Tantara tamin'ny 27 Jolay 2010
Italia: Loza hamatotra ireo mpitoraka blaogy?

Iray amin'ireo fepetra ao amin'ny Lalàna mifehy ny Media sy ny Fihainoan-dresaka resahana tato ho ato ao anivon'ny Parlemanta Italiana ny hoe “ireo rehetra tompon'andraikitra amina tranonkalam-baovao” dia tsy maintsy mamoaka ao anatin'ny 48 ora ny fanitsiana takian'ireo fitarainana
Afrika Atsimo : Inona no mety hangatahanao amin'Andriamanitra raha afaka manao izany ianao?
Tamin'ny herinandro lasa, nanontany ny olona tamin'ny "aterineto" ny mpitoraka bilaogy Afrikana Tatsimo Khaya Dhlanga hoe inona no mety hangatahan'izy ireo amin' Andriamanitra raha lazainy fa afaka mangataka aminy izay rehetra tiany izy ireo. Namoaka ireo fanontaniana sasany avy amin'ireo mpamaky izy tao amin'ny blaoginy. I Busi31, ohatra, te hanontany hoe : "Afaka ataonao mamadika ny rano ho divay koa ve aho?"
Côte d'Ivoire: Noafahana ireo mpanao gazety nampangaina ho nangalatra antontan-taratasy
Noafahana androany hariva ihany tamin'ny ora farany, ireo mpanao gazety telo ao amin'ny Le Nouveau Courrier d'Abidjan izay nogadraina noho ny fandavan'izy ireo ny hamoaka ny loharanom-baovao [Fr] taorian'ny fitsapana...
Fanivànana tranonkala any Afovoany Atsinanana ampiasàna ny Bing, loha-milina mpikaroka an'ny Microsoft

Ny fikarohana natao tany ampiandohan’ity taona ity dia nandalinana ny fivelatry ny sivana aterineto any amin’ny firenena Arabo ary ampiasàna ny loha-milina mpikaroka, Bing an’ny Microsoft hijerena ireo lohahevitra mirona amin’ny firaisana ara-nofo