Pakistan: Fisaonana ireo namoy ny ainy tamin'ilay fianjerana fiaramanidina

Fahitana ny toeran'ny fianjerana tany #Islamabad avy eo amin'ny tafo trano. Sarin'i Rezhasan ao tamin'ny Twitpic
Tamin'ny marainan'ny 28 Jolay, 2010, nianjera tao amin'ny vohitr'i Margalla tany Islamabad, renivohitr'i Pakistan, ny zotram-piaramanidina Airblue ED 202 avy any Karachi, . Mihoatra ny 150 ireo mpandeha tao anatiny tamin'ny fotoana nianjerany, tsy nisy na iray aza avotra. Niteraka hatairana sy alahelo ity tranga voina ity. Mbola eo ampanaovana ny fanadihadiana ireo antony mety nahatonga ity fianjerana ireo tompon'andraikitra. Raha mbola misaona ity loza ity ny maro, ny sasany kosa dia mametram-panontaniana maro momba iny fianjerana iny.
Kalsoom Lakhani ao amin'ny CHUP-Changing Up Pakistan nisaona ity voina mampahalahelo ity:
Ity tranga androany dia mazava ho azy fa naseho tamin'ireo sary sy ireo horonantsarin'ireo fianakaviana sy naman'ireo izay namoy ny ainy, izay nihazakazaka nankany amin'ny hopitaly sy tany amin'ireo fakana tapakila any amin'ny seranam-piaramanidin'Islamabad tamin'io maraina io nitady vaovao mikasika ireo havany tamin'alahelo. Nilaza ny primatiora tantanin'i Yousaf Raza fa nanapa-kevitra ny minisitera federaly hametraka ho “andro fisaonana manerana ny nosy” ho an'ireo maty tao anatin'ilay Airblue sidina ED202 ny andro androany. Atokanay ho an'ireo fianakaviana sy ireo namoy ny ainy androany ny eritreritray sy ny vavakay.
Koa satria mbola mitohy ny fanadihadihana dia mbola aloha loatra ny maminaviana ny antony mety nahatonga ny fianjerana . Ireo tatitra faramparany dia nilaza fa hita ny boaty mainty, izay manamora ny fanadihadiana. Manadihady lalina amin'ireo fomba rehetra mety hanampona ireo fanadihadihana i Kalsoom Lakhani :
Inona marina ny “boaty mainty,” hoy ianao? Araka ny voalazan'ny HowStuffWorks, mitodika any amin'ny rakitry ny sidina sy ny feo voaray ny fahadihadiana hamantarana izay nampianjera ity fiaramanidina ity. Eo amin'ny $10,000 ka hatramin'ny $15,000 eo ho eo ny vidiny (tsy fantatra na manana modely mitovy amin'izany ny orinasam-pitaterana an'habakabaka Pakistaney na tsia), ireo boaty mainty ireo no mirakitra amin'ny antsipiriany ireo zava-nitranga nialoha indrindra ity loza ity. Araka ny voalazan'ny Dawn, Mpandraikitra ny mikasika ny Fiaramanidina Sivily (CAA) dia efa hita ity boaty mainty ity, noho izany dia holazaina amin'ny manaraka ny antsipiriany mikasika ny nampianjera ity fiaramanidina ity, (na dia tsy nanan'i Pakistan aza ny “manamora” ny fikirakirana ireo fitaovana ireo araka ny tatitry ny GEO).
Ho fahatsiarovana ireo amoy ny ainy tamin'ity fianjerana ity. Maryam Piracha nizara ny alahelony:
Miady ny saiko eo amin'ny hevitra sy ny finoana, miady eo anoloan'ny fanamarinana sy ny fanekena. Tsy misy ny fomba tsotra hizorana an'izany, afa-tsy ny fivavahana ho an'ny fanahin'ireo maty sy ny fankaherezana ireo nilaozana.
