03 Aogositra 2010

Tantara tamin'ny 03 Aogositra 2010

Pakistan: Fisaonana ireo namoy ny ainy tamin'ilay fianjerana fiaramanidina

Tamin'ny marainan'ny 28 Jolay teo, nianjera tany amin'ny vohitr'i Margalla tany Islamabad ny fiaramanidina Airblue flight ED 202 avy any Karachi. Tsy n,isy na iray aza avotra tamin'ireo mpandeha 152. Miresaka mikasika izany ireo mpitoraka blaogy ary mametram-panontaniana mikasika ny fandrindrana sy ny fitateran'ny media coverage mikasika ity loza ity.

03 Aogositra 2010

Karaiba: Ho an'ny fahafahana

Omaly, 1 Aogositra, no nanamarika ny faha 172 taonan'ny Androm-panafahana tany amin'ireo tany Karibeana (Caribbean) maro miteny Anglisy, rehefa afaka tamin'ireo voanjo Britanika nanandevo azy ireo andevo Afrikana maro. Androany dia andro tsy fiasàna ho an'ireo firenena maro any amin'iny faritra iny ary mpitoraka blaogy vitsivitsy no manararaotra io fotoana io ho fisaintsainana manodidina izay fomba andikàn'ireo nosy an-dalam-pandrosoana ireo an'io fotoana io.

03 Aogositra 2010

Inde: Maty nisy namono ilay mafana fon'ny RTI

Tamin'ny faha-20n'ity volana ity , maty novonoin'ny lehilahy roa mitam-basy tsy fanta-piaviana manohitra ny Fitsarana Avo Gujarat any Ahmedabad , any Inde, i Amit Jethwa ilay manampahaizana manokana momba ny tontolo iainana sady mpanao fihetsiketsehana miaro ny Zo hahazo vaovao (RTI). Manao hetsika arahin'ny hasosorana sy hatezerana ireo mponina amin'ny aterineto .

03 Aogositra 2010