- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afrika Atsimo : Inona no mety hangatahanao amin'Andriamanitra raha afaka manao izany ianao?

Sokajy: Afrika Mainty, Afrika Atsimo, Fivavahana, Hehy
Sun hides behind clouds - by Dan A'Vard [1]

Ny masoandro ao ambadik'ireo rahona, avy amin' i Dan A'Vard

Tamin'ny herinandro lasa, nanontany ny olona tamin'ny “aterineto” [2] ny mpitoraka bilaogy Afrikana Tatsimo Khaya [3] Dhlanga [4] hoe inona no mety hangatahan'izy ireo amin’ Andriamanitra raha lazainy fa afaka mangataka aminy izay rehetra tiany izy ireo.

Namoaka ireo fanontaniana sasany avy amin'ireo mpamaky izy :

Nankarary, nampihomehy, nampihetsi-po ireo fanontaniana, ary ny sasany aza dia adala be fotsiny izao, izay samy ankafizina daholo mazava ho azy. Nahaliana ireo fanontaniana, valiny/tsikera. Ireto ny lisitr'ireo fanontaniana mahavariana :

Paul Walsh:

Inona ny tsiambaratelon'ny fandrahoan-tsakafon'ny KFC.

Thabiso Ramolefe:

AIZA NO MIAFINA NY FOLO ARIVO TAPITRISA RAND-KO ?

Bathabile Dlula:

Rahoviana ny farandroko eto ambonin'ny tany ry Tompo malala ?

Odwa Dumisani Dandala:

Handeha ho any aminy fotsiny aho dia handinika azy tsara sy hanontany azy. Nahoana? *Mihevitra aho fa mahasolo ireo fanontaniana rehetra ilaiko valiny io* NAHOANA?

Brendah Nyakudya:

Nahoana no nataony tia mifamono be toy izao ny olona maintihoditra

Thulani Mbandezelo:

Fa maninona ianao no tsy manana “hotline” miasa 24ora tahaka an'i Zuma [Filohan'ny Afrika Atsimo ]

Waheeda Safi:

Fa maninona izy no mampiditra olona amin'ny fiainantsika, mampiaina antsika ireny fihetseham-po rehetra ireny dia avy eo maka azy ireo indray… Ary maninona no atao sarotra toy izao ny fiainana.

Ncumisa Ngcaweni:

Hangataka aminy ny hamerenena ny fotoana aho satria tsy tokony ho voafitaky ny bibilava i Eva ary hitsangana eo anatrehany i Adama ka tsy hamela azy handika ireo torolalana nomen'Andriamanitra ary tsy hiaraka aminy handika izany koa.

Cruella Shirley Snook:

AIZA MARINA IANAO NO MIPETRAKA ARY FIRY NY LAHARAN-TARIBY ANAO?

Sarah Judge:

Iza no Andriamanitra ?

Yolande Jordaan:

Nahoana aloha ianao no nanamboatra olombelona raha ohatra  fantatrao fa higafy izy ireo? Sady tsy tompon'andraikitra amin'ny ankamaroan'ny fahasarotam-piainana eto ambonin'ny tany ve izahay? Nandoto tontolo iainana, namorona fitaovam-piadiana sy baomba, fanavakavaham-bolon-koditra, fankahalana ireo tera-tany vahiny, sns …. nefa dia mbola tsy vonona ny handray andraikitra amin'ireo fihetsikay izahay, fa aleonay indray aza mifanome tsiny.

Ary ny lisitr'ireo fanontaniana avy amin'ireo mpampiasa Twitter :

@Cynicalgrinch:

Andriamanitra, mpananihany ianao, fa maninona ianao no nanamboatra ireo mpamorona? Misy isa enjehinao amin'ny fanamboarana adala angaha?

@ItsSinga:

Maninona ny zavatra marina foana no sarotra atao indrindra…

@swampcottage:

“Iza no namorona anao ?”

@TigerThebe:

Fa maninona ianao no nanamboatra an'i Julius Malema? [Mpanao politika mpanohitra ao Afrika Atsimo sady Filohan'ny Ligin'ny Tanora amin'ny Kongresy Nasionaly Afrikana.]

@missltzama:

Fa maninona ianao no tsy tia ny blk ppl? [Olona maintihoditra ]

@BrigidL:

Inona no Ataony rehefa maka aina Izy … Toa tena sahirana be izany izy !

@Busi31:

Afaka ataonao mamadika ny rano ho divay koa ve aho?

Nahazo ny laharana voalohany tamin'ny Olom-pirenena Mpanao Gazety Raitra an'i Afrika tamin'ny taona 2008 i Khaya Dlanga [5] tamin'ny fitondrana rivo-baovao amin'ny fampiasana ny aterineto, tao amin'ny fivoriam-be tao Afrika Highway ary isan'ny iray amin'ireo olona 100 mpandresy lahatra indrindra izy tamin'ny Fanentanana, ny Haino aman-jery sy ny Varotra 2008 – fanao isan-taona.