Jolay, 2010

Tantara tamin'ny Jolay, 2010

Filipina : olana rano ao Manille

  24 Jolay 2010

Saripika avy amin'ny pejy Flickr an'i rickyli99 Miaina olana tsy fahampian'ny rano sedrain'ireo mpampiasa rano an-tapitrisany ankehitriny i Metro Manille, renivohitr'i Filipina. Tezitra amin'ny tsy fahitana rano handroana ny mponina ka  namaky ny fantson-drano ao Malabon. Miezaka mampivoitra ity tsy fahampian-drano ity ireo mpitoraka bilaogy any Filipina. Miahiahy i Blackshama's blog mahita fa...

Pero : Mijery ny famaranana ny fiadiana tompondaka erantany avy ao Afar

  24 Jolay 2010

Nifarana ny alahady 11 jolay lasa teo ny famaranana ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany amin'ny baolina kitra natao tany Afrika Atsimo. Volan'ny baolina kitra iny volana iny. Nijery ny fifaninanana tany Afar ireo mpitia baolina kitra peroviana. Ankehitriny dia miara-mifaly amin'ny Espanola ry zareo amin'ny mahatompondaka erantany vaovao azy. Teo amin'ny...

Hong Kong: Mifanentana hiaro ny moron-dranomasin'i Tai Long Wan ny mponina

  24 Jolay 2010

Olona maro no mihevitra fa ala-tsimenitra no mandrafitra an'i Hong Kong noho ireo tranobe mijoalajoala ao aminy. Saigy ny zava-misy dia faritra tsy misy fivoarana ny 75 % n'ny velarantany amin'io tanàna io amin'ny ankapobeny. Endrika navelan'ny tantaran'ny fanjanahan-tany tsy niniana natao io, rehefa niezaka hampaharitra ny famatsiana rano tao an-tanàna...

Korea Avaratra: anatin'ny ady psikolojika koa ny hatsaràn-tarehy

  24 Jolay 2010

Lasa olo-malaza any Korea Atsimo indray izao ny mpandroso sakafo Koreana Tavaratra izay mitovy be amin'ny mpilalao sarimihetsika Koreana Tatsimo. Nahazo jery an'aliny maro ny horonantsary iray ao amin'ny Youtube, mampiseho tovovavy mpianatry ny kolejy midera ny hatsaram-panahin'ny fitondràna amin'ny fianakaviany mpanefoefo. Ireo mpitsoa-ponenana Koreana Tavaratra nankany Korea Atsimo dia...

Ginea: Eo am-piandrasana ny fihodinana faharoa amin'ireo fifidianana lazaina ho feno hosoka

  23 Jolay 2010

An-dàlana ny fifidianana ho filoham-pirenena hanan-tantara any Ginea raha efa akaiky hivoaka amin'ny fomba ofisialy ireo valim-pifidianana ofisialin'ny fiodinana voalohany . Nalamina ho amin'ny 1 Aogositra ny fihodinana faharoa [fr] noho ny fandinihana ireo lazaina ho hosoka ka nanisahana ny datin'ny 18 Jolay efa voalamina tany amboalohany. Toa milaza ny isam-bato tsy ofisialy tamin'ny fihodinana voalohany fa nanana vintana tsara hirosoana amin'ny fifidianana faharoa i Cellou Dalein Diallo sy i Alpha Condé . Na dia eo aza ireo fametrahana ahiahy maro mikasika ny fisiana hosoka eny an-tsefantsefany eny , ny fihetseham-po taratra amin'ny ankapobeny dia ny fahamaivanana sy ny fahafaham-po fa vita tsy nisy savorovoro ihany nony farany ny fanisam-bato, sy ny tahan'ny fandraisan'anjaran'ireo mpifidy marobe Tafiditra mavitrika amin'izany ihany koa ny tontolon'ny blaogy Gineana

Côte d'Ivoire: Nogadraina ny mpitoraka bilaogy sady mpanao gazety, i Théophile Kouamouo sy ny ekipany nanomboka tamin'ny 13 Jolay

  22 Jolay 2010

Tamin'ny Talata 13 Jolay, nitatitra ny bilaogin'ny Le Nouveau Courrier [Fr], fa nahazo fitsidihin'ny polisy tsy nampoizina izy ireo tao aorian'ny nanehoana, io maraina io, ny fametrahana voalohany ny fanadihadiana lalina izay naharitra ny herinandro manontolo amin'ny honohono mikasika ny kolikoly amin'ny fivarotana cacao sy kafe any Côte d'Ivoire (jereo...