- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: An-dalam-paharendrehana ve Ejipta?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fitantanam-pitondrana, Politika

Namoaka tatitra manokana momba an'i Ejiptat [1] sy ny hoaviny taorian'ny Filoha Hosni Mubarak ny The Economist, olona voatondro ho marary sain'ny taonjato faha-21 any Afovoany Atsinanana.

Io andàlana manaitra io no nanombohan'i Zeinobia ny lahatsorany [2].

Manomboka ny fanamarihany toy izao i Zeinobia :

Mahaliana ity tatitra ity noho ny fahatsapàna izay inoako fa tsy ho hitantsika eny ambony talantalana fivarotan-gazety mihitsy io gazetiboky io amin'ny volana ambony noho ny fonony.

[3]

Nampiany fa gazety Ejiptiana roa:

Youm7 sy Al Shorouk online dia namoaka famintinana ilay tatitra tsy nasiana ny sarin'ingahy Mubarak. Misy elefanta ao anaty efitra, elefanta lehibe iray manary aina raha ny marina kokoa ary raha jerena ny tsy fisian'ny fiaikena avy amin'ny fitondrana dia mampanontany tena anao izany hoe sao dia  hadalàna nateraky  ny hambo tafahoatra na tahotra ny hibaboka ny ngidin'ny zava-misy izany; efa tena akaiky ny farany ary tsy ananan'ny zanakalahy intsony ny fotoana, izy izay niandry ela loatra izao fotoana izao.

Mamaky io tatitra io koa i Mohaly ary  miblaogy [4] ny fahasahiranan-tsainy:

Taorian'ny  30 taona tsy nihetsehana, rendrika anatyu fasika ve Ejipta sa misonga avy ao amin'izany?! Hiaina  mitsitokotoko ve isika, sa hiasa miaraka?!

Alaivo an-tsaina izany Ejipta mandrakotra ny pejy voalohan'ny The Economist. Lahatsoratra mendrika hovakiana izany.

Issandr El Amrani, ao amin'ny The Arabist, dia manamarika izany [5] koa:

Ny Economist tamin'ity herinandro ity [6] dia namoaka fandrakofana manokana  momba an'i Ejipta izay tena mendrika fandalinana. Raha ny fahalalàna fa isaky ny folo taona ihany ny The Economist vao mamoaka fanaraha-maso firenena toy itony, dia efa ny fanintelony momba an'i Mubarak ity raha tsy diso tadidy. Mampanontany tena ahy ho fahasamihafàny amin'ireo teo aloha.

Raha ny feo mandeha momba ilay tatitra dia ahitana ny fifangaroharoan'ny tsirim-panantenana sy ny tsy fanekena/tsy hafalian'ny sasany noho ny tsy fahombiazan'i Ejipta — ny fanjakana “polisy”  mpandray tsolotra [7] ao, ny  fampianarany [8]. Ao anatin'ny rivotry ny tsy fahavitrihana sy fahamodamodahana manjaka be eto amin'ny firenena ary ireo fitanisàna feno fampitandremana manodidina ny ho fidarabohan'i Ejipta, mba mampitonitony ihany ny fanabaribariana ireo fiovàna nampihetsi-po nampidirin'ny vanim-potoana Mubarak teo amin'ny ara-tsosialy sy ny ara-ekonomika. Ho fiovàna mankamin'ny tsara ve, sa ny ratsy, sa fiovàna tsy azo nialàna avy amin'izao tontolo izao nanindry an'i Ejipta fa kosa tsy afaka nanindry azy i Ejipta ?