Nitamberina somary nalaza kely tanatin'ny ora tsy nampoizina ny hash tag, #jesuisvieux, ao anatin'ny valan-tserasera mpiteny frantsay. Hatramin'ny faha-26 Jolay dia somary nitodika tany amin'ny fahatsiarovana ny mpampiasa twitter, mamoaka ny tsiahiny fahatanora miampy ny hash tag #jesuisvieux ( Antitra aho ity – lehilahy) na #jesuisvieille ( Antitra aho ity – vehivavy). Ahitana fitantarana mampihomehy ny eny an-tsefatsefan'ny fanarahana ity hashtag ity, indraindray koa ahitana tranga mahafinaritra ka ahitana ny fivoaran'ny fampiasana ny haitaon'ny fifandraisana.
Tsy dia mazava loatra aloha raha noho ny lahatsoratra iray nivoaka tao amin'ny New York Times tamin'ny 15 Jolay mitondra ny lohateny hoe: “Miha-antitra amim-pahasoavana, talenta frantsay” no nahatonga ny fironana tao amin'ny twitter ity fa mibahana ao an-tsain'ny mponina mpiteny frantsay tokoa angamba ity resaka “miha-antitra” ity ka resahiny malalaka.
Nisy ny gazety vitsivitsy no nanangona sy nanadio ny sasantsasany tamin'ny resaka momba izany. Ity misy lahatsoratr'i Coline Bérard ao amin'ny L'Express.fr: “Twitter c'est pour les vieux”, (Ho an'ny antitra ny twitter) sy ny gazety Belza Le Soir izay mamoaka sy manaraka lireo famahanana bolongana eo noho eo momba ny hashtag #Jesuisvieux eo amin'ny sehatra an-tserasera iray.
Raha ny notaterin'ny Hashtags.org, dia nahasahana ny 0.03% amin'ny sioka maneratany ny hash tag #jesuisvieux hash tamin'ny 27 Jolay.
Indreto ary nisy sioka vitsivitsy izay nanintona anay:
Avy @JocelyneRobert any Montréal, Canada:
On ne brimait pas nos élans sexuels avec la menace des ITS mais avec la menace de l'enfer #jesuisvieille
J'ai surfé sur le WWW en utilisant NETSCAPE #jesuisvieux
Anna Gueye avy any Senegal sy La Haye Holandy:
#jesuisvieux il y avait des 1ères classes dans le métro #jesuisvieille
slim404 any Tonizia:
Le 7 nov. 1987 j'étais content. Mon père m'a dit : “tu va pas à l'école aujourd'hui, on ne sait jamais” #jesuisvieux
J'ai vu des ministres démissionner quand ils étaient mis en cause dans des affaires. #jesuisvieux
J'ai été amoureuse d'Albator #jesuisvieille http://youtu.be/SpE9Yo9dmIo
Je me souviens avoir vu la comète de Halley #jesuisvieux
Dans ma jeunesse, il n'y avait pas Internet pour que des anonymes qui n'ont pas de vie déversent leur haine et leur mépris. #jesuisvieille
Voler des 33 tours, c'était quand même plus héroïque que télécharger #jesuisvieux
J'ai déjà imprimer un travail de Cégep sur une imprimante a ruban de Commodore 64 a @tremblay96 #jesuisvieux
on est tous le vieux de quelqu'un #jesuisvieux
Farany i Lionel no mihevitra fa ny mafana fo indrindra amin'ny mpandray anjaran'ity tsiahy ity dia i Anna Gueye ato amin'ny Global Voices ihany:
L'une des toutes meilleures séries #jesuisvieux #jesuisvieille, au niveau mondial, est, sans conteste, celle d’@annagueye http://is.gd/dN00B