Nikaragoa: Fihaonana mikasika ireo blaogy sy Media Vaovao 2.0 any Managoa

Flyer-n'ilay hetsika Fihaonana mikasika ny Blaogy sy ny Media Vaovao 2.0

Ho tonga daholo ireo manampahaizana amin'ireo vondrom-piaraha-monina dizitaly amin'ity Fihaoanana mikasika ny Blaogy sy ny Media Vaovao 2.0 ity (amin'ny teny Espaniola, “2.0 Encuentro de Blogs & Nuevos Medios”) izay hotontosaina ny 12 sy 13 Aogositra ao amin'ny Central American University (UCA) any Managoa, Nikaragoa. Ity hetsika ity dia fampiharana ny fanandramana ireo fironan'ny aterineto sy ny tanjak'ireo fomba fifandraisana azo isafidianana hisarihana ny tontolon'ny fanjakana sy ny olon-tsotra.

Ity fihaonambe[es] itydia hahitàna ny fandraisan'anjaran'ireo manampahaizana avy any Amerika Afovoany, Kolombia ary Venezoela, izay hanome vela-kevitra, fampiofanana ary zavatra maro hafa. Ireo foto-kevitra tena hifantohana amin'izany dia: ny fahasamihafana misy eo amin'ny Media Vaovao sy ny Kolontsaina ary ny fivoarana; ny fandraisan'anjaran'ny olon-tsotra sy ny mpisolovava; Famokarana ireo votoatin-kevitry ny Media Vaovao; “Scenario” Vaovao: rindram-baiko ho an'ny finday, fampiasana sy tetika vaovao, fibanjinana ny ho avy.

“Hetsika ara-kolontsaina hampitombo fahalalàna ity hetsika ity, nefa dia hiteraka ihany koa fikasana hanamafy  fa tsy zava-baovao fotsiny ihany ny aterineto, fa koa fomba enti-mampianatra izay mahatonga adihevitra hisarihana ny hevitry ny olona,” hoy David Ruíz López-Prisuelos, Mpandrindra ao amin'ny Foiben'ny Kolontsaina Espaniola any NiKaragoa (Centro Cultural de España en Nicaragua, CCEN).

Entina hanampiana amin'ny fijerena ireo lahateny àry dia hosokafana amin'ny adihevitra mikasika ny fampiasana ireo fitaovana ity hetsika ity. Ity adihevitra ity dia ahitana ny tetikasa amin'ny aterineto La Carpio (“Proyecto La Carpio en Línea”) [es]” avy any Costa Rica, Ny zava-drehetra ho an'ireo “Caribbean Coast” any Nicaragua (“Todo por la Costa Caribe de Nicaragua”) [es] avy ao amin'ny Facebook ary Mety hisy Tontolo Hafa (“Otro mundo es posible”) [es]: ny fikambanana sy ny asan'ireo hetsika sosialy Nikaragoana ao amin'ny aterineto. Ny singa iray mahaliana dia ny fampiasana ny microphone misokatra ho an'ireo mpitoraka blaogy mba hizaran'izy ireo ny zavatra niainany.

“Hetsika hiresahana ny toetoetry ny mass media amin'izao fotoana sy ny fitronana mankamin'ireo karazany hafa izay mankany amin'ny fitoraham-blaogy kiritika ka hatrany amin'ny “podcasting” , ary ny fomba  mampifanaraka ny media amin'ireo fampiasana samy hafa sy ireo filàna izay mankany amin'ny fiainana andavan'andro hatrany amin'ny fampiasana azy ity mivelatra be eny anivon'ireo orinasa” hoy Rodrigo Peñalba [es], mpanoratra ao amin'ny Global Voices, manampahaizana mikasika ny famokarana kolotoraly amin'ny media vaovao ary vahiny manokan'ny CCEN nanampy tamin'ny fanatontosana ity hetsika ity.

Nandritra ny andro faharoa, ny mpanao gazety Cristian Cambronero [es] avy any Costa Rica, Renata Ávila, mpanoratra ao amin'ny Global Voices  avy any Guatemala ary Yuliana Isabel Paniagua [es] ao amin'ny tetikasan'ny Global Voices’ “Hiperbarrio” any Kolombia dia ho hamelabelatra ireo traikefa amin'ny fandraisan'ny olon-tsotra anjara ao amin'ny aterineto. Hisy ihany koa fivoriana ifandraisana an-tsary mivantana avy amin'ny BBC any Londona, ireo fiampiofanana mikasika ny famoronana votoaty sy ny dinidinika miaraka amin'ireo mpitoraka blaogy Nikaragoana Emila Persola [es], Freddy Quezada [es], Space for Alternative Communication and Sexual Diversity (Espacio de Comunicación Alternativa por la Diversidad Sexual [es]), ary Fabio Buitrago [es], izay hiresaka mikasika ny fitoraham-blaogy ampiasàna horonantsary ho tahaka ny fantsona amin'ny fandraisana andraikitra sy fampianarana momba ny tontolo iainana.

Ny lahateny mifanesy dia hofaranana amin'ny fampahafantarana mikasika ireo fironana vaovao amin'ny fampiasana miaraka ireo blaogy sy ny media vaovao ataon'ireo fikambanan-draharaha (business corporation), ary arahan'ireo fanadihadihana tranga maro amin'nyfitantanana ireo tambajotra ara-tsosialy ao amin'ny aterineto ao anatin'ny tontolon'ny dokam-barotra. Misokatra ho an'ny daholobe ity hetsika ity mandra-pahafenon'ny trano, homena tombony manokana ireo izay misoratra anarana ao amin'ny blaogy ofisialy izay amoahana ireo vaovao sy ireo fanampim-baovao. Raha mila fanazavana hafa dia tsidiho ny El encuentro de blogs [es], sy ny fandaharam-potoana [es] ary ny lisitr’ ireo olona vaomarina fa ho tonga amin'izany[es].

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.