05 Aogositra 2010

Tantara tamin'ny 05 Aogositra 2010

Mi-Tweet mikasika ny fitsapan-kevi-bahoaka any Kenya 2010

Nanao fitsapan-kevi-bahoaka mikasika ny fanaganana lalàm-panorenana vaovao ireo Kenyana androany. Vao haingana androany dia nanome rohin'ireo vohikala miaraka amina fanavaozana mikasika ity hetsika ity androany. Ireo Kenyana mpampiasa twitter be atao amin'ny fandefasana ireo tweets mikasika ity fitsapan-kevi-bahoaka ity amin'ny fampiasana ireo tenifototra: #uchaguzi, #kenyadecides

05 Aogositra 2010

Brezila: Lalàna vaovao mametra ny doka ara-tsakafo nampikorontana ny orinasa lehibe

Nametraka fitsipika eo amin'ny fiovana hitranga eo amin'ny dokam-barotra momba ny sakafo ny masoivoho federalin'ny firenena Breziliana manara-maso ny lafiny ara-pahasalamana, dia ny fametrahana fampitandremana misoratra eo amin'ny fonon'ilay sakafo, ary hentitra dia hentitra ny fihetsiky ny orinasa voakasik'izany manoloana izany toe-javatra izany. Afaka miteny ny heviny ve ny mpanjifa ao anatin'ity adihevitra ity?

05 Aogositra 2010

Rosia: Tanàna sy vohitra maro may

Akon

Doro ala sy afo be mivaivay no mandripaka manivatsiva an'i Rosia afovoany ; olona an'arivony no alàna amin'ireo faritra voakasika, ary ny mampalahelo dia, misy tatitra mikasika ireo fahafatesan'olona ( miisa 28 farafahakeliny , hatramin'ny androany ). Tamina tranga maro dia tsizarizary ny fandraisana an-tànana ny ezaka famonoana afo, ka nisafidy ny hihetsika amin'ny herin'ny tenany ireo mponina eo an-toerana sy hiaro ireo tanàna sy vohitra manodidina miaraka amin'izay fitaovana mety hananany eo am-pelatanany.

05 Aogositra 2010