- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitorahana blaogy mivantana mikasika ny fanehoan-kevitra momba ny fiparitahan'ny antontan-taratasin'ady any Afghanistan

Sokajy: Amerika Avaratra, Azia Afovoany sy Kaokazy, Afganistana, Etazonia, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Media sy Fanoratan-gazety, Vaovao Mafana

Mihoatra ny 90,000 amin'ireo antontan-taratasy miaramila Amerikana nampirimina mikasika ny ady any Afganistana no niparitaka. Ho andrana, mampiasà Google Wave isika mba hitorahana blaogy eo noho eo mikasika ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo blaogy ankapobeny sy ny media  iraisam-pirenena mikasika ireo “bokin'ady” (#warlogs [1]) nasehon'ny Wikileaks [2], Der Spiegel [3], New York Times [4] sy The Guardian [5] ho fanta-bahoaka androany.

Ireo mpiara-miasa rehetra ao amin'ny Global Voices dia manana fahafahana miditra ao amin'io fitorahana blaogy eo noho eo io daholo raha te hizara rohy izy ireo. Mamporisika anareo izahay hampiasa Google Chrome na ny Firefox vaovao na koa ny Safari mba hijerena ity pejy ity.

Hita tao amin'ny ReadWriteWeb [6] ireo fanoroana tsotsotra amin'ny fomba fampiasana ny fitorahana blaogy eo noho eo ampiasàna ny Google Wave.