Karaiba: Ho an'ny fahafahana

Omaly, 1 Aogositra, no nanamarika ny faha 172 taonan'ny Androm-panafahana tany amin'ireo tany Karibeana (Caribbean) maro miteny Anglisy,  rehefa afaka tamin'ireo voanjo Britanika nanandevo azy ireo andevo Afrikana maro. Androany dia andro tsy fiasàna ho an'ireo firenena maro any amin'iny faritra iny ary mpitoraka blaogy vitsivitsy no manararaotra io fotoana io ho fisaintsainana manodidina izay fomba andikàn'ireo nosy an-dalam-pandrosoana ireo an'io fotoana io, raha manontany hoe: ” How close are we in the Caribbean to truly being ‘free'?”

Ilay Jamaikana mpitoraka blaogy ampielezana, Geoffrey Philp, dia manolotra tantara tselatra momba ny Fanafahana, amin'ny fanamarihana fa:

Any amina firenena Karibeana maro, ny fankalazana ny Androm-panafahana dia tafiditra ao anatina fetibe firavoravoana (karnavaly), satria tafiditra mandritra io fotoana io mihitsy ny Karnavaly Karibeana.

Trinidad and Tobago News Blog , mandritra izany, mamerina mamoaka ny hafatry ny Praiminisitra momba ny Androm-panafahana sady  mandrakotra ireo fankalazana rehetra ao an-toerana miainga amina lisitr'ireo media mahazatra mifamatotra amin'ny tantara.

Avy any Bahamas, Rick Lowe miteny hoe:

Andro iray mendrika ny tsy hiasàna io.

Tohizany amin'ny fanomezana ireo rohy “mahaliana mikasika ireo fanandevozana sy ny finiavan'olona vitsivitsy hahita ny fiafaran'izany politika mamohehatra izany”.

Ilay akama  Bahamiana Womanish Words, ao anatina lahatsoratra iray isan'ny mampisaintsaina indrindra momba ity fotoana ity, mitsakotsako izay hevitra fonosin'ilay andro sy  ny fifangarihan'ny zava-misy amin'ny fanandevozan'izao vanin'andro maoderina izao:

Amin'ity fialan-tsasatry ny faran'ny herinandro ity no hankalaza ny fiafaran'ny fanadevozana isika, hahatsiaro ireo tsy mba tafita, sy ireo velon'aina, satria izy ireny no razambentsika feno hasina. Mitsahatra kely isika hibanjina ireo fahalalahana goavana na madinika izay sitrahantsika androany no sady hanadratra ny vearantsika sy ny feontsika ho azy ireny miaraka amin'ny fankasitrahana.

Ary raha sahy isika, androany isika hisaina sy hiteny momba ireo vahoaka manerantany tsy mbola afaka, angamba hisolo vava azy ireo, satria ry zareo dia isika ihany, ary tsy misy na iray aza amintsika tena afaka raha tsy efa afaka daholo ny rehetra. Mieritreritra ny momba ireo olombelona voavinavina ho 2 tapitrisa aho, ny ankamaroan'izy ireo vehivavy sy ankizivavy, izay hamidy manerana an'izao tontolo amin'ity taona ity. Mety hiteny ny sasany hoe ho eo amin'ny 4 tapitrisa eo ry zareo…tsy mifarana hatreo ny ady ho an'ireo vehivavy sy ankizivavy maro indray mihira. Raha malalaka mbola afaka mankalaza isika androany, ry rahavavy isany, ndeha izany hatao amin'ny anaran'ireo namantsika tsy toy izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.