- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jordania: Naningotra ny fotoana nampanonofy antsika ve ny teknolojia?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Jordania, Fampandrosoana, Hevitra, Teknolojia
[1]

Taratasy avy any amin'ny namana, sary nalain'i D Sharon Pruitt

Mitàna andraikitra lehibe eo amin'ny fiainantsika andavanandro ny solosaina sy ny teknolojia. Mahatsiaro ny fotoana nampanonofy  eo am-pandraisana taratasy amin'ny alalan'ny paositra ny mpitoraka blaogy iray avy any Jordania ary hoy izy ao anaty blaoginy: “Hàlako ny elekraonika.”

Mamintina [2] (Ar) ny heviny etsy ambany i Umm Omar:

من جهـه لإنها قتلت فينا مشاعر وأحاسيس مارح يعرفها الجيل الجاي ,, مارح يعرف الشوق واللهفه والإنتظار اللي كنا نستمتع فيه أيام ما كانت الرسائل على الورق,, تقعد أسبوع بحاله تفكر ايش بدك تكتب بمكتوبك,,و تغير اللي كتبته الف مره
وتتردد وإنت رايح ع مكتب البوسطه,, وبعد ما تحطه,, ترسم في خيالك الري أكشن ع الوش اللي رح يستلمه…
Amin'ny lafiny iray, izy io dia namotika ny  fientanam-pontsika – sy ny fihetseham-pontsika izay tsy ho tsapan'ny taranatsika any aoriana mihintsy. Tsy ho azon'izy ireo an-tsaina na oviana na oviana ny faniriantsika, ny fahamaizantsika ary ny fahafinaretana azontsika fony andron'ny hoe an-taratasy no nifanoratana. Nila nandany herinandro iray manontolo mihintsy ianao nieritreretana ny zavatra tianao soratana tao anaty taratasinao,  inarivony kely ianao manova izay efa voasoratra. Te hangataka andro foana ianao na dia efa iny an-dàlana  ho eny amin'ny paositra iny aza, ary rehefa avy nandrotsaka ny taratasinao ianao dia mandefa eritreritra sy manao kisarisary an-tsaina ny amin'izay mety hisoritra eny amin'ny endriky ny mpandray ilay taratasy.

Hoy izy manohy izany:

يا ترى رح يضحكه هالشي اللي بعتتله إياه,, يا ترى أوفيته حقه من كلام وإلا لأء,,, يا ترى رح يزعل مني وما يرد ع المكتوب,,يا ترى ,, يا ترى
Handefa fisainana ianao: Mety hampihomehy azy ve ny zavatra nosoratako? Haiko tsara ve ny nisafidy ny teny nampiasaiko sa tsia…Ho tezitra ve izy ka tsy hamaly ny taratasiko… Ho…….ve izy?
يضل هالشي يلاخم فيك أيام وأيام,, وتروح ع مكتب البوسطه أكثر من مره ,, وأحيانن مرتين وثلاث بنفس اليوم
ت تستلم مجرد ورقه,, عليها كل شي بتتأمله بحياتك,, عليها ضحكتك السريه,, عليها قصه صغيره مابعرفها غيرك,, إنكتبت بس ل إلك,,
بس عشانك,,
بتضمها ,.,
بتشمها,, ,,
بتخليك بعالم غير هالعالم,, مع إنها دوبك ورقه فولسكاب
Tsy hitsahatra ny hitaintaina sy hieritreritra ianao isan'andro ary hiverina any amin'ny paositra mihoatra ny indray mandeha, ary indraindray aza, indroa na intelo mandritr'io andro io mandra-paharainao valiny araka ny efa nantenainao ao anatin'ny singan-taratasy iray. Hitsiky anankam-po ianao rehefa mahazo taratasy iray misy tantara fohy izay tsy hisy hahalala, ary nosoratana manokana ho anao…
Ho anao manokana…
Fihininao mafy ilay izy …
Fofoninao ilay izy …
Mitondra anao any amin'ny tontolo hafa  izy…na dia singan-taratasy iray fotsiny aza.
أيام ,,, وأيام وإنت فرحان فيها وحاسس حالك بدك توقف الناس اللي بالشارع ت تحكيلهم عن فرحتك,, وترجع فيك الدوامه من جديد,, وتبلش بدك تكتب مكتوب
ثاني,,,,,……
Mandritry ny andro maromaro, ho faly foana ianao ary ho tsapanao ohatran'ny te hanajanona ny olona eny an-dalana ianao hitantaranao ny fahasambaranao. Tianao hiverina foana izay fotoana izay ka hanosika anao hanoratra taratasy iray hafa indray …

