Tantara tamin'ny 01 Aogositra 2010
Frankofonia: Mihatsara tahaka ny divay antitra ny Twitter
Nitamberina somary nalaza kely tanatin'ny ora tsy nampoizina ny hash tag, #jesuisvieux, ao anatin'ny valan-tserasera mpiteny frantsay. Hatramin'ny faha-26 Jolay dia somary nitodika tany amin'ny fahatsiarovana ny mpampiasa twitter, mamoaka...
Qatar: Mizaka ny fanovàna laharan'antso ho isa valo ireo mponina
Ao anatin'ny ezaka ho fiatrehana ny filàn'ny ampitso, novain'i Qatar ny ankamaroan'ireo laharan'antso rehetra na finday na ny mampiasa tariby, miala amin'ny isa fito hanjary ho valo. Mitaraina ny mponina, saingy mahita fa toa mora ihany tsy araka ny noeritreretina ilay fiovàna.
Madagasikara: Ambany fiarovan'ny tafika manokana ny fanimbana ny ala
Nanazava ny fomba nanaovany fanadihadiana miafina nandritra ny herintaona sy tapany[fr] izay nandraisany anjara tamin'ny tatitra mitondra ny lohateny hoe “Between Democracy and Conservation” [An-tsampanan'ny demaokrasia sy ny Fikajiana (ny tontolo...
Japan: Hadisoana ve ny mihanika ny havoanan'i Fuji amin'ny tànam-polo?
Raha misy hazo midaraboka any an'àla nefa tsy misy olona afaka handre izany eo amin'ny manodidina eo, dia ho olana ve raha mitalakotrokotroka na tsia izany arakarak'izay nanaovan'ilay hazo azy teo? Nandinika lalina momba ny tendrombohitra, ny môraly/fitondrantena, ary ireo hafatra ao anaty lahatsoratra iray amin'ny teny Japoney mitondra ny lohateny hoe "Hadisoana ve ny mihanika ny havoanan'i Fuji amin'ny tanam-polo?", ilay mpitoraka blaogy Zope.
Georgia (Zeorzia): Ady mangatsiaka, hasambàrana mangatsiaka
Herinandro monja mialoha ny tsingerintaona faharoan'ny ady tselatra teo amin'i Rosia sy Georgia [Zeorzia] hifehezana ny faritra mpisintaka ao Atsimon'i Ossetia, mamily ny fifantohan-tsainy ho any amina ady mangatsiaka iray misy eo amin'ireo firenena roa ireo kosa i Evolutsia, ny ao Abkhazia.