Kambodza: Fanokafana ofisialy ny vavahadin-tseraseran'ny zon'olombelona voalohany

Sithi.org, varavaran-tserasera natao hanehoana ireo sehatra sy valina fanadihadihana mikasika ny tsy fanajana ny zon'olombelona any Kambodza no nosokafana amin'ny fomba ofisialy ny 22 jolay lasa teo, miaraka amin'ny fandraisan'anjaran'ireo andrim-panjakana maro toy ny ambasady, ny fikambanana maneran-tany sy ao an-toerana, fampahalalam-baovao ary ireo solontena isankarazany maneran-tany.

Nandritra ny taona lasa teo dia niroborobo tokoa ny vohikala. Maro ireo valina fanadihadihana mikasika ny tsy fanajana ny zon'olombelona, fampahafantarana momba ny lalàna ary fanambarana ho fanta-bahoaka ireo vaovao  no afaka jerena ao amin'ny vohikala. Ny fiparitahan'ny vaovao dia niaraka tamin'ny fitomboan'ny mpitsidika tao aminy – nanomboka tamin'ny 8 000 tonga hatramin'ny 33 000 nandritra ny 6 volana nanomezan'ny Technology for Transparency Network vaovao ho an'ny vohikala.

Ny vaovao nomen'ny Sithi dia nilaina sy nampiasaina tamin'ny fanadihadihana sarotra natao mikasika ny zon'olombelona sy ny fampivoarana. “Ny fanadihadihana nataon'ny fikambanana tsy miankina hafa mikasika ny Zon'ny Terantany eo ambany fanaraha-mason'ny Komitin'ny Fanafoanana ny Fanavakavahana an'ny Firenena Mikambana no mampiasa sary roa avy amin'ny Sithi.org mba hamaritana ny fototry ny olana iainan'ireo terantany any Kambodza”, hoy Chor Chanthyda, mpandrindra ny vinavina ao amin'ny Sithi, nandritra ny fanokafana. Nampiany koa fa ny Economics Today koa dia mampiasa ny fivelaran'ny sary ao amin'ny Sithi rehefa misy olana mikasika ny fitantanana ny tany.

Misy ny resaka tena ilaina ifanaovan'ireo mpandray anjara ao amin'ny vohikala, ny andraikitr'izy ireo sy ny antoka ho an'ireo handraisana andraikitra.

Ankoatry ny fahombiazana tanteraka, misy koa ny resaka marobe sy ny fivoarana raha toa ka mahatratra ny tanjony ny vohikala dia ny fampahafantarana bebe kokoa mikasika ny fanararaotana eo amin'ny zon'olombelona hisian'ny fiarovana amin'izany miaraka. Na dia noheverin'ny Sithi hamoahana vaovao sy valina fanadihadihana afaka ataon'ny rehetra aza ny vohikala hatrany am-piandohana, dia ireo fikambanana tsy miankina ihany no mahazo mandray anjara amin'ny fanamarinana ny vaovao mivoaka. Faharoa, na dia mitombo hatrany aza ny mpitsidika, dia mbola tsy tena fantatra tsara ity vohikala ity. Farany, sarotra be ny fitsidihana ao amin'ny vohikala, misy zavatry ny fikambanana mitady hiditra ao hatramin'ny taon-dasa. Nandritra ny fanokafana, ny mpiara-miasa ao dia mampirisika ny fikambanana tsy miankina sy ny olon-tsotra hanome soson-kevitra hahatonga ny vohikala ho lasa fampiasa am-pirahalahiana sy handroso hevitra koa amin'ny fanamboarana drafitra hitaritana ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fomba tokony hataony rehefa misy tranga hohalalinina. Ny tanjon'ny Sithi manaraka dia ny fampivelarana ny resaka maha mpinamana sy ny fampiasana ny fiteny any an-toerana ao amin'ny vohikala hahafahany manome izay farany azo atao hahazoan'ny fiaraha-monina Kambodziana tombony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.