Mamaly izany i Haitham Al Sheeshany, mpamaky iray:

متفق معك أن التكنولوجيا اختزلت الكثير الكثير من المشاعر الجميلة الصادقة.
طبعا ً هي زادت من سعة الانتشار و سهلته أيضا ً.

إيجابيات و سلبيات كل مسألة كغيرها 🙂

Miombon-kevitra aminao aho ny amin'ny hoe manisy fetrany betsaka ny fihetseham-po mahafinaritra sy tena marina  ny teknolojia. Ekena mazava loatra fa nampivoatra sy nanamora ny fifaneraseran'ny be sy ny maro izy. Misy lafintsarany sy lafiratsiny maro ao , toy ny amin'ny zava-drehetra hafa ihany 🙂

Manampy izany i  Ashraf Mohidden, mpamaky iray:

التكنولوجيا وعلى رأسها النت أصبحت أساس التواصل في العلاقات الاجتماعية في هذه الأيام .

أما المشاعر والأحاسيس الجميلة التي أصبح من الممكن إيصالها للطرف الآخر بدون عناء ومن خلال كبسة زر إن جاز التعبير فهي دلالة هذا العصر المتسارع في كل شيء مما جعلها كمطاعم الوجبات السريعه 🙂

Lasa fototry ny seraseran'ny fiaraha-monina amin'izao vaninandro iainantsika izao ny teknolojia, tarihan'ny aterineto.
Tsotra dia tsotra izao ny mizara ny fihetseham-po sy fientanam-po mahafinaritra ary izany dia eo am-panindriana bokotra iray fotsiny. Porofon'ny rotorotom-piainana iainantsika io, izay nahatonga ny fanehoana ny fientanam-po toy izany ho tahaka ny vita vaotra tonga dia raisina (fast food):)

Ary farany nefa manan-danja tokoa, manambara nyWhite Freedom:

التكنولوجيا ضيعت علينا معنى التواصل حتى في الاعياد بدل ماتتصلي وتباركي صرنا نرسل رسالة من الجوال وخلاص
وحتى الرد عن طريق الجوال هههههههههههه عن جد صرنا في عالم ثاني
وما اومك بس التكنولوجيا تنفع في اشياء ثانية لكن سوء الاستخدام هو الذي جعلها ( مكروهه وفاقدة للمعنى

Ny teknolojia dia nahatonga antsika hanary ny tena hevitry ny hoe: fifandraisana amin'ny tsirairay avy,  eny na amin'ny andro firavoravoana aza. Raha tokony hiantso sy hiarahaba ny hafa aza isika, dia mandefa hafatra an-tsoratra fohy fotsiny amin'ny alalan'ny finday, izay dia vita. Valiantsika  amin'ny hafatra an-tsoratra fohy koa izany hafatra izany. Niova tanteraka mihintsy izao tontolo izao!
Tsy manome tsiny anao aho. Ilaina amin'ny zavatra maro hafa ny teknolojia fa ny fampiasana azy diso tafahoatra loatra no mahatonga antsika hankahala azy ka mahavery ny tena heviny.

Naningotra ny fotoana nampanonofy antsika ve ny teknolojia? Miangavy anareo handray anjara amin'ny adihevitra atao ao amin'ny faritra natokanay ho fametrahana fanamarihana.

Sary nalain'i:
D Sharon Pruitt [3]