Nahazoana fanakianana henjana ny fomba fitateran'ny media an'ity tranga mampahalahelo ity. Ahsan Butt ao amin'ny Five rupees, namely ny tsy firaharahiana filazalazana momba ity fianjerana ity:
Noho ireo zava-mahagaga ao amin'ny aterineto, afaka mijery ireo famoaham-baovao Pakistaney maro aho min'ny fotoana maro aho na dia mipetraka any Chicago aza, fa tsoriko fa nopihiko manodidina ny 90 segondra aloha taorian'ny namelomako azy ny maraina teo. “Tsy mampihetsi-po” ka naleo aza tsy notaterina akory. Fampahatsiarovana ho an'ny vondrona mampita vaovao : TOKONY IDIFIANA NY MANENJIKA NY HAVAN'IREO MATY NIARAKA AMINA FANDRAISAMPEO SY FAKANTSARY KA MAKA AMPAHANTENY HANAOVANA LAHATSORATRA. Hotahian'Andriamanitra ianareo, ajanony izany fanao izany. Ataonao aorian'ny fanafihan'ireo mpampihorohoro sy ireo fanapoahana izany, ataonao aorian'ny loza voajanahary ary izao dia aorian'ny fianjerana fiaramanidina. Fa ataonao inona izany e?
Nandritra ny fitateran'ny media ny mikasika ity fianjerana ity dia hita fa maro ireo fantson'ny TV no mifantoka amin'ny fivarotana izany vaovao izany fa tsy mitatitra amim-pahamatorana. Ao amin'ny blaogiko, niresaka mikasika ny tsy fandraisan'ny media andraikitra sy ny fomba fitantarana tsy mampihetsi-po:
Manorisory ny fianakavian'ireo namoy ny ainy mba hanoratana lahatsoratra momba azy ireo, manaraka ao aoriana sy mampanakaiky ny amin'ny fakantsary ny endriky ny olona misaona ny fahafatesan'ireo havany. Mbola loza noho izany ireo sary mipoitra avy eo amin'ny toeran'ilay fianjerana, manakaiky ireo pentin-drà sy ireo tapatapaky ny vatan'olona miparitaka miaraka amin'ireo fatim-by, raha nisy mpanao gazety iray tsy manafina ny hafaliany manofahofa ny antotan-taratasy sy ny kara-panondro hita tao an-toerana. Tsy nieritreritra ny mety ho fiantraikan'ny fitaterana vaovao tsy tompon'andraikitra tahaka izao ireo fantson'ny media na indray mandeha aza, ny hahatonga ireo vaovao hahataitra sy hampaminavina ny fisian'ny theorie de la conspiration ihany no ao an-tsain'izy ireo. Tsy niandry ora vitsy akory izy ireo mialoha ny hanapaingorana ny fisian'ny fahadisoana, ary tsy ampy elanelan'ora fohy monja dia lasa fanadihadihana mikasika ny fianjeran'ny fiaramanidina ny fitatera-baovao. Mba haharatsiratsy kokoa ny toe-draharaha, nisy fantsona manokana iray lasa lavitra ary niteny fa hamboraka ny tahirim-peon'ny resaka nifandraisan'ny Mpanamory sy ny eny amin'ny tilikambo, alohan'ny hivoahan'ny fanambaranaofisialy mahakasika izany. [..] Tsy misy mihitsy hanamarinana ny fitateram-baovao tsy manana fitsipi-pitondran-tena amin'ny iray amin'ireo loza mampalahelo indrindra nitranga tany Pakistan. Mampifantoka ny sain'ny olona fotsiny amin'ny filana ny fanamafisana ny fitsipi-pitondrantena sy mahatonga fandrafetana lalàna misahana ny fandikan-dalàna ny fomba fitateram-baovao tsy manjary tahaka izao.
Mampifantoka amin'ny tokony hanatsarana ny rafitra fikarakarana sy famonjena voina ny fisian'ny loza tahaka izao, filazana vaovao tompon'andraikitra amin'ny tranga tahaka ireny ary ifotorana tsy azo idifiana ny fisian'ny manampahaizana manokana hanafaingana ny fanadihadihana. Koa satria miresaka ny tohin'ity loza ity izao, mamarana aho:
Hatramin'ny nielezan'ny vaovao, mila mifehy tena aho tsy hanombatombana ny antony nahatonga iny fianjerana iny. Fa ny zavatra fantatro amin'izao aloha dia 152 ireo olona namoy ny ainy tamin'iny loza iny, amin'ny maha firenena misaona antsika dia mila miaraka amin'ireo namoy ny havany isika, mila mitandrina mba tsy hamadi-dresaka sy ny fanomezana vahana eritreri-dratsy. Raha misy ny zavatra iray tokony hisongadina, tokony ny fanirian'ireo olon-tsotra izay nihazakazaka teny amin'iny toerana iny sy nalala-tanana hanampy sy hanohana ireo ekipa mpamonjy izany.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...