Ilay mpitoraka blaogy Maraokana Agharass dia fantatra amin'ny blaoginy malala-pijery miaraka amin'ireo lahatsoratra (amin'ny teny Frantsay) momba ny lohahevitra isan-karazany manomboka any Palestina ka hatrany amin'ny kolotsaina pop, matetika voaravaka amin'ireo sary avy amin'ilay mpitoraka blaogy manokana.
Vao haingana i Agharass dia namorona blaogin-tsary mitondra ny lohateny hoe Portfolio de Agharass! Ny pejy fandraisana dia misarika ny maso amin'ireo sary mahafinaritra avy amin'ny manodidina an'i Maraoka, voalamina toy ny fitetiandro, ary ny fanindriana ny iray amin'ireo sary dia mitondra ny mpitsidika any amina lahatsoratra iray manokana, feno miaraka amin'ireo fanazavàna sy teny notsongaina mandravaka azy.
Ny lahatsoratra tamin'ny 22 Jolay, sarina tovolahy mpivarotra iray mirenireny eny amoron-dranomasina, dia voaravak'ireo teny notsongaina avy amin'i Joseph Conrad, Fernand Vandérem, ary Christophe Dejours, ahitàna izao manaraka izao:
“C’est l’homme tout entier qui est conditionné au comportement productif par l’organisation du travail, et hors de l’usine il garde la même peau et la même tête. Dépersonnalisé au travail, il demeurera dépersonnalisé chez lui.
[Christophe Dejours]”
Ao amin'ny pejin'ny mpanoratra ao amin'ny blaogin'i Agharass, hita ity fanazavàna manaraka ity:
Un simple amateur de la photographie, entre la prise couleur et monochrome c’est toute ma vision du monde qui prend forme. La photo m’a toujours permet de mémoriser un instant de la vie, une prise de vue qui reste pour la vie. Mon objectif ? C’est apprendre a mieux maximiser la beauté dans les clichés !
L’amour de la photographie est d’abord une vision splendide de la couleur, de la lumière et des reflets !! La photo parfait est celle qui garde au fond d’elle une certaine histoire que seul la capteur en connait les secrets.
Raha manopy maso any amin'ilay rakitsary sy ny kaonty Flickr an'i Agharass anefa, tsapa fa tsy mitoetra fotsiny amin'izay maha- mpankafy izay ilay olona ao ambadiky ny fakantsary. Indro ny santionany:

Ny soratra eo amin'ny sary dia manao hoe "tsy azo ijanonana", nefa ny teny fanazavàna avy amin'ilay mpaka sary kosa manao hoe "C'est interdit et pis c'est tout !" ("Voarara izany, izay no izy!")
Ireo sarin'i Agharass, azo jerena ao amin'ny Flickr, dia voaaron'ny Creative Commons 2.0 Generic License avokoa