be loatra.

Hentitra ny fandraisan'ireo orinasa voakasika izany: nisy lahatsoratra nivoaka tao anaty gazety nanakiana ny fahefan'ny masoivoho hanova ny lalana federaly izay mifehy ny resaka dokambarotra. Hevitra maro no voafoaka tamin'izany, miainga any amin'ny zon'ny governemanta hiditra amin'ny fiainana manokan'ny mponina, hatrany amin'ny lafiny ara-kolontsain'ny olona izay efa zatra nihinana sakafo matsiro eny na dia sakafo tsy ara-pahasalamana aza izany. Ankoatra izay, ampahany amin'ity adihevitra ity koa ny firesahana ny andraikitry ny governemanta eo amin'ny fanabeazana mikasika ny otrikaina entin'ny sakafo, araka ny ambaran'ny governemanta hoe mila fanampim-panazavana bebe kokoa ny olona mikasika ny fangaron-tsakafo sy ny fiantraikan'ny fihinanana sakafo amin'ny vatany raha toa ka samy misafidy am-palalahana izay tiany hohanina avy ny tsirairay.

Samihafa avokoa ny hevitr'ireo mponina ao amin'ny blaogy.

Miresaka momba ny fanakanana ny tsirairay haneho hevitra am-palalahana  sy fanakanana azy ho masimandidy  amin'ny fananany ny Libertatum [7] [pt] .

Manolotra fanampim-panazavana etsy ambany ny Matrice [8] [pt] :

A publicidade desse grupo de alimentos contribui para a atual epidemia de sobrepeso e obesidade em crianças, que vem ocorrendo no Brasil e no mundo, o que fez com que a Organização Mundial de Saúde aprovasse, em maio deste ano, uma recomendação [9] [en] orientando os países membros das Nações Unidas a restringirem a publicidade de alimentos direcionada a crianças.

Ny dokambarotra momba ireny karazan-tsakafo ireny dia mitarika ho amin'ny fahazoana lanja diso tafahoatra ny antonony sy ho amin'ny fahazoana aretina toy ny fahatavezana eo amin'ny ankizy amin'izao fotoana izao, toy ny hita any Brezila sy manerana izao tontolo izao. Nanosika ny OMS (Sampan-draharahan'ny fahasalamana ao amin'ny Firenena mikambana) izany hanolotra fitarihan-dalana [9] ho an'ny firenena ao anatin'ny Firenena Mikambana, tamin'ny volana May 2010, hametraka arofanina momba ny  sakafo natokana ho an'ny ankizy.
Niahiahy ny amin'izay mety ho fandairan'io karazana fanentanana mikasika ny sakafo izay resahan'ny lalàna vaovaon'i Anvisa io ny Blog do Ronaldo [10] [pt].

Nanao fanamarihana mikasika ny fihetsiky ny orinasa tato ho ato ny arinelli [11] [pt]:

Quando a Anvisa começou a levantar o assunto diversos fabricantes de alimentos – como a Nestlé, por exemplo – começaram a manifestar, publicamente, uma nova postura acerca da publicidade infantil. Algumas empresas assinaram acordos de não-veiculação de propaganda de alimentos que fosse direcionada diretamente às crianças e prometeram uma maior cautela na divulgação de itens do universo infantil.

Raha nanomboka nampahafantatra ny be sy ny maro momba an'io fitsipika io ny Anvisa, dia maro ireo orinasa mpamokatra sakafo toy ny Nestlé no nampiseho ampahibemaso fihetsika vaovao momba ny dokambarotra. Misy ireo orinasa sasany no manao sonia an-taratasy eo amin'ny fanomezana toky hampihena ny fampielezana na famoahana dokambarotra izay mikendry mivantana ny ankizy ary amin'ny fitazonana ny teny nomeny dia ny fitandremana bebe kokoa eo amin'ny fampitana hafatra amin'izany sokajin-taona izany.

Maneho ny fomba fijerin'ny orinasa voakasika i Leonardo Sakamoto [12] [pt] ary miezaka ny mandalina bebe kokoa an'io resaka io izy:

"People shouldn´t be afraid of their governments..." CC by Carlo Nicora. [13]

"Tsy tokony hatahotra ny governemantany ny vahoaka…" Carlo Nicora/Flickr.

Parte das empresas de publicidade e da indústria reclamam que toda essa movimentação é um atentado à liberdade de expressão. Mas, ao usar essa justificativa, o que elas acabam defendendo é o direito de ficar em silêncio para não se expor diante à sociedade. O problema é que essa omissão de informações acaba sendo um atentado contra a liberdade de escolha. Como é possível decidir se não há informação suficiente para isso nos rótulos dos produtos?

Mitaraina ny orinasa mpamokatra sy ny orinasam-pifandraisana milaza fa manakombona ny fahalalaham-pitenenanana io fironana io. Fa ny zava-bitany amin'ny fanaovana io hetsika io dia ny fiarovany ny zony hitazona ny fahanginany sy hanakonany ny endriny eo amin'ny fiaraha-monina. Ny olana dia izao, mety hanohintohina ny fahalalahan-tsafidin'ny mpanjifa ny tsy filazana azy ireo izay rehetra tokony ho fantany. Ahoana moa no ahafahan'ny olona iray misafidy tsara raha toa ka tsy ampy ny fanazavana azony[falalahan-tsafidy] misoratra eo amin'ny taratasy ivelan'ireo sakafo?

Manohitra ny hevitra izay ara-dalàna naroson'ireo  orinasa ireo ny Radiomargarida [14] [pt]:

Contudo, é importante que se diga que o setor regulado não está preocupado em garantir preceitos constitucionais ou defender a Carta Magna. Quer sim impedir a Anvisa de atuar no âmbito da regulamentação da atividade publicitária, seja ela relativa a qualquer produto ou serviço. Cervejas, remédios, alimentos. Não importa. O setor regulado não quer o Poder Executivo ousando imiscuir-se nesse assunto.

Na izany aza, tsara ihany ny manamarika fa tsy natao hiantoka ny fampiaharana ny lalampanorenana  na amin'ny fampiharana ny lalàna ny orinasa. Fa ny zavatra tadiavin'izy ireo dia ny hanakana ny Anvisa hanohy hatrany ny fametrahana fitsipika mifehy ny resaka dokambarotra, na mikasika ny entam-barotra izany na mikasika ny asa aman-draharaha. Na ny labiera, na ny fanafody, na ny sakafo. Na entam-barotra inona io na inona.  Ny sampana izay feheziny dia tsy manaiky ny fahefana mpanatanteraka hiditra amin'io resaka io mihitsy.

Namoaka fanambarana manohitra ny fanapahan-kevitry ny Anvisa ny mpisolovavan'ny Union (AGU [15]), ary nangataka ny ampitsaharna ny fampiharana ny fitsipika mandra-pahavita ny fandalinana izany, fanapahan-kevitra noraisina tohin'ny fiaraha-midinika nataon'i  CONAR [16], filan-kevi-pirenena eo amin'ny lafin'ny  fametrahana fitsipika momba ny dokambarotra. Vokatr'izany, nanentana vondron'olon-tsotra ao amin'ny fiaraha-monina handrara ny  fanekena ny fitsipika mifehy  ny dokam-barotra momba ny sakafo [17] [pt] ny IDEC, masoivoho  iray mpisolo tena ny mpanjifa eo amin'ny fiarovana ny zon'izy ireo.  Izay no zava-misy aloha hatramin'izao ary ny orinasa voakasik'izany dia efa eo am-panomanana ny hetsika manaraka indray. Afaka milaza ny heviny ve ny mpanjifa, izany hoe ny mponina, ao anatin'ity adihevitra ity?

Chessboard picture. CC by paulasofiasimoes. [18]

Kilalao sarotra dia sarotra iray, nalaina tao amin'ny paulasofiasimoes/Flickr

Notsarain'i Janet Gunter [19] ity lahatsoratra ity .