02 Aogositra 2010

Tantara tamin'ny 02 Aogositra 2010

Nikaragoa: Fihaonana mikasika ireo blaogy sy Media Vaovao 2.0 any Managoa

  02 Aogositra 2010

Amin'ny 12 sy 13 Aogositra dia hotanterahina any Managoa ny Fihaonana mikasika ireo blaogy sy ny Media Vaovao 2.0 (2.0 Encuentro de Blogs & Nuevos Medios), miaraka amin'ny fandraisan'anjaran'ireo manam-pahaizana mikasika ny media vaovao avy amin'ireo firenena samy hafa manerana ny faritra, anisan'izany ireo mpanoratra sasany ao amin'ny Global Voices.

Maraoka: Blaogin-tsary vaovao an'i Agharass

Ilay mpitoraka blaogy Maraokana Agharass dia fantatra amin'ny blaoginy malala-pijery miaraka amin'ireo lahatsoratra (amin'ny teny Frantsay) momba ny lohahevitra isan-karazany manomboka any Palestina ka hatrany amin'ny kolotsaina pop, matetika voaravaka amin'ireo sary avy amin'ilay mpitoraka blaogy manokana. Agharass izao dia manana blaogin-tsary antsoina hoe "Portfolio de Agharass